Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 22

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny “Fahendrena avy any Ambony”?

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny “Fahendrena avy any Ambony”?

1-3. a) Ahoana no nanehoan’i Solomona fahendrena hafakely tamin’ny fomba nandaminany ilay adin’ireo reny roa? b) Inona no nolazain’i Jehovah fa homeny antsika, ary inona avy no fanontaniana mipoitra?

 SAROTRA ny nitsara ny raharahan’ireo vehivavy roa niady zaza iray. Niara-nipetraka izy ireo, ary samy niteraka, nielanelana andro vitsy monja. Maty ny iray tamin’ireo zaza, ka samy nilaza izy ireo fa zanany ilay zaza velona. a Tsy nisy vavolombelona hafa nahita izay nitranga. Azo inoana fa efa notsaraina tany amin’ny fitsarana ambany kokoa ilay raharaha, nefa tsy voalamina. Nentina tany amin’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, àry ilay izy. Hahita ny tena marina ve izy?

2 Nangataka sabatra i Solomona, rehefa avy nihaino ny adihevitr’ireo vehivavy. Nasehony ho toy ny vonona hanao zavatra mihitsy izy, ka nasainy nozaraina roa ilay zaza, ka homena antsasany avy izy roa vavy. Niangavy haingana ilay tena reniny mba homena an’ilay vehivavy iray ilay zanany malalany. Nasain’ilay vehivavy iray hozaraina roa ihany anefa ilay zaza. Fantatr’i Solomona izao ny tena marina. Fantany ny fitiavan’ny reny ny zanany naterany, ka nampiasainy izany fahalalana izany mba handaminana ilay ady. Afa-po tokoa ilay tena reny rehefa nomen’i Solomona azy ny zanany, ka hoy i Solomona hoe: “Io no reniny.”​—1 Mpanjaka 3:16-27.

3 Hafakely izany raha fahendrena! Natahotra ny olona rehefa nandre ny fomba nandaminan’i Solomona an’ilay raharaha, “hitan’izy ireo mantsy fa nomen’Andriamanitra fahendrena izy.” Fanomezana avy tamin’Andriamanitra ny fahendren’i Solomona. Nomen’i Jehovah “fo hendry sy fahaiza-misaina” izy. (1 Mpanjaka 3:12, 28) Ary isika? Afaka mahazo ny fahendren’Andriamanitra koa ve isika? Eny, satria nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao i Solomona: “I Jehovah mihitsy no manome fahendrena.” (Ohabolana 2:6) Nampanantena hanome fahendrena ho an’ireo tena mitady azy io i Jehovah. Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa tsara ny fahalalana sy fahatakarana ary fahaiza-manavaka. Ahoana no ahazoantsika ny fahendrena avy any ambony? Ary ahoana no ahitana izany eo amin’ny fiainantsika?

“Miezaha hanana fahendrena”

4-7. Inona avy ireo zavatra efatra ilaina mba hahazoana fahendrena?

4 Tsy maintsy ho kinga saina be na nahita fianarana ve vao mahazo ny fahendren’Andriamanitra? Tsia. Vonona hanome ny fahendreny ho antsika i Jehovah, fa tsy mampaninona azy izay fiaviantsika sy fianarana vitantsika. (1 Korintianina 1:26-29) Tsy maintsy manao zavatra anefa isika, satria mampirisika antsika ny Baiboly hoe “miezaha hanana fahendrena.” (Ohabolana 4:7) Ahoana no anaovantsika izany?

5 Voalohany, tokony hatahotra an’Andriamanitra isika. Milaza ny Ohabolana 9:10 hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena.” Ny tahotra an’Andriamanitra no dingana voalohany, na fototry ny tena fahendrena. Nahoana? Tadidio fa fahaizana mampiasa tsara ny fahalalana no atao hoe fahendrena. Tsy hoe mipararetra eo anatrehan’i Jehovah akory ny hoe matahotra azy, fa manaja sy matoky azy kosa. Tsara io tahotra io ary mahatonga antsika hanao zavatra tsara. Izy io no mahatonga antsika hiaina mifanaraka amin’ny fahalalantsika ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fomba fiasany. Tsy misy zavatra feno fahendrena kokoa noho izany, satria mahasoa foana an’izay manaraka azy ny fitsipik’i Jehovah.

6 Faharoa, tsy maintsy manetry tena isika. Tsy maintsy miaraka foana ny fahendren’Andriamanitra sy ny fanetren-tena. (Ohabolana 11:2) Nahoana? Raha manetry tena isika, dia vonona hanaiky fa tsy voatery ho haintsika ny zava-drehetra, tsy voatery ho marina foana isika, ary mila mahafantatra ny hevitr’i Jehovah isika. “Manohitra ny olona manambony tena” i Jehovah, fa faly kosa manome fahendrena an’ireo manetry tena.​—Jakoba 4:6.

7 Zavatra fahatelo tena ilaina ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Hita ao amin’izy io ny fahendren’i Jehovah. Tsy maintsy miezaka mikaroka isika, raha te hahazo an’io fahendrena io. (Ohabolana 2:1-5) Zavatra ilaina fahefatra ny vavaka. Hanome fahendrena be antsika i Jehovah, raha mangataka amim-pahatsorana isika. (Jakoba 1:5) Hanome ny fanahiny izy, raha mangataka izany isika. Io fanahiny io no manampy antsika hahita ny harena ao amin’ny Teniny, izay afaka manampy antsika hamaha olana, hanalavitra loza, ary handray fanapahan-kevitra feno fahendrena.​—Lioka 11:13.

Tsy maintsy miezaka mikaroka isika, raha te hahazo ny fahendren’Andriamanitra

8. Ahoana no ahitana raha tena manana ny fahendren’Andriamanitra isika?

8 Hitantsika tao amin’ny Toko 17 fa mahasoa ny fahendren’i Jehovah. Ho hita eo amin’ny fitondran-tenantsika àry raha manana ny fahendren’Andriamanitra isika. Izao no nolazain’i Jakoba fa vokatry ny fahendren’Andriamanitra: “Ny fahendrena avy any ambony ... madio aloha, dia avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy manao ny tsara, tsy manavakavaka, ary tsy mihatsaravelatsihy.” (Jakoba 3:17) Afaka manontany tena toy izao isika, eo am-pamakafakana ireo lafiny amin’ny fahendren’Andriamanitra ireo: ‘Hita amin’ny fiainako ve ny fahendrena avy any ambony?’

“Madio aloha, dia avy eo tia fihavanana”

9. Inona no dikan’ny hoe madio, ary nahoana no mety ny hanononana azy voalohany ho lafiny mampiavaka ny fahendrena?

9 “Madio aloha.” Ny hoe madio dia midika hoe tsy misy fangarony, tsy misy loto, tsy ivelany fotsiny fa anatiny koa. Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fo ny fahendrena. Tsy afaka hisy ao amin’ny fo voaloton’ny eritreri-dratsy na fanirian-dratsy kosa ny fahendrena avy any an-danitra. (Ohabolana 2:10; Matio 15:19, 20) ‘Tsy hanao ratsy intsony’ isika fa ‘hanao ny tsara’ kosa, raha manao izay azo atao mba hanana fo madio araka izay mety ho vitan’ny olona tsy lavorary. (Salamo 37:27; Ohabolana 3:7) Mety tokoa raha ny fahadiovana no nolazaina voalohany fa lafiny mampiavaka ny fahendrena. Raha tsy madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy tokoa isika, ahoana no anehoantsika ireo lafiny hafa mampiavaka ny fahendrena avy any ambony?

10, 11. a) Nahoana no tokony ho tia fihavanana isika? b) Raha nisy mpiara-manompo sosotra taminao, ahoana no ampisehoanao fa tia fihavanana ianao? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

10 “Avy eo tia fihavanana.” Mahatonga antsika ho tia fihavanana, na fiadanana, ny fahendrena avy any an-danitra, ary anisan’ny vokatry ny fanahy izy io. (Galatianina 5:22) Miezaka isika mba tsy hanapaka ny ‘fihavanana’ mampiray ny vahoakan’i Jehovah. (Efesianina 4:3) Manao izay azontsika atao koa isika mba hamitranam-pihavanana, raha simba izany. Nahoana no tena ilaina izany? Hoy ny Baiboly: “Miezaha foana ... hihavana tsara. Hitahy anareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!” (2 Korintianina 13:11) Hiaro antsika foana ilay Andriamanitry ny fihavanana, raha tia fihavanana isika. Misy akony mivantana amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fomba itondrantsika ny mpiara-manompo amintsika. Ahoana no ahitana fa tia fihavanana isika? Indro misy ohatra.

11 Inona no tokony hataonao raha nisy mpiara-manompo sosotra taminao? Hoy i Jesosy: “Raha mitondra fanomezana mankeny amin’ny alitara àry ianao, ka eny ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ilay fanomezanao, ary mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Miverena avy eo, dia atolory ilay fanomezanao.” (Matio 5:23, 24) Mampihatra izany ianao, raha manatona an’ilay rahalahinao. Inona no zava-kendrenao amin’izay? Ny ‘hihavana’ aminy. b Tsy maintsy ekenao àry, fa tsy lavinao, hoe voadona ny fihetseham-pony. Azo inoana fa hisava ny tsy fifankahazoan-kevitra, hisy fialan-tsiny hatao, ary hisy famelan-keloka, raha ny hamitram-pihavanana no kendrenao sy tadidinao. Hita fa tarihin’ny fahendren’Andriamanitra ianao, raha miezaka hamitram-pihavanana, na dia tsy mora aza izany.

“Mahay mandanjalanja, vonona hankatò”

12, 13. a) Inona no dikan’ilay hoe “mahay mandanjalanja” ao amin’ny Jakoba 3:17? b) Ahoana no azontsika anehoana fa mandefitra isika?

12 “Mahay mandanjalanja.” Inona no dikan’ny hoe mahay mandanjalanja? Milaza ireo manam-pahaizana fa sarotra adika ilay teny grika nadika hoe “mahay mandanjalanja”, ao amin’ny Jakoba 3:17. Midika koa izy io hoe mandefitra. Nisy nandika koa izy io hoe “malemy fanahy”, “manam-paharetana”, ary “tsara fanahy.” Ahoana no ahitana fa misy an’io lafiny amin’ny fahendrena avy any ambony io ny fiainantsika?

13 “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo” hoy ny Filipianina 4:5. Hoy ny fandikan-teny hafa: “Miezaha halaza ho mahay mandanjalanja.” (Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Anglisy Maoderina, J. Phillips) Mariho fa tsy ny fomba fijerintsika antsika no zava-dehibe, fa ny fomba fijerin’ny olona antsika sy ny ahafantaran’izy ireny antsika. Tsy manizingizina ny hanarahana ara-bakiteny ny lalàna na hanaovana zavatra araka izay tiany foana ny olona mandefitra. Vonona hihaino kosa izy, ary mampandefitra ny faniriany, rehefa mety izany. Tsara fanahy amin’ny olona koa izy, fa tsy masiaka. Tokony haneho izany ny Kristianina rehetra, indrindra fa ny anti-panahy. Mora hatonina ny anti-panahy raha tsara fanahy. (1 Tesalonianina 2:7, 8) Tsara raha manontany tena isika hoe: ‘Malaza ho be fiheverana sy tsy hentitra loatra ary tsara fanahy ve aho?’

14. Ahoana no ampisehoantsika fa “vonona hankatò” isika?

14 “Vonona hankatò.” Eto ihany no ahitana ilay teny grika nadika hoe “vonona hankatò”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. ‘Matetika io teny io no ampiasaina mba hilazana miaramila vonona hankatò’, hoy ny manam-pahaizana iray. Ny dikan’izy io dia hoe “mora resy lahatra”, “manaiky.” Manaiky avy hatrany izay lazain’ny Soratra Masina ireo fehezin’ny fahendrena avy any ambony. Tsy mba olona mpiziriziry amin’ny heviny izy. Na dia efa nanapa-kevitra aza izy dia tsy hoe tsy manaiky hiova hevitra intsony. Vonona hiova haingana kosa izy rehefa misy porofo mazava araka ny Soratra Masina fa diso hevitra izy. Toy izany ve no ahafantaran’ny olona anao?

“Be famindram-po sy manao ny tsara”

15. Inona no atao hoe “famindram-po”, ary nahoana no mety ny nampiarahana azy io amin’ny hoe “manao ny tsara” ao amin’ny Jakoba 3:17?

15 “Be famindram-po sy manao ny tsara.” Lafiny lehibe mampiavaka ny fahendrena avy any ambony ny famindram-po, satria lazaina hoe “be famindram-po” izy io. Mariho fa ampiarahina ny “famindram-po” sy ny hoe “manao ny tsara.” Mety izany, satria matetika no lazain’ny Baiboly fa ny hoe famindram-po dia fiahiana olona aseho amin’ny zavatra atao, ary fangorahana miteraka asa feno hatsaram-panahy. Milaza ny boky iray fa mamindra fo ny olona iray rehefa “malahelo ny toe-javatra ratsy manjo ny olona hafa ary manjary maniry hanao zavatra momba izany.” Tsy hoe te hahafantatra ny zava-mitranga fotsiny àry ny hoe manana ny fahendren’Andriamanitra fa miahy ny olona sy tsara fanahy kosa. Ahoana no anehoantsika fa be famindram-po isika?

16, 17. a) Inona koa, ankoatra ny fitiavana an’Andriamanitra, no mahatonga antsika hitory, ary nahoana? b) Ahoana avy no anehoantsika fa be famindram-po isika?

16 Fomba lehibe hanaovana izany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana isika no manao io asa io? Voalohany, satria tia an’Andriamanitra isika. Mamindra fo, na miantra ny olona koa anefa isika. (Matio 22:37-39) Maro ankehitriny no ‘ampijalina sady tsy misy miraharaha hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.’ (Matio 9:36) Tsy niraharaha sy nanajamba ara-panahy azy ireo ny mpiandrin’ny fivavahan-diso. Tsy fantatr’izy ireo àry ny tari-dalana feno fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fitahiana harotsak’ilay Fanjakana tsy ho ela eto an-tany. Rehefa mieritreritra ny zavatra ara-panahy ilain’ireo manodidina antsika àry isika, dia manjary mangoraka azy ireo ka manao izay azontsika atao mba hiresahana aminy ny fikasan’i Jehovah.

Mampiseho ny “fahendrena avy any ambony” isika, rehefa mamindra fo na miantra olona

17 Ahoana koa no anehoantsika fa be famindram-po isika? Tadidio ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina nahita ilay olona nitsirara teo amoron-dalana, satria nisy nandroba sy nikapoka. Namindra fo sy “niantra” azy io ilay Samaritanina, ka namehy ny feriny sy nikarakara azy. (Lioka 10:29-37) Tsy mampiseho ve izany fa manampy an’ireo mila fanampiana ny olona mamindra fo? Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Galatianina 6:10) Ireto, ohatra, no azo anehoana izany: Mety hila fitaterana mba handehanana hivory ny mpiray finoana be taona. Mety hila olona hanamboatra ny tranony ny anabavy iray maty vady. (Jakoba 1:27) Mety hila “teny mampahery” ny rahalahy na anabavy iray kivy, mba hampitraka azy. (Ohabolana 12:25) Hita amin’ny fiainantsika ilay fahendrena avy any ambony, rehefa mamindra fo toy izany isika.

“Tsy manavakavaka, ary tsy mihatsaravelatsihy”

18. Inona no tsy maintsy iezahantsika esorina ao am-pontsika raha tarihin’ny fahendrena avy any ambony isika, ary nahoana?

18 “Tsy manavakavaka.” Tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy firenena ny fahendren’Andriamanitra. Hiezaka mafy hanala ao am-pontsika izay mety ho faniriana hiangatra isika, raha tarihin’io fahendrena io. (Jakoba 2:9) Tsy manavaka isika, na dia samy hafa aza ny fianarana azon’ny olona, ny fananany, ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana. Tsy manambany an’ireo mpiara-manompo koa isika, na dia mety hoheverina ho ambany aza izy ireny. Raha mihevitra i Jehovah hoe mendrika ny fitiavany ireny olona ireny, dia tokony hampiseho ny fitiavantsika azy ireo koa isika.

19, 20. a) Hazavao ny niavian’ilay teny grika nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” b) Ahoana no anehoantsika “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy”, ary nahoana izany no tena ilaina?

19 “Tsy mihatsaravelatsihy.” Mety hanondro “mpilalao tantara” ny teny grika nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” Nanao saron-tava lehibe ireo mpilalao tantara grika sy romanina fahiny. Nanjary nanondro an’ireo manafin-kilema na tsy mampiseho ny tena toetrany àry ny teny grika nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” Mahakasika ny fomba itondrantsika sy fiheverantsika ny mpiara-manompo amintsika io lafiny amin’ny fahendren’Andriamanitra io.

20 Nilaza ny apostoly Petera fa ‘mankatò ny fahamarinana’ isika rehefa mampiseho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.” (1 Petera 1:22) Tsy endrika ivelany fotsiny ny fitiavantsika ny rahalahintsika. Tsy manao saron-tava na milalao tantara mba hamitahana olona isika. Tena izy sy avy ao am-po ny fitiavantsika. Hatoky antsika ny mpiray finoana amintsika raha manao izany isika, satria fantany hoe tena tsotra isika. Ho mpinamana be amin’ny mpiara-manompo isika raha manao an’izany ary hahatsiaro ho tsy manana ahiahy ny rehetra eo anivon’ny fiangonana.

“Arovy ny fahendrena”

21, 22. a) Nahoana no nanjary tsy niaro ny fahendrena intsony i Solomona? b) Ahoana no iarovantsika ny fahendrena, ary inona avy no soa ho azontsika avy amin’izany?

21 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fahendrena, ka tokony harovana. Hoy i Solomona: ‘Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina, anaka.’ (Ohabolana 3:21) Mampalahelo fa tsy nanatanteraka izany na dia i Solomona aza. Hendry foana izy rehefa nanana fo mankatò. Navilin’ireo vadiny hafa firenena anefa ny fony, ka tsy nanaraka ny fivavahana madio tamin’i Jehovah intsony izy. (1 Mpanjaka 11:1-8) Hita avy amin’ny niafaran’i Solomona fa tsy misy vidiny ny fahalalana raha tsy ampiasaina tsara.

22 Ahoana no hiarovantsika ny tena fahendrena? Tsy maintsy mamaky tsy tapaka ny Baiboly sy ireo boky miorina amin’ny Baiboly navoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” isika, ary tsy maintsy miezaka mafy mampihatra izay ianarantsika. (Matio 24:45) Tena tokony hampiseho ny fahendren’Andriamanitra isika. Izy io no hahatsara kokoa ny fomba fiainantsika dieny izao. Izy io koa no hahafahantsika hahazo ny “tena fiainana”, dia ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Zava-dehibe indrindra koa ny hoe mampifandray antsika kokoa amin’i Jehovah Andriamanitra, loharanon’ny fahendrena rehetra, ny fanehoana fahendrena avy any ambony.

a “Mpivaro-tena” izy ireo, araka ny 1 Mpanjaka 3:16. Hoy ny Fandalinana ny Soratra Masina: “Tsy asa fiveloman’izy roa vavy angamba ny fivarotan-tena, fa mety ho nijangajanga izy ireo. Mety ho Jiosy izy ireo, nefa azo inoana kokoa hoe vehivavy hafa firenena.”​—Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

b Ilay teny grika nadika hoe “mihavana”, dia midika hoe “tsy mpifahavalo intsony fa mpinamana indray; tsy miady intsony; miverina amin’ny laoniny indray ny fifandraisana.” Ny zava-kendrenao àry dia ny hanisy fiovana, hanala ny lonilony ao am-pon’ilay sosotra, raha azo atao.​—Romanina 12:18.