Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 28

“Ianao Irery Ihany ... no Tsy Mivadika”

“Ianao Irery Ihany ... no Tsy Mivadika”

1, 2. Nahoana no azo lazaina fa nahafantatra tsara ny atao hoe mivadika i Davida Mpanjaka?

 NAHAFANTATRA tsara ny atao hoe mivadika i Davida Mpanjaka. Nanao teti-dratsy ny mpiray tanindrazana taminy mba hanonganana ny fanjakany, izay efa nikorontana. Namadika azy koa ny sasany tamin’ireo namany akaiky. Anisan’izany i Mikala, vadiny voalohany. “Raiki-pitia tamin’i Davida” izy tamin’ny voalohany, ary azo inoana fa nanohana azy teo amin’ny fanjakany. Nanjary “nanambany azy tao am-pony” anefa izy, ka nihevitra azy ho ‘hoatran’ireny lehilahy tsisy saina ireny’ mihitsy.​—1 Samoela 18:20; 2 Samoela 6:16, 20.

2 Teo koa i Ahitofela, mpanolo-tsaina manokan’i Davida. Noheverina ho tenin’i Jehovah mihitsy ny toroheviny. (2 Samoela 16:23) Namadika azy anefa io namany nitokisany io, ka niaraka tamin’ireo mpikomy. Ary iza no nitarika an’ireo mpanongam-panjakana? I Absaloma, zanak’i Davida! “Nahay naka ny fon’ny Israelita” hatrany io mpanararaotra io, ka nanandra-tena ho mpanjaka koa. Be ireo mpanaraka an’i Absaloma tamin’ny fikomiana, ka voatery nandositra mba hanavotana ny ainy i Davida Mpanjaka.​—2 Samoela 15:1-6, 12-17.

3. Inona no natokisan’i Davida?

3 Nisy tsy nivadika tamin’i Davida ve? Fantany fa nisy izany, nandritra ny fahoriany rehetra. Iza? I Jehovah Andriamanitra. Hoy i Davida momba an’i Jehovah: “Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihanao.” (2 Samoela 22:26) Inona no atao hoe tsy mivadika, ary nahoana i Jehovah no lazaina fa ohatra tsara indrindra amin’izany?

Inona no atao hoe tsy mivadika?

4, 5. a) Inona no atao hoe “tsy mivadika”? b) Nahoana no samy hafa ny zavatra azo ianteherana sy ny olona tsy mivadika?

4 Ny hoe “tsy mivadika”, araka ny Soratra Hebreo, dia midika hoe tsara fanahy sy tia ary mifikitra amin-javatra iray, ka tsy mamela azy io raha tsy tanteraka ny zavatra nikasana azy. Be fitiavana ny olona tsy mivadika. Nolazain’ny mpanao salamo fa “vavolombelona mendri-pitokisana eny amin’ny lanitra” ny volana, satria miseho foana isan’alina. (Salamo 89:37) Azo itokisana sy ianteherana izy io, araka izany. Tsy azo lazaina ho tsy mivadika toy ny olona anefa ny volana. Nahoana? Satria porofon’ny fitiavana ny tsy fivadihana, nefa tsy afaka maneho izany ny zavatra tsy manana aina.

Antsoina hoe vavolombelona mendri-pitokisana ny volana, nefa ny zavaboary manan-tsaina ihany no afaka tsy mivadika toa an’i Jehovah

5 Porofon’ny fitiavana ny tsy fivadihana, ao amin’ny Baiboly. Ny fisehoan’izy io fotsiny dia efa milaza fa mifandray ilay olona tsy mivadika sy ilay tsy ivadihana. Zavatra mitohy io tsy fivadihana io. Tsy toy ny onjan-dranomasina miova arakaraka ny rivotra izy io. Sady maharitra no matanjaka kosa ny tsy fivadihana, na fitiavana tsy mivadika, ka afaka mandresy ny sakana mahery indrindra.

6. a) Maro ve ny olona tsy mivadika, ary ahoana no ampisehoan’ny Baiboly izany? b) Inona no fomba tsara indrindra hianarana momba ny tsy fivadihana, ary nahoana?

6 Vitsy ny olona tsy mivadika ankehitriny. Matetika no “vonona hifamotika” ny tena mpinamana. Mihabetsaka, ohatra, ny olona mandao ny vadiny. (Ohabolana 18:24; Malakia 2:14-16) Maro no mamitaka, hany ka mety hilaza toa an’i Mika mpaminany isika hoe: “Ripaka tanteraka ny olona tsy mivadika ka tsy misy intsony eto an-tany.” (Mika 7:2) Tsy hoatr’izany anefa i Jehovah fa tena mampiavaka azy io toetra io. Ny fandinihana ny tsy fivadihan’i Jehovah tokoa no fomba tsara indrindra hianarana momba ny hoe tsy mivadika, izay fomba isehoan’ny fitiavan’i Jehovah.

Tena miavaka ny tsy fivadihan’i Jehovah

7, 8. Nahoana no azo lazaina fa i Jehovah ihany no tsy mivadika?

7 Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Ianao irery ihany ... no tsy mivadika.” (Apokalypsy 15:4) Nahoana no i Jehovah ihany no antsoina hoe tsy mivadika? Tsy nisongadina koa ve indraindray ny tsy fivadihan’ny olona sy ny anjely? (Joba 1:1; Apokalypsy 4:8) Ary i Jesosy Kristy? Tsy izy ve no voalohany amin’ireo “tsy mivadika”? (Salamo 16:10) Nahoana àry no lazaina fa i Jehovah ihany no tsy mivadika?

8 Tadidio aloha fa lafiny iray amin’ny fitiavana ny tsy fivadihana. Tsy misy mahavita tsy mivadika hoatran’i Jehovah satria hoy ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana”, izany hoe ny fitiavana foana no mahatonga azy hanao zavatra. (1 Jaona 4:8) Marina hoe afaka mampiseho ny toetran’Andriamanitra ny anjely sy ny olona. I Jehovah ihany anefa no fara tampony amin’ny tsy fivadihana. Efa hatramin’ny ela izy no nampiseho tsy fivadihana raha oharina amin’ny olombelona na anjely satria izy “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be.” (Daniela 7:9) Tsy misy zavaboary afaka maneho io toetra io tsara kokoa noho izy. Indro misy ohatra vitsivitsy.

9. Nahoana no lazaina hoe tsy mivadika amin’izay rehetra ataony i Jehovah?

9 “Tsy mivadika [i Jehovah] amin’izay rehetra ataony.” (Salamo 145:17) Ahoana izany? Mamaly izany ny Salamo 136. Misy famonjena maro nataon’i Jehovah voatonona ao, ary anisan’izany ilay fanafahana mahagaga ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena. Mirakitra an’ireto teny ireto ny andininy tsirairay amin’io salamo io: “Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.” Anisan’ny  fanontaniana hosaintsainina, eo amin’ny pejy 289 io salamo io. Ho hitanao eo am-pamakiana azy io fa mahagaga ireo fomba maro nanehoan’i Jehovah hoe be fitiavana izy sady tsy mivadika tamin’ny vahoakany. Tsy ivadihan’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, ka mihaino ny fitarainan’izy ireo, sy manao zavatra amin’ny fotoana mety ho azy ireo izy. (Salamo 34:6) Tsy miova mihitsy ny fitiavan’i Jehovah ny mpanompony, raha mbola tsy mivadika aminy koa izy ireo.

10. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa tsy mivadika amin’ny fitsipiny izy?

10 Mampiseho ny tsy fivadihan’i Jehovah amin’ny mpanompony koa ny fanarahany hatrany ny fitsipiny. Tsy toy ny olombelona mpanota entanin’ny fihetseham-po fotsiny i Jehovah, ka tsy miovaova ny fiheverany ny tsara sy ny ratsy. Tsy niova nandritra ny an’arivony taona ny fiheverany ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy sy ny fanompoan-tsampy ary ny famonoana olona. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Tsy hiova aho mandra-pahantitrareo.” (Isaia 46:4) Afaka matoky àry isika fa handray soa, raha manaraka ireo toromarika ara-pitondran-tena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.​—Isaia 48:17-19.

11. Milazà ohatra mampiseho hoe manatanteraka ny fampanantenany foana i Jehovah.

11 Fomba isehoan’ny tsy fivadihan’i Jehovah koa ny fanatanterahany ny fampanantenany. Tanteraka ny zavatra lazainy mialoha. Hoy i Jehovah: “Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa tsy maintsy hanatanteraka an’izay mahafinaritra ahy, ary tsy maintsy ho vitany izay rehetra anirahako azy.” (Isaia 55:11) Porofon’ny tsy fivadihan’i Jehovah amin’ny vahoakany ny fanatanterahany ny teniny. Tsy avelany hitaintaina hiandry zavatra tsy eritreretiny hatao izy ireo. Tsy misy hokianina mihitsy i Jehovah amin’io lafiny io, ka afaka niteny toy izao i Josoa mpanompony: “Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka daholo.” (Josoa 21:45) Tsy ho diso fanantenana mihitsy àry isika, satria hanatanteraka ny fampanantenany foana i Jehovah.​—Isaia 49:23; Romanina 5:5.

12, 13. Nahoana no lazaina hoe be fitiavana sady tsy mivadika “mandrakizay” i Jehovah?

12 Efa noresahintsika teo fa be fitiavana sady tsy mivadika “mandrakizay” i Jehovah. (Salamo 136:1) Nahoana no milaza izany isika? Satria aloha, maharitra ny famelan-kelok’i Jehovah. Noresahintsika tao amin’ny Toko 26 fa tsy mampahatsiahy ny fahotan’ny olona navelany heloka i Jehovah. Tokony hankasitrahantsika ny hoe be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay i Jehovah, satria “samy efa nanota” isika rehetra “ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”​—Romanina 3:23.

13 Misy dikany hafa koa anefa ilay hoe be fitiavana sady tsy mivadika “mandrakizay” i Jehovah. Milaza ny Teniny fa “ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy, dia hazo mamoa amin’ny fotoanany, sady tsy mba malazo ny raviny. Ary hety tsara daholo izay ataony.” (Salamo 1:3) Eritrereto ny hazo tsara manana ravina tsy mety malazo mihitsy! Ho lava sy hiadana ary hamokatra toy izany koa ny fiainantsika, raha tena tia ny Tenin’Andriamanitra isika. Mandrakizay ny fitahiana arotsak’i Jehovah amin’ny mpanompony tsy mivadika. Hahatsapa mandrakizay an’ilay toetran’i Jehovah hoe be fitiavana sady tsy mivadika ny olombelona mankatò, ao amin’ilay tontolo vaovao tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana.​—Apokalypsy 21:3, 4.

“Tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy” i Jehovah

14. Ahoana no ankasitrahan’i Jehovah ny tsy fivadihan’ny mpanompony?

14 Efa nasehon’i Jehovah foana fa tsy mivadika izy. Tsy miova mihitsy izy, ka tsy hivadika amin’ny mpanompony tsy mivadika mihitsy. Hoy ny mpanao salamo: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy, na nahita ny zanany nangataka sakafo. Fa tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.” (Salamo 37:25, 28) Marina fa mendrika ny ivavahantsika i Jehovah, satria izy no Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Sarobidy aminy koa anefa ny tsy fivadihantsika, satria tsy mivadika izy.​—Malakia 3:16, 17.

15. Hazavao fa manasongadina ny tsy fivadihan’i Jehovah ny fomba nitondrany ny Israely.

15 Mamindra fo i Jehovah ka manampy foana ny vahoakany, rehefa azom-pahoriana izy ireo. Hoy ny mpanao salamo: “Miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy izy, ary manafaka azy eo an-tanan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 97:10) Eritrereto ny fomba nitondrany ny Israelita. Nafahana tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny Ranomasina Mena izy ireo, ka nihira toy izao ho an’i Jehovah: “Be fitiavana sy tsy mivadika ianao rehefa nitarika ny vahoaka navotanao.” (Eksodosy 15:13) Tena porofon’ny tsy fivadihan’i Jehovah io fanafahana teo amin’ny Ranomasina Mena io. Hoy àry i Mosesy tamin’ny Israelita: “Tsy hoe satria ianareo no maro an’isa indrindra amin’ny firenena rehetra dia miraiki-po aminareo sy nifidy anareo i Jehovah. Ianareo tsinona no vitsy indrindra amin’ny firenena rehetra. Fa tia anareo kosa i Jehovah sady nanaja an’ilay fianianana nataony tamin’ny razambenareo. Dia izany no nahatonga an’i Jehovah hampiasa ny herin-tsandriny mba hitondrana anareo sy hanavotana anareo avy tany amin’ilay toerana nanandevozana anareo, dia avy teo ambany fahefan’i Farao mpanjakan’i Ejipta.”​—Deoteronomia 7:7, 8.

16, 17. a) Ahoana no nanehoan’ny Israelita fa tsy nahay nankasitraka izy ireo, nefa ahoana no nangorahan’i Jehovah azy ireo? b) Ahoana no nanehoan’ny ankamaroan’ny Israelita fa “efa tsy azo nampiana intsony” izy ireo? Inona no fampitandremana azontsika avy amin’izany?

16 Tsy nankasitraka ny famindram-pon’i Jehovah anefa ilay firenen’ny Israely, satria “mbola nanota taminy ihany ... izy ireo, ka nikomy tamin’ny Avo Indrindra”, taorian’ilay fanafahana. (Salamo 78:17) Nikomy foana izy ireo nandritra ny taonjato maro, niala tamin’i Jehovah sy lasa nanaraka andriamani-diso sy fomban’ny mpanompo sampy. Fahalotoana no mba hany vokatr’izany. Tsy nanafoana ny fifanekena nataony anefa i Jehovah. Nilaza tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany aza izy, ka niangavy hoe: “Miverena ry Israely mpikomy ô, ... tsy hanao tsinontsinona anareo aho na ho sosotra aminareo, satria tsy mivadika aho.” (Jeremia 3:12) Hitantsika tao amin’ny Toko 25 anefa fa tsy vonona hiova ny ankamaroan’ny Israelita. Tena “nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra, ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra, sady nihomehezany ny mpaminaniny.” Inona no vokany? “Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany, ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.”​—2 Tantara 36:15, 16.

17 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na dia hoe tsy mivadika aza i Jehovah dia tsy hoe tsy mahita ny ratsy ataon’ny olona na azo fitahina. Marina fa “tena be fitiavana sy tsy mivadika” izy, ary faly mamindra fo rehefa misy antony anaovana izany. Inona anefa no mitranga rehefa mafy loha sy tsy mety miova ilay nanao ratsy? Manaraka ny fitsipiny marina hatrany i Jehovah amin’izay, ka manameloka an’ilay olona. Nolazaina tamin’i Mosesy tokoa fa “sanatria azy ny tsy hanasazy an’izay meloka.”​—Eksodosy 34:6, 7.

18, 19. a) Nahoana no efa porofon’ny tsy fivadihan’i Jehovah ny fanasaziany ny ratsy fanahy? b) Ahoana no hampisehoan’i Jehovah fa tsy mivadika amin’ireo mpanompony maty noho ny fanenjehana izy?

18 Efa porofon’ny tsy fivadihan’i Jehovah ny fanasaziany ny ratsy fanahy. Ahoana izany? Mamaly izany ny bokin’ny Apokalypsy, izay misy ireo baiko omen’i Jehovah an’ireo anjely fito: “Mandehana araraho eny ambonin’ny tany ny ao anatin’ny vilia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra.” Nivadika ho ra “ny renirano sy ny loharano” rehefa nandrarahan’ilay anjely fahatelo ny viliany. Hoy ilay anjely tamin’i Jehovah: “Manao ny rariny ianao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, Ilay tsy mivadika, satria namoaka an’ireny didim-pitsarana ireny. Nandatsaka ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany mantsy izy ireo, ka nomenao ra hosotroiny. Mendrika an’izany izy ireo.”​—Apokalypsy 16:1-6.

19 Mariho fa nantsoin’ilay anjely hoe “Ilay tsy mivadika” i Jehovah, tamin’io didim-pitsarana io. Nahoana? Satria mampiseho ny tsy fivadihany amin’ny mpanompony i Jehovah, rehefa mandringana ny ratsy fanahy. Maro tamin’ireo mpanompony tokoa no maty noho ny fanenjehana. Tadidin’i Jehovah tsara izy ireny. Tsy andriny izay hahitana azy ireny indray, ary hamafisin’ny Baiboly fa hamaly soa azy ireny amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty izy. (Joba 14:14, 15) Tsy hadinon’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, na dia efa maty aza. “Velona daholo izy rehetra ireo” aminy. (Lioka 20:37, 38) Hatsangan’i Jehovah amin’ny maty ireo olona tsaroany, ka manaporofo izany fa tsy mivadika izy.

Tsy mivadika i Jehovah ka hahatsiaro sy hanangana an’ireo tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana

Novonoin’ny Nazia i Bernard Luimes (ambony) sy Wolfgang Kusserow (afovoany)

Nolefonin’ny antoko politika iray i Moses Nyamussua, ka maty

Afaka ny hiaina mandrakizay isika noho i Jehovah be fitiavana sy tsy mivadika

20. Iza ireo “kaopin’ny famindram-po”, ary ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny tsy fivadihany tamin’izy ireo?

20 Nampiseho tsy fivadihana tamin’ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah hatramin’izay. Efa an’arivony taona izy no “nandefitra sady nanam-paharetana be tamin’ny kaopin’ny fahatezerana izay mendrika haringana.” Nahoana? “Nanao an’izany izy satria te hampahafantatra ny voninahiny lehibe amin’ny kaopin’ny famindram-po, izay nomaniny mialoha mba homena voninahitra.” (Romanina 9:22, 23) Ny “kaopin’ny famindram-po” dia ireo olona tso-po voahosotry ny fanahy masina mba ho mpiara-mandova amin’i Kristy any amin’ny Fanjakany. (Matio 19:28) Nanao izay hahavoavonjy azy ireo i Jehovah, ka nampiseho fa tsy nivadika tamin’i Abrahama, izay nanaovany izao fifanekena izao: “Hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany, satria nihaino ny teniko ianao.”​—Genesisy 22:18.

Tsy mivadika i Jehovah, ka azo antoka ny fanantenan’ireo mpanompony tsy mivadika aminy

21. a) Ahoana no ampisehoan’i Jehovah ny tsy fivadihany amin’ny “vahoaka be”, izay manantena tsy ho faty amin’ny “fahoriana lehibe”? b) Inona no irinao hatao, noho ny tsy fivadihan’i Jehovah?

21 Tsy mivadika amin’ny “vahoaka be” koa i Jehovah. Manantena ny tsy ho faty amin’ny “fahoriana lehibe” sy hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izy ireo. (Apokalypsy 7:9, 10, 14) Omen’i Jehovah fahafahana hiaina mandrakizay ny mpanompony, na dia tsy lavorary aza. Ahoana no anaovany izany? Amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, dia ilay porofo lehibe indrindra hoe tsy mivadika izy. (Jaona 3:16; Romanina 5:8) Misarika an’ireo tia ny fahamarinana ny tsy fivadihan’i Jehovah. (Jeremia 31:3) Tsy mahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah ve ianao, noho ny tsy fivadihany hatramin’izay sy amin’ny hoavy? Faniriantsika ny hanatona an’Andriamanitra, ka enga anie isika hampitombo ny fahatapahan-kevitsika tsy hivadika aminy, ho setrin’ny fitiavany antsika.