Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 3

“Manana Fo Hendry”

“Manana Fo Hendry”

Ny tena fahendrena no iray amin’ireo zava-tsarobidy indrindra azonao katsahina. I Jehovah irery no Loharanon’izy io. Hofakafakaintsika ato amin’ity fizarana ity ny fahendrena tsy voafetra ananan’i Jehovah Andriamanitra, izay nolazain’i Joba, lehilahy tsy nivadika, hoe: “Manana fo hendry izy.”​—Joba 9:4.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 17

“Tsy Misy Fetrany ... ny Fahendreny!”

Nahoana ny fahendren’Andriamanitra no lehibe kokoa noho ny fahalalany sy ny fahatakarany ary ny fahaizany manavaka?

TOKO 18

Fahendrena ao Amin’ny “Tenin’Andriamanitra”

Maninona Andriamanitra no nampiasa olona mba hanoratra ny heviny ao anaty boky iray, ary nahoana ny zavatra sasany no nosoratana na tsy nosoratana ao?

TOKO 19

“Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ny Zava-miafina Masina”

Inona ilay zava-miafina masina nampahafantarin’Andriamanitra tsikelikely?

TOKO 20

“Manana Fo Hendry” Nefa Manetry Tena

Ahoana no mahatonga an’ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao hanetry tena?

TOKO 21

Mampahafantatra ny “Fahendren’Andriamanitra” i Jesosy

Tena nampiaiky ny fampianaran’i Jesosy, ka na dia ireo miaramila nirahina hisambotra azy aza nody maina fotsiny!

TOKO 22

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny “Fahendrena avy any Ambony”?

Miresaka fomba efatra manampy anao hanana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.