Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 30

“Miezaha Foana Haneho Fitiavana”

“Miezaha Foana Haneho Fitiavana”

1-3. Inona no vokany rehefa tia toa an’i Jehovah isika?

 “MAHASAMBATRA kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Hamafisin’ireo tenin’i Jesosy ireo fa mitondra voka-tsoa ny fitiavana tsy mitady valiny. Marina hoe sambatra isika rehefa anehoana fitiavana, kanefa mahasambatra antsika kokoa ny mampiseho an’izany amin’ny hafa.

2 Ilay Raintsika any an-danitra no mahafantatra tsara indrindra an’izany. Hitantsika tao amin’ireo toko teo aloha tamin’ity fizarana ity fa i Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’ny fitiavana. Tsy misy naneho fitiavana lehibe kokoa sy naharitra kokoa noho izy. Mahagaga àry ve raha antsoina hoe “Andriamanitra falifaly” i Jehovah?​—1 Timoty 1:11.

3 Tiany hanahaka azy isika, indrindra fa amin’ny fanehoana fitiavana. Hoy ny Efesianina 5:1, 2: “Tahafo ... Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo. Dia miezaha foana haneho fitiavana.” Ho sambatra kokoa isika, rehefa manome, na tia toa an’i Jehovah. Afa-po koa isika mahafantatra fa mahafaly an’i Jehovah izany, satria mampirisika antsika ‘hifankatia’ ny Teniny. (Romanina 13:8) Misy antony hafa koa anefa tokony ‘hiezahantsika foana haneho fitiavana.’

Tena ilaina ny fitiavana

Matoky ny rahalahintsika isika, raha manam-pitiavana

4, 5. Nahoana no tokony ho feno fahafoizan-tena ny fitiavantsika ny mpiray finoana amintsika?

4 Nahoana no tokony ho tia ny mpiray finoana amintsika isika? Satria ny fitiavana no toetra mampiavaka indrindra ny tena Kristianina. Tsy afaka mifandray akaiky amin’ny Kristianina namantsika isika sady ho tsinontsinona eo imason’i Jehovah, raha tsy eo ny fitiavana. Manasongadina izany tokoa ny Tenin’Andriamanitra.

5 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany: “Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Rehefa nilaza i Jesosy hoe “hoatran’ny nitiavako anareo”, dia te hilaza izy fa tokony haneho an’ilay fitiavana nasehony isika. Hitantsika tao amin’ny Toko 29 fa ohatra faran’izay tsara tamin’ny fahafoizan-tena i Jesosy, satria ny zavatra nilaina sy izay nahasoa ny namany no nataony ho ambony kokoa noho ny tenany. Tokony tsy hitady valiny koa ny fitiavantsika, ary tokony hisongadina, ka hahita izany hatramin’ny olona any ivelan’ny fiangonana kristianina. Marika famantarana ny tena mpanara-dia an’i Kristy tokoa ny fitiavan-drahalahy feno fahafoizan-tena.

6, 7. a) Ahoana no ahalalantsika fa asongadin’ny Tenin’i Jehovah ny hasarobidin’ny fitiavana? b) Inona momba ny fitiavana no asongadin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 13:4-8?

6 Ahoana raha tsy manam-pitiavana isika? Raha “tsy manam-pitiavana” aho, hoy i Paoly, “dia lasa hoatran’ny takela-barahina maneno na kipantsona mikarantsana.” (1 Korintianina 13:1) Ratsy feo ny kipantsona mikarantsana. Ary ny takela-barahina maneno? Tena mety izany fanoharana izany! Toy ny zavamaneno mitabataba tsy misy dikany fotsiny ny olona tsy manam-pitiavana, ka tsy manintona fa mampandositra. Ahoana tokoa no hahafahan’izany olona izany hifandray akaiky amin’olona? Hoy koa i Paoly: “Raha manana ny finoana rehetra [aho] ka mahafindra tendrombohitra, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona aho.” (1 Korintianina 13:2) Eritrereto fa “tsinontsinona” ny olona tsy manam-pitiavana, na dia manao zavatra maro aza! Tsy mazava àry ve fa asongadin’ny Tenin’i Jehovah ny hasarobidin’ny fitiavana?

7 Ahoana anefa no anehoantsika fitiavana rehefa mifandray amin’olona? Hofakafakaintsika ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 13:4-8, mba hamaliana izany. Tsy ny fitiavan’Andriamanitra antsika, na ny fitiavantsika azy no asongadin’ireo andininy ireo. Ny fomba tokony hifankatiavantsika kosa no ifantohan’i Paoly eo. Lazainy ao hoe inona no ataon’ny olona manam-pitiavana, ary inona kosa no tsy ataony.

Ny ataon’ny olona manam-pitiavana

8. Ahoana no anampian’ny faharetana antsika rehefa mifandray amin’olona isika?

8 “Ny fitiavana manam-paharetana.” Ny hoe manam-paharetana dia midika hoe mandefitra. (Kolosianina 3:13) Tsy mila izany faharetana izany ve isika? Tsy lavorary isika mpiara-manompo, ka azo inoana fa hahasosotra antsika ireo rahalahintsika indraindray, ary hahasosotra azy ireo koa isika. Afaka manampy antsika hiaritra ny fahalemen’izy ireo anefa ny faharetana, mba tsy handrava ny fihavanan’ny fiangonana.

9. Ahoana avy no azontsika anehoana hatsaram-panahy?

9 “Ny fitiavana ... tsara fanahy.” Ny fanampiana sy ny teny mahafinaritra no anehoana ny hatsaram-panahy. Ny fitiavana no mahatonga antsika hitady fomba hanehoana hatsaram-panahy, indrindra fa amin’ireo tena mila izany. Mety hahatsiaro ho irery, ohatra, ilay mpiara-mpanompo be taona, ka tokony hotsidihina. Mety hila fanampiana ilay reny mitaiza irery ny zanany, na anabavy miara-mipetraka amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona. Mety hila teny mahafinaritra avy amin’ny namana tsy mivadika koa ilay rahalahy marary na mijaly. (Ohabolana 12:25; 17:17) Asehontsika fa tena manam-pitiavana isika, rehefa maneho hatsaram-panahy amin’ireo fomba ireo.​—2 Korintianina 8:8.

10. Ahoana no anampian’ny fitiavana antsika hanohana sy hiteny ny marina hatrany, na dia rehefa sarotra aza izany?

10 “Ny fitiavana ... mifaly noho ny fahamarinana.” Misy fandikan-teny hafa milaza hoe: “Ny fitiavana ... faly miandany amin’ny fahamarinana.” Manampy antsika hanohana ny fahamarinana sy ‘samy hilaza ny marina amin’ny namantsika avy’ ny fitiavana. (Zakaria 8:16) Aoka hatao hoe nanao fahotana lehibe ny olona iray akaiky antsika. Raha tia an’i Jehovah sy ilay nanao fahadisoana isika, dia tsy hanao tsinontsinona ny fitsipik’i Jehovah, ka tsy hanafina, na hanamarina, na handainga momba ilay ratsy nataony. Marina hoe mety tsy heken’ny saintsika ilay hoe nanao ratsy izy. Raha mieritreritra izay hahasoa an’ilay olona anefa isika, dia ho tiantsika raha mahazo sy manaiky ny famaizana feno fitiavana avy amin’Andriamanitra izy. (Ohabolana 3:11, 12) Be fitiavana isika Kristianina ka te “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” koa.​—Hebreo 13:18.

11. “Mandefitra ny zava-drehetra” ny fitiavana, ka tokony hiezahantsika hatao ahoana ny kileman’ireo mpiray finoana amintsika?

11 “Ny fitiavana ... mandefitra ny zava-drehetra.” Ny teny grika nampiasaina eto dia midika ara-bakiteny hoe “saronany ny zavatra rehetra.” Hoy ny 1 Petera 4:8: “Manarona fahotana maro be ny fitiavana.” Tsy hanasongadina ny tsy fahalavorariana sy kileman’ireo rahalahiny ny Kristianina, raha fehezin’ny fitiavana. Matetika ny fahadisoan’ireo mpiray finoana no madinika, ka azo saronana amin’ny fitiavana.​—Ohabolana 10:12; 17:9.

12. Ahoana no nampisehoan’i Paoly ny fatokisany an’i Filemona, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

12 “Ny fitiavana ... mino ny zava-drehetra.” Milaza ny fandikan-tenin’i Moffatt hoe ny fitiavana “dia vonona hino foana izay tsara indrindra momba ny hafa.” Tsy miahiahy an’ireo mpiray finoana isika, na mihevitra azy ireo ho ratsy saina. Manampy antsika “hino izay tsara indrindra” momba ireo rahalahintsika sy hatoky azy ireo ny fitiavana. a Mariho ny ohatra ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’i Filemona. Nanoratra taminy i Paoly mba hampirisika azy handray tsara indray an’i Onesimosy, ilay andevo nandositra lasa Kristianina. Tsy nanery an’i Filemona anefa izy fa niangavy tamim-pitiavana kosa. Natoky izy fa hanao zavatra mety i Filemona. Hoy izy: “Matoky aho fa hanaiky ianao, ka izany no anoratako aminao. Fantatro mantsy fa hanao mihoatra noho izay lazaiko ianao.” (And. 21) Rehefa tia ny rahalahintsika isika ka matoky azy toy izany, dia mahatonga azy ho vao mainka hampiseho toetra tsara izany.

13. Ahoana no ampisehoantsika fa manantena ny tsara indrindra ho an’ny rahalahintsika isika?

13 “Ny fitiavana ... manantena ny zava-drehetra.” Sady matoky ny fitiavana no manantena. Manantena ny zavatra tsara indrindra ho an’ireo rahalahintsika isika, raha tia azy ireo. Raha misy rahalahy, ohatra, manao “zavatra tsy mety nefa tsy fantany akory”, dia manantena isika fa hanaiky ny fanitsiana azy amim-pitiavana izy. (Galatianina 6:1) Manantena koa isika fa hatanjaka indray ireo nanjary nalemy finoana. Manam-paharetana amin’izy ireny isika, ary manao izay azontsika atao mba hanampiana azy ireny hatanjaka amin’ny finoana. (Romanina 15:1; 1 Tesalonianina 5:14) Raha misy olona akaiky antsika nanao fahadisoana, dia mbola manantena isika fa ho tonga saina izy ka hiverina amin’i Jehovah, toy ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy.​—Lioka 15:17, 18.

14. Ahoana avy no mety hitsapana ny fiaretantsika eo anivon’ny fiangonana, ary hanampy antsika hanao inona ny fitiavana?

14 “Ny fitiavana ... miaritra ny zava-drehetra.” Manampy antsika tsy ho reraka noho ny fahadisoam-panantenana sy ny zava-manahirana ny fiaretana. Tsy avy any ivelan’ny fiangonana ihany ny fitsapana, fa mety ho avy ao anatiny koa. Mety handiso fanantenana antsika ireo rahalahintsika, satria tsy lavorary izy ireo. Mety handratra ny fontsika ny teny tsy voahevitra. (Ohabolana 12:18) Mety tsy hokarakaraina araka ny tokony ho izy ny asan’ny fiangonana. Mety hahasosotra ny toetran’ny rahalahy iray manana andraikitra, ka hahatonga antsika hiteny hoe: ‘Aiza no hisy Kristianina hanao toy izany?’ Hiala amin’ny fiangonana ve isika, ka tsy hanompo an’i Jehovah intsony vokatr’izany? Tsy hanao izany isika raha manam-pitiavana! Raha manam-pitiavana isika, dia tsy ho takon’ny fahadisoan’ny rahalahintsika ny masontsika, ka tsy ho hitantsika intsony ny tsara ao aminy, na ny tsara amin’ny mpiara-manompo eo anivon’ny fiangonana. Manampy antsika tsy hivadika amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary hahatonga antsika hanohana ny fiangonana, na inona na inona zavatra atao na lazain’ny olona tsy lavorary.​—Salamo 119:165.

Ny tsy ataon’ny olona manam-pitiavana

15. Ahoana no anampian’ny fitiavana antsika tsy ho simban’ny fialonana?

15 “Ny fitiavana tsy mialona.” Ny fialonana no mahatonga antsika hitsiriritra izay ananan’ny olona, anisan’izany ny fananany, ny fitahiana azony na ny fahaizany. Fitiavan-tena izany, sady manimba, ary mety handrava ny fihavanan’ny fiangonana, raha tsy voafehy. Inona no hanampy antsika tsy hitsiriritra? (Jakoba 4:5) Ny fitiavana. Manampy antsika hiara-mifaly amin’ireo toa manana tombony eo amin’ny fiainana io toetra sarobidy io. (Romanina 12:15) Raha manam-pitiavana isika, dia tsy ho tafintohina rehefa misy olona deraina noho ny fahaizany na ny zava-bitany miavaka.

16. Raha tena tia an’ireo rahalahintsika isika, nahoana isika no tsy hirehareha noho ny fanompoana vitantsika?

16 “Ny fitiavana ... tsy mirehareha, tsy mieboebo.” Manampy antsika tsy hirehareha noho ny talenta na zava-bitantsika ny fitiavana. Raha tena tiantsika ny rahalahintsika, ahoana no ahafahantsika hirehareha noho ny fanompoana vitantsika, na ny tombontsoantsika eo anivon’ny fiangonana? Manakivy azy ireo sy mahatonga azy hihevitra ho ambany izany fieboeboana izany. Ny fitiavana no manakana antsika tsy hirehareha noho ny zavatra avelan’Andriamanitra hataontsika eo amin’ny fanompoana azy. (1 Korintianina 3:5-9) “Tsy mieboebo” tokoa ny fitiavana, na raha araka ny ilazan’ny fandikan-teny iray azy dia tsy “mahatonga ny olona hihevitra ny tenany ho ambony loatra.” Manakana antsika tsy hanandra-tena ny fitiavana.​—Romanina 12:3.

17. Ahoana no tokony hitondrantsika ny olona raha manam-pitiavana isika, ary inona no fitondran-tena hohalavirintsika?

17 “Ny fitiavana ... tsy manao zavatra tsy mendrika.” Manao zavatra tena tsy mety na manafintohina olon-kafa ny olona manao zavatra tsy mendrika. Tsy misy fitiavana amin’izany satria tsy miraharaha tanteraka ny fihetseham-po sy izay hahasoa ny olon-kafa. Feno hatsaram-panahy kosa ny fitiavana, ka mahatonga antsika hihevitra ny namantsika. Mahalala fomba, tsara fitondran-tena, ary manaja ny mpiray finoana ny olona manam-pitiavana. Ny fitiavana àry no manakana antsika tsy hanana “fitondran-tena mahamenatra”, dia izay fitondran-tena rehetra manafintohina ny rahalahintsika.​—Efesianina 5:3, 4.

18. Nahoana ny olona manam-pitiavana no tsy misisika mba hanatanterahana ny heviny foana?

18 “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” Hoy ny fandikan-teny iray hafa: “Ny fitiavana tsy miziriziry amin’ny heviny.” Tsy hisisika mba hanatanterahana ny heviny ny olona manam-pitiavana, ka toy ny hoe ny azy ihany no marina. Tsy mitady hanery ny hafa hanaiky ny heviny izy. Miavonavona ny olona mafy loha toy izany, nefa milaza ny Baiboly fa “ho lavo izay mirehareha.” (Ohabolana 16:18) Hanaja ny hevitry ny rahalahintsika isika raha tia azy ireo, ary vonona handefitra mihitsy, rehefa mety izany. Hanaraka an’izao tenin’i Paoly izao isika raha mandefitra: “Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.”​—1 Korintianina 10:24.

19. Raha manam-pitiavana isika, inona no ataontsika raha misy olona nanafintohina antsika?

19 “Ny fitiavana ... tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo.” Tsy mora tezitra noho ny teny na ny ataon’olon-kafa ny olona manam-pitiavana. Marina fa ara-dalàna raha sosotra isika rehefa misy olona manafintohina antsika. Tsy ho tezitra foana amin’ilay olona anefa isika raha manam-pitiavana. (Efesianina 4:26, 27) Tsy hitadidy na hanisa teny na fihetsika nahasosotra antsika isika. Ny fitiavana kosa no mahatonga antsika hanahaka an’ilay Andriamanitra be fitiavana. Hitantsika tao amin’ny Toko 26 fa mamela heloka i Jehovah rehefa misy antony tsara anaovana izany. Manadino izy rehefa mamela heloka, izany hoe tsy hamelezany antsika any aoriana ny fahotantsika. Tsy velom-pankasitrahana ve isika, noho i Jehovah tsy mitahiry ny fahadisoantsika toy izany?

20. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa misy mpiray finoana voafandriky ny ota, ka misy zavatra ratsy manjo azy?

20 “Ny fitiavana ... tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana.” Hoy ny Fandikan-teny Katolika: “Ny fitiavana dia ... tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona.” Hoy ny fandikan-teny hafa: “Tsy faly mihitsy ny fitiavana rehefa misy olona manao zavatra tsy mety.” Tsy mahita fifaliana amin’ny tsy marina isika raha manam-pitiavana, ka tsy tokony handefitra amin’ny fahalotoam-pitondran-tena mihitsy. Ahoana no fihetsitsika rehefa misy mpiray finoana voafandriky ny ota, ka misy zavatra ratsy manjo azy? Tsy ho faly isika ka hiteny hoe: ‘Tsara ho azy izay!’ (Ohabolana 17:5) Tena faly kosa isika rehefa miezaka hatanjaka ara-panahy indray ilay rahalahy nanao fahadisoana.

“Zavatra tsara lavitra”

21-23. a) Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana”? b) Inona no fanontaniana hovaliantsika ao amin’ny toko farany?

21 “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” Inona no tian’i Paoly holazaina eo? Efa hitantsika teo fa niresaka momba ireo fanomezan’ny fanahy teo amin’ireo Kristianina voalohany izy. Ireny no famantarana hoe nankasitrahan’Andriamanitra io fiangonana vao niforona io. Tsy ny Kristianina rehetra no afaka nanasitrana, naminany, na niteny tamin’ny fiteny hafa. Tsy nampaninona anefa izany, satria mbola ho foana ireny fanomezana mahagaga ireny. Misy zavatra tsy ho foana kosa, ary azon’ny Kristianina rehetra ananana. Lehibe kokoa sy maharitra kokoa noho ny fanomezana mahagaga rehetra izy io. Nantsoin’i Paoly hoe “zavatra tsara lavitra” izy io. (1 Korintianina 12:31) Inona izany? Ny lalan’ny fitiavana.

22 “Tsy ho levona mandrakizay” tokoa ilay fitiavana kristianina noresahin’i Paoly. Mbola famantarana ny tena mpanara-dia an’i Kristy ankehitriny ny fitiavana feno fahafoizan-tena. Tsy mahita an’izany fitiavana izany ve isika eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany? Haharitra mandrakizay izy io, satria homen’i Jehovah fiainana mandrakizay ny mpanompony tsy mivadika. (Salamo 37:9-11, 29) Enga anie isika hanao araka izay fara herintsika mba ‘hiezaka foana haneho fitiavana.’ Ho sambatra kokoa isika raha maneho fitiavana toy izany. Hiaina mandrakizay koa isika, ary ho afaka haneho fitiavana mandrakizay, toa an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana.

Ny fifankatiavana no amantarana ny vahoakan’i Jehovah

23 Noresahintsika tato amin’ity toko farany amin’ny fizarana momba ny fitiavana ity ny fomba ampisehoantsika hoe mifankatia isika. Maro be anefa ny soa raisintsika avy amin’ny fitiavan’i Jehovah, sy ny heriny sy ny fanaovany ny rariny ary ny fahendreny. Tsara àry raha manontany tena isika hoe: ‘Ahoana no ampisehoako amin’i Jehovah fa tena tia azy aho?’ Hovaliantsika ao amin’ny toko farany izany.

a Ilay hoe “ny fitiavana ... mino ny zava-drehetra” dia tsy midika akory hoe mora fitahina na mora ambakaina. Hoy ny Baiboly: ‘Araho maso izay mampisy fisaratsarahana sy mahatonga ny hafa hiala amin’ny finoana, ka halaviro izy ireny.’​—Romanina 16:17.