Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Hoy ny Hebreo 5:12: ‘Tokony ho mpampianatra ianareo.’ Eritrereto ange izany e! I Jehovah no Mpampianatra mahay indrindra, nefa izy mihitsy no manasa antsika hampianatra momba azy. Tombontsoa be ny mampianatra ny marina momba azy, na ao an-tokantrano izany, na eo anivon’ny fiangonana, na rehefa manompo. Andraikitra be koa anefa ilay izy. Inona àry no hanampy antsika hahomby?

Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana.” Hoy koa izy: “Raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” (1 Tim. 4:13, 16) Mamonjy aina ny zavatra ampianarintsika. Miezaha àry hahay hamaky teny tsara sy hahay hampianatra. Hanampy anao amin’izany ity bokikely ity. Ireto no mampiavaka azy:

Misy andinin-teny iray isaky ny lesona. Toro lalana mifandray amin’ilay lesona no resahina ao, na modely azonao tahafina

Hanampy anao hahay hamaky teny tsara sy hahay hampianatra kokoa ity bokikely ity. Tadidio foana anefa fa tsy misy mpampianatra mahay noho i Jehovah. (Joba 36:22) Avy aminy ny zavatra ampianarintsika, ary izy no mitaona ny olona hanatona azy. (Jaona 6:44) Angataho foana àry ny fanahiny masina. Ampiasao foana koa ny Teniny. Ny hevitr’i Jehovah no ataovy misongadina, fa tsy ny hevitrao. Ampio ny olona mba ho tena tia azy.

Ianao no nasain’i Jehovah hitory ny vaovao tsara. Mbola tsy nisy hafatra lehibe noho izany mihitsy. Miantehera àry ‘amin’ny hery omeny’, dia ho vitanao tsara io asa io!—1 Pet. 4:11.

Ny mpiara-miasa aminao,

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah