Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 19

“Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ny Zava-miafina Masina”

“Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ny Zava-miafina Masina”

1, 2. Momba ny inona ilay “zava-miafina masina” tokony hahaliana antsika, ary nahoana?

 ZAVA-MIAFINA! Matetika no tsy voatanan’ny olona ny tsiambaratelo, satria manitikitika ny saina, tena mahaliana. Hoy anefa ny Baiboly: “Voninahitra ho an’Andriamanitra ny mitazona tsiambaratelo.” (Ohabolana 25:2) Mpitondra Fara Tampony sy Mpamorona i Jehovah, ka manan-jo tsy hilaza zavatra sasany amin’ny olona, raha tsy tonga ny fotoana tokony hilazana izany.

2 Misy tsiambaratelo manitikitika ny saina sy tena mahaliana anefa nampahafantarin’i Jehovah ao amin’ny Teniny. Antsoina hoe “zava-miafina masina momba ny [sitrapon’Andriamanitra]” izy io. (Efesianina 1:9) Tena hahafinaritra anao ny hianatra momba azy io. Mety hamonjy anao sy hahitanao taratry ny fahendrena tsy manam-paharoa ananan’i Jehovah koa ny fahalalana an’io zava-miafina io.

Nampahafantarina tsikelikely

3, 4. Nahoana ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 no mahavelom-panantenana, ary inona ilay “zava-miafina masina” raketin’izy io?

3 Mety ho toa rava ny fikasan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa honenan’ny olona lavorary, rehefa nanota i Adama sy Eva. Nanome vahaolana avy hatrany anefa Andriamanitra. Hoy izy: “Hataoko mifandrafy ianao sy ilay vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Izy hanorotoro ny lohanao, fa ianao kosa handratra ny voditongony.”​—Genesisy 3:15.

4 Saro-pantarina ny dikan’ireo teny ireo. Iza ilay vehivavy? Ilay menarana? Ilay ‘taranaka’ hanorotoro ny lohan’ilay menarana? Tsy fantatr’i Adama sy Eva izany. Nanome fanantenana ny zanak’i Adama sy Eva izay tsy mivadika amin’i Jehovah anefa ireo teny ireo. Matoky izy ireo hoe hesorin’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra sy ny ota ary ny fahafatesana, dia ho tanteraka ny fikasany. Amin’ny fomba ahoana anefa? Mbola zava-niafina izany! Nilaza ny Baiboly fa izy io dia “fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina, izany hoe ilay fahendrena nafenina.”​—1 Korintianina 2:7.

5. Hazavao hoe nahoana i Jehovah no nampahafantatra tsikelikely ny zava-miafina.

5 “Mpampiharihary zava-miafina” i Jehovah, ka hampahafantariny tsikelikely ireo tsipirian’io zava-miafina io. (Daniela 2:28) Indro misy fanoharana: Mety hanontany ny rainy, ohatra, ny ankizilahy iray hoe: ‘Ahoana no nampisy ahy, ry Dada?’ Raha hendry ilay ray, dia ny zavatra mety ho azon’ilay zanany ihany no hohazavainy. Hanazava zavatra maro kokoa izy, rehefa mihalehibe ilay zaza. Fantarin’i Jehovah toy izany koa hoe rahoviana ny vahoakany no vonona handray ny fampahafantarana ny sitrapony sy ny fikasany.​—Ohabolana 4:18; Daniela 12:4.

6. a) Inona no ilana fifanekena? b) Nahoana no zava-dehibe ny nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’ny olona?

6 Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah izany? Nanao fifanekena maromaro izy. Efa nanao fifanekena angamba ianao, ohatra, rehefa hisambotra, na hampisambo-bola, na hividy fiara. Io fifanekena io no antoka ara-dalàna fa hotanterahina ireo zavatra voalaza. Nahoana anefa i Jehovah no mila manao fifanekena amin’ny olona? Marina fa efa antoka hahatanteraka ny fampanantenany ny teniny. Matetika anefa Andriamanitra no nanamafy ny teniny tamin’ny alalan’ny fifanekena ara-dalàna. Vao mainka manome antoka mafy kokoa ho antsika olona tsy lavorary ireny fifanekena ireny fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah.​—Hebreo 6:16-18.

Fifanekena tamin’i Abrahama

7, 8. a) Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama, ka nahafantarana sombin’ilay zava-miafina masina? b) Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah tsikelikely ny razamben’ilay taranaka nampanantenaina?

7 Nilaza toy izao tamin’i Abrahama mpanompony tsy nivadika i Jehovah, roa arivo taona mahery taorian’ny nandroahana ny olona tao amin’ny Paradisa: “Tena hataoko lasa be dia be ny taranakao, hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ... Ary hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany, satria nihaino ny teniko ianao.” (Genesisy 22:17, 18) Tsy fampanantenana fotsiny izany fa nataon’i Jehovah toy ny fifanekena ara-dalàna sady nohamafisiny tamin’ny alalan’ny fianianana. (Genesisy 17:1, 2; Hebreo 6:13-15) Tena zava-dehibe ny hoe nanao fifanekena hitahy ny olombelona ilay Tompo Fara Tampony!

“Hataoko lasa be dia be ny taranakao, hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra”

8 Nasehon’ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama fa ho olombelona ilay taranaka nampanantenaina, ary hipoitra avy amin’i Abrahama. Iza anefa izy io? Nasehon’i Jehovah tatỳ aoriana fa i Isaka zanak’i Abrahama no ho razamben’ilay taranaka. I Jakoba indray no voafidy ho razamben’izy io tamin’ireo zanak’Isaka roa lahy. (Genesisy 21:12; 28:13, 14) Nilaza ireto faminaniana ireto tamin’ny iray tamin’ireo zanany 12 lahy i Jakoba, tatỳ aoriana: “Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana, ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo [na: “Izy no Tompony,” f.a.p.]. Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.” (Genesisy 49:10) Fantatra tamin’izay fa ho mpanjaka ilay taranaka, ary taranak’i Joda!

Fifanekena tamin’ny Israely

9, 10. a) Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Israely, ary niaro tamin’ny inona izany? b) Ahoana no nanasongadinan’ny Lalàna fa mila vidim-panavotana ny olombelona?

9 Nataon’i Jehovah izay hampahafantarana tsara kokoa an’ilay zava-miafina masina, tamin’ny 1513 T.K. Nanao fifanekena tamin’ny firenen’Israely, taranak’i Abrahama, izy. Tapany lehibe tamin’ny fikasan’i Jehovah momba ilay taranaka ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy, na dia tsy manan-kery intsony aza. Nahoana moa? Misy antony telo. Voalohany, dia toy ny rindrina fiarovana ny Lalàna. (Efesianina 2:14) Nanakana ny Jiosy sy ny hafa firenena tsy hifangaro izy io, mba tsy hahasimba ilay razambe hiavian’ilay taranaka. Noho io fiarovana io no mbola nisian’ilay firenena, rehefa tonga ny fotoana noferan’Andriamanitra hahaterahan’ny Mesia teo amin’ny fokon’i Joda.

10 Faharoa, nasongadin’ny Lalàna fa mila vidim-panavotana ny olona. Lavorary izy io, ka nampiseho fa tsy vitan’ny olona ny nanaraka azy tanteraka. Natao “mba hampibaribary ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka nanaovana an’ilay fampanantenana” àry izy io. (Galatianina 3:19) Tsy afaka nanarona tanteraka ny fahotana ny sorona biby nasaina nataon’ny Israelita. Nilaza i Paoly fa “tsy mahavita manala ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.” Nifanitsy tamin’ny sorom-panavotan’i Kristy fotsiny izy ireny. (Hebreo 10:1-4) Lasa ‘mpitaiza nitarika ho amin’i Kristy’ àry ny Lalàna, ho an’ireo Jiosy tsy mivadika.​—Galatianina 3:24.

11. Afaka nanantena ho lasa inona ny Israely, araka ny fifaneken’ny Lalàna, nefa nahoana no tsy azon’ilay firenena izany?

11 Fahatelo, nahavelom-panantenana ny Israely ilay fifanekena. Nilaza tamin’izy ireo i Jehovah fa ho “mpanjaka sy mpisorona ary firenena masina” ho azy izy ireo, raha nanaja an’ilay fifanekena. (Eksodosy 19:5, 6) Avy tamin’io firenena io tokoa ny olona voalohany ho lasa mpanjaka sady mpisorona any an-danitra. Tsy nanaraka an’ilay fifaneken’ny Lalàna anefa ilay firenena tamin’ny ankapobeny fa nanda an’ilay Mesia taranaka, ka very io fanantenana io. Iza àry no hofidin’i Jehovah mba ho lasa mpanjaka sy mpisorona? Ary inona no ifandraisan’izy ireo amin’ilay taranaka? Ho fantatra amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra ireo lafiny amin’ilay zava-miafina masina ireo.

Fifanekena ny amin’ny fanjakan’i Davida

12. Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida, ary inona no ifandraisan’izany amin’ilay zava-miafina masina?

12 Nampahafantarin’i Jehovah tsara kokoa ilay zava-miafina masina, rehefa nanao fifanekena hafa indray izy, tamin’ny taonjato faha-11 T.K. Hoy izy tamin’i Davida Mpanjaka tsy mivadika: “Hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, ... ary hataoko mafy orina ny fanjakany. ... Hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.” (2 Samoela 7:12, 13; Salamo 89:3) Ho zanak’i Davida àry ilay taranaka. Hisy olona ho afaka hanjaka mandrakizay ve anefa? (Salamo 89:20, 29, 34-36) Ary ho afaka hanavotra ny olona amin’ny ota sy fahafatesana ve izany mpanjaka izany?

13, 14. a) Inona no fifanekena ataon’i Jehovah amin’ilay Mpanjaka voahosony, araka ny Salamo 110? b) Inona koa no nolazain’ireo mpaminanin’i Jehovah momba ilay taranaka?

13 Nasain’i Jehovah nanoratra toy izao i Davida: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Nianiana i Jehovah ary tsy hiova hevitra. Hoy izy: ‘Mpisorona mandrakizay ianao, hoatran’i Melkizedeka!’” (Salamo 110:1, 4) Nihatra tamin’ilay taranaka nampanantenaina, na Mesia, ny tenin’i Davida. (Asan’ny Apostoly 2:35, 36) Avy any an-danitra, eo ‘ankavanan’i Jehovah’, no hitondran’ilay Mpanjaka, fa tsy avy any Jerosalema. Tsy ny tanin’ny Israely ihany àry no hanjakany, fa ny tany manontolo. (Salamo 2:6-8) Misy zavatra hafa koa fantatra eto. Mariho fa nianiana i Jehovah hoe ho ‘mpisorona hoatran’i Melkizedeka’ ilay Mesia. Sady mpanjaka no mpisorona tamin’ny andron’i Abrahama i Melkizedeka. Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka sady Mpisorona koa ilay taranaka!​—Genesisy 14:17-20.

14 Nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’ireo mpaminany nifandimby ilay zava-miafina masina. Nilaza, ohatra, i Isaia fa ho faty hatao sorona ilay taranaka. (Isaia 53:3-12) Efa nolazain’i Mika ny toerana hahaterahan’izy io. (Mika 5:2) Efa nambaran’i Daniela mihitsy ny fotoana hisehoan’ilay taranaka sy hahafatesany.​—Daniela 9:24-27.

Fantatra ilay zava-miafina masina!

15, 16. a) Ahoana no nahatonga ny Zanak’i Jehovah ho “natera-behivavy”? b) Inona no nolovan’i Jesosy tamin’ny ray aman-dreniny, ary oviana izy no lasa taranaka nampanantenaina?

15 Zava-miafina ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo, mandra-pahatongan’ilay taranaka. Hoy ny Galatianina 4:4: “Rehefa tapitra ilay fotoana, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, izay natera-behivavy.” Nilaza toy izao tamin’i Maria, virjiny jiosy, ny anjely iray, tamin’ny 2 T.K.: “Ho bevohoka ianao dia hiteraka zazalahy, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany. Hiavaka izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary homen’i Jehovah Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. ... Ho tonga aminao ny fanahy masina ary hanarona anao ny herin’ny Avo Indrindra. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.”​—Lioka 1:31, 32, 35.

16 Nafindran’i Jehovah ho ao an-kibon’i Maria ny ain’ilay Zanany tany an-danitra, ka nanjary nateraky ny vehivavy izy io. Olona tsy lavorary i Maria, nefa tsy nandova tsy fahalavorariana avy taminy i Jesosy, satria “Zanak’Andriamanitra.” Nisy zavatra nolovan’i Jesosy tamin’ny ray aman-dreniny anefa. Taranak’i Davida ireo ray aman-drenin’i Jesosy, dia lasa nanan-jo ho mpandova an’i Davida izy. (Asan’ny Apostoly 13:22, 23) Nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina i Jesosy tamin’ny taona 29, sady hoy Izy: “Io no Zanako malalako.” (Matio 3:16, 17) Tonga ilay taranaka rehefa ela ny ela! (Galatianina 3:16) Fotoana hampahafantarana bebe kokoa an’ilay zava-miafina masina tamin’izay.​—2 Timoty 1:10.

17. Ahoana no nahafantarana ny dikan’ny Genesisy 3:15?

17 Nampahafantarin’i Jesosy nandritra ny fanompoany, fa i Satana ilay menarana nolazain’ny Genesisy 3:15, ary ireo mpanara-dia an’i Satana no taranak’ilay menarana. (Matio 23:33; Jaona 8:44) Fantatra tatỳ aoriana fa horinganina mandrakizay ireo. (Apokalypsy 20:1-3, 10, 15) Fantatra koa fa i “Jerosalema any ambony” ilay vehivavy. Ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah izy io, izany hoe ireo anjely tsy mivadika, ary oharina amin’ny vadin’Andriamanitra. a​—Galatianina 4:26; Apokalypsy 12:1-6.

Fifanekena vaovao

18. Inona no zava-kendren’ny “fifanekena vaovao”?

18 Ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy angamba no tena nazava indrindra ilay zava-miafina, rehefa niresaka ny momba ilay “fifanekena vaovao” tamin’ny mpianany izy. (Lioka 22:20) Hoatran’ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy ihany, dia misy zava-kendrena io fifanekena vaovao io, dia hoe hisy olona ho lasa “mpanjaka sy mpisorona.” (Eksodosy 19:6; 1 Petera 2:9) Tsy firenena ara-bakiteny anefa izany, fa ara-panahy, na “Israelin’Andriamanitra”, ka mpanara-dia an’i Kristy voahosotra sy tsy mivadika ihany no anisan’izy io. (Galatianina 6:16) Hiara-miasa amin’i Jesosy ireo Kristianina voahosotra ireo, ary handrotsaka fitahiana ho an’ny olombelona tsy mivadika etỳ an-tany!

19. a) Ahoana no hetezan’ny hoe hisy olona ho lasa mpanjaka sady mpisorona noho ilay fifanekena vaovao? b) Nahoana no antsoina hoe “zavaboary vaovao” ireo Kristianina voahosotra, ary firy no isan’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra?

19 Hisy olona ho lasa mpanjaka sady mpisorona noho io fifanekena vaovao io. Ahoana no hetezan’izany? Tsy hanameloka ny mpianatr’i Kristy ho mpanota mantsy izy io, fa hahafahana hamela ny helok’izy ireo amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy, kosa. (Jeremia 31:31-34) Heverin’i Jehovah ho marina, tsy misy ota, àry izy ireo dia hatsangany ho anisan’ny fianakaviany any an-danitra ary hosorany fanahy masina. (Romanina 8:15-17; 2 Korintianina 1:21) ‘Ateraka indray’ izy ireo, ‘dia lasa manana fanantenana velona voatahiry any an-danitra.’ (1 Petera 1:3, 4) Mbola tsy nisy olona nomem-boninahitra toy izany mihitsy, ka manjary antsoina hoe “zavaboary vaovao” ireo Kristianina voahosotra nateraky ny fanahy. (2 Korintianina 5:17) Lazain’ny Baiboly hoe 144 000 ny isan’ireo hanjaka avy any an-danitra.​—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4.

20. a) Inona no nampahafantarina momba ilay zava-miafina masina tamin’ny taona 36? b) Iza avy no hahazo ny fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama?

20 Lasa “taranak’i Abrahama” toa an’i Kristy ireo voahosotra ireo. b (Galatianina 3:29) Jiosy ireo voalohany nofidina. Nampahafantarina tamin’ny taona 36 anefa ny lafiny hafa amin’ilay zava-miafina masina: Nisy hafa firenena, izany hoe tsy Jiosy ho anisan’ny ho any an-danitra. (Romanina 9:6-8; 11:25, 26; Efesianina 3:5, 6) Ny voahosotra ihany ve no hahazo ny fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama? Tsia, satria ho an’ny olona rehetra ny soron’i Jesosy. (1 Jaona 2:2) Nolazain’i Jehovah tatỳ aoriana fa hisy “vahoaka be” tsy ho faty amin’ny faran’ity tontolon’i Satana ity. (Apokalypsy 7:9, 14) Hisy maro hafa koa hatsangana amin’ny maty ary ho afaka hanantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa!​—Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 20:11-15; 21:3, 4.

Ny fahendren’Andriamanitra sy ilay zava-miafina masina

21, 22. Nahoana ny zava-miafina masin’Andriamanitra no mampiseho ny fahendreny?

21 Fomba iray mahavariana isehoan’ny fahendren’Andriamanitra, izay “miseho amin’ny fomba isan-karazany”, ilay zava-miafina masina. (Efesianina 3:8-10) Fahendrena tokoa no nasehon’i Jehovah rehefa nanao io zava-miafina io sy nampahafantatra azy io tsikelikely! Mpamorona hendry izy dia fantany hoe voafetra ny zavatra takatry ny sain’ny olona ka nampahafantariny tsikelikely ilay zava-miafina. Amin’izay koa izy ireo afaka mampiseho hoe matoky azy na tsia.​—Salamo 103:14.

22 Naneho fahendrena tsy manam-paharoa koa i Jehovah rehefa nifidy an’i Jesosy ho Mpanjaka. Azo itokisana noho izay zavaboary hafa rehetra ilay Zanak’i Jehovah. Nahita fahoriana isan-karazany i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Fantany tsara ny zava-manahirana ny olombelona. (Hebreo 5:7-9) Ary ireo miara-manjaka aminy? Lehilahy sy vehivavy avy amin’ny foko sy fiteny ary fiaviana samihafa no nanjary voahosotra, nandritra ny taonjato maro. Efa niatrika olana mitovy amin’ny antsika izy ireo, ary vitany ny nandresy an’izany. (Efesianina 4:22-24) Hahafinaritra ny ho vahoakan’ireo mpanjaka sy mpisorona be famindram-po ireo!

23. Nahoana no tombontsoa ho an’ny Kristianina ny mahafantatra momba ilay zava-miafina masina, ary inona no tokony hataontsika?

23 Hoy ny apostoly Paoly: ‘Efa naharihary tamin’ny olony masina ilay zava-miafina masina nafenina efa hatramin’ny fotoana nisian’izao tontolo izao sy hatramin’ireo taranaka tany aloha.’ (Kolosianina 1:26) Nanjary nahafantatra zavatra betsaka momba ilay zava-miafina masina ireo olo-masina voahosotr’i Jehovah, ka noresahin’izy ireo tamin’ny olona an-tapitrisany izany. Tombontsoa tokoa ny antsika! Nampahafantarin’i Jehovah antsika “ilay zava-miafina masina momba ny sitrapony.” (Efesianina 1:9) Andeha horesahintsika amin’ny olona io zava-miafina hafakely io, mba hanampiana azy ireo koa hahita ilay fahendrena tsy manam-paharoa ananan’i Jehovah Andriamanitra!

a Nampahafantarina tamin’ny alalan’i Jesosy koa “ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (1 Timoty 3:16) Zava-miafina nandritra ny taona maro ilay hoe hisy olona hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy ve sa tsia. Lasa fantatra izany rehefa teo i Jesosy. Tsy nivadika mihitsy izy, tao anatin’ireo fitsapana rehetra nataon’i Satana.​—Matio 4:1-11; 27:26-50.

b Nanao “fifanekena momba ny fanjakana” tamin’ireo olona ireo koa i Jesosy. (Lioka 22:29, 30) Nanao fifanekena tamin’ny “ondry vitsy” izy, mba hahatonga azy ireo ho mpanjaka any an-danitra sy ho anisan’ny taranak’i Abrahama koa.​—Lioka 12:32.