Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 9

“I Kristy no Isehoan’ny Herin’Andriamanitra”

“I Kristy no Isehoan’ny Herin’Andriamanitra”

1-3. a) Inona no zava-nampahatahotra niainan’ireo mpianatra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, ary inona no nataon’i Jesosy? b) Nahoana no mety ny ilazana hoe “i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra”?

 NATAHOTRA mafy ireo mpianatra. Teny an-tsambo niampita ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, no nisy rivo-mahery namely tampoka. Azo antoka fa efa nahita rivo-mahery teo amin’io farihy io izy ireo. Mpanarato za-draharaha rahateo ny sasany taminy. a (Matio 4:18, 19) “Tafio-drivotra mahery” anefa izy io, ka vetivety dia nampisamboaravoara an’ilay ranomasina. Niezaka mafy namily an’ilay sambo ireo mpianatra, nefa nahery noho izy ireo ilay rivotra. Niantontan’ny onja ilay sambo, ary nanomboka ho feno rano. Natory be anefa i Jesosy, nandritra izany, satria reraka avy nampianatra vahoaka. Natahotra ny ho faty ireo mpianatra, ka nanaitra azy sy niangavy hoe: “Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!”​—Marka 4:35-38; Matio 8:23-25.

2 Tsy natahotra i Jesosy. Natoky tanteraka izy, ka niteny tamin’ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Aoka izay! Mangìna!” Nanaiky avy hatrany ny rivotra sy ny ranomasina, ka nitsahatra ilay rivo-mahery, nihatony ny onja, ary “lasa tony be ny andro.” Nanjary natahotra tsy nisy toy izany ireo mpianatra. “Iza marina àry izy ity e?”, hoy izy ireo nifanontany moramora. Iza tokoa no olona afaka hiteny ny rivotra sy ny ranomasina, toy ny fibedesana zaza maditra?​—Marka 4:39-41; Matio 8:26, 27.

3 Tsy toy ny olona rehetra anefa i Jesosy. Niseho tao aminy ny herin’i Jehovah ary naseho tamin’ny alalany sy tamin’ny fomba niavaka. Mety indrindra ny nilazan’i Paoly hoe “i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra.” (1 Korintianina 1:24) Ahoana avy no nisehoan’ny herin’Andriamanitra tao amin’i Jesosy? Ary inona no ifandraisan’ny herin’i Kristy amin’ny fiainantsika?

Ny herin’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

4, 5. a) Inona no hery sy fahefana nomen’i Jehovah an’ilay Zanany lahitokana? b) Ahoana no nahafahan’io Zanaka io nandray anjara tamin’ny famoronana nokasain’ny Rainy?

4 Eritrereto ny herin’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. Nampiasa ny “heriny mandrakizay” i Jehovah rehefa namorona an’ilay Zanany lahitokana, ilay nantsoina hoe Jesosy Kristy. (Romanina 1:20; Kolosianina 1:15) Nanome hery sy fahefana lehibe an’io Zanany io i Jehovah taorian’izay, ka nanendry azy io ho mpanatanteraka ny fikasany momba ny famoronana. Hoy ny Baiboly, momba an’io Zanaka io: “Izy no nampiasaina hampisy ny zava-drehetra, ary na zavatra iray aza tsy ho nisy raha tsy tamin’ny alalany.”​—Jaona 1:3.

5 Kely ihany no takatsika momba izany fanendrena izany. Eritrereto ny hery nilaina mba hamoronana an’ireo anjely mahery an-tapitrisany sy izao rehetra izao hita maso sy ireo vahindanitra an’arivony tapitrisa, ary ny tany sy ireo zavamiaina samihafa eo aminy. Nanana ny hery lehibe indrindra, dia ny fanahy masin’Andriamanitra, ilay Zanaka lahitokana, mba hanatanterahana an’ireo asa ireo. Tena faly io Zanaka io noho izy Mpiasa Tena Mahay nampiasain’i Jehovah mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra.​—Ohabolana 8:22-31.

6. Inona no hery sy fahefana nomena an’i Jesosy, rehefa natsangana tamin’ny maty izy?

6 Afaka nahazo hery sy fahefana bebe kokoa ve ilay Zanaka lahitokana? Hoy izy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty teto an-tany: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18) Nomena fahaizana sy zo hitondra tokoa i Jesosy. “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” izy, ary nomena fahafahana hanafoana “ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra” manohitra ny Rainy, na ny hita maso izany na ny tsy hita. (Apokalypsy 19:16; 1 Korintianina 15:24-26) “Tsy nisy [navelan’Andriamanitra] tsy hanaiky azy na iray aza.”​—Hebreo 2:8; 1 Korintianina 15:27.

7. Nahoana no azontsika antoka fa tsy hanampatra ny hery nomen’i Jehovah azy mihitsy i Jesosy?

7 Tokony hatahotra ve isika hoe mety hanampatra ny heriny i Jesosy? Tsia dia tsia tokoa! Tena tia ny Rainy izy, ka tsy hanao zavatra mampalahelo azy mihitsy. (Jaona 8:29; 14:31) Fantatr’i Jesosy tsara fa tsy manampatra ny heriny i Jehovah na dia izy aza no mahery indrindra. Matetika i Jesosy no nahita hoe mitady fomba ‘hampiasana ny heriny mba hanampiana an’izay manompo azy amin’ny fo manontolo’ i Jehovah. (2 Tantara 16:9) Tena tia ny olombelona toa an-dRainy i Jesosy, ka afaka matoky isika fa zavatra tsara foana no hampiasany ny heriny. (Jaona 13:1) Tena tsy misy tsininy i Jesosy, eo amin’iny lafiny iny. Andeha hodinihintsika ny heriny, tamin’izy teto an-tany sy ny fomba nampiasany izany.

‘Niavaka tamin’ny zavatra nolazainy’

8. Inona no hery nananan’i Jesosy, rehefa voahosotra izy, ary ahoana no nampiasany izany?

8 Tsy nanao fahagagana i Jesosy, tamin’izy ankizilahy nipetraka tany Nazareta. Niova anefa izany, rehefa vita batisa izy, tamin’ny taona 29, tamin’izy 30 taona teo ho eo. (Lioka 3:21-23) Hoy ny Baiboly: “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy nomeny hery izy ka nandeha eran’ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly izy.” (Asan’ny Apostoly 10:38) Tsy milaza ve ilay hoe “nanao soa” fa nampiasa ny heriny mba hanampiana ny hafa izy? Nanjary ‘mpaminany niavaka tamin’ny zavatra nataony sy nolazainy’ izy, rehefa voahosotra.​—Lioka 24:19.

9-11. a) Taiza i Jesosy matetika no nampianatra, ary inona no tsy maintsy nataony tamin’izany? b) Nahoana no talanjona tamin’ny fomba fampianatr’i Jesosy ny olona?

9 Nahoana i Jesosy no lazaina hoe nahery tamin’ny teny? Matetika izy no nampianatra teny an-kalamanjana, teny amorom-parihy, ohatra, na teny an-tehezan-tendrombohitra, na teny an-dalana sy teny an-tsena. (Marka 6:53-56; Lioka 5:1-3; 13:26) Niala teo fotsiny ny mpihaino azy, raha tsy nahaliana ny zavatra nolazainy. Tsy maintsy nitadidy sy nandatsaka am-po ny olona nihaino tsara tamin’izany, satria mbola tsy nisy ny boky. Tsy maintsy ho tena nahaliana sy mora azo ary mora tadidy àry ny fampianaran’i Jesosy. Tsy nanahirana an’i Jesosy anefa ny nanao izany. Diniho, ohatra, ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

10 Nisy vahoaka niangona teo amin’ny tehezan-tendrombohitra tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, indray maraina, tamin’ny fiandohan’ny taona 31. Nisy avy tany Jodia sy Jerosalema, izany hoe 100 ka hatramin’ny 110 kilaometatra avy teo. Nisy avy tany Tyro sy Sidona, tanàna amoron-tsiraka tany avaratra. Maro ny marary nanatona mba hikasika an’i Jesosy, ary nositraniny daholo izy rehetra. Nanomboka nampianatra amin’izay izy, rehefa tsy nisy olona narary mafy intsony teo. (Lioka 6:17-19) Gaga tanteraka ny mpihaino azy, rehefa tapitra ny teniny. Nahoana?

11 Izao no nosoratan’ny iray tamin’ireo nihaino azy, taona maro taorian’izay: “Gaga ny vahoaka tamin’ny fomba fampianany. Nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana mantsy izy.” (Matio 7:28, 29) Tsapan’izy ireo ny fahefan’i Jesosy, teo am-pitenenana. Nisolo tena an’Andriamanitra izy ary ny Tenin’Andriamanitra no nanohanany ny fampianarany. (Jaona 7:16) Nazava ny teniny, nandresy lahatra ny fampirisihany, ary tsy azo nolavina ny heviny. Nahafaoka ny ventin-kevitra ny zavatra nolazainy ary nanohina ny fon’ny mpihaino azy. Nampianariny azy ireo ny fomba mety hahasambatra, ny fomba ivavahana sy ikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny fomba hananana hoavy azo antoka. (Matio 5:3–7:27) Nanaitra ny fon’ireo noana ny fahamarinana sy ny rariny ny teniny. Vonona ireny olona ireny ‘handà’ ny tenany sy hamela ny zavatra rehetra, ka hanaraka azy. (Matio 16:24; Lioka 5:10, 11) Tena nanan-kery tokoa ny tenin’i Jesosy!

‘Niavaka tamin’ny zavatra nataony’

12, 13. Nahoana no lazaina hoe ‘niavaka tamin’ny zavatra nataony’ i Jesosy? Lazao ny fahasamihafan’ireo fahagagana nataony.

12 ‘Niavaka tamin’ny zavatra nataony’ koa i Jesosy. (Lioka 24:19) Mitantara fahagagana 30 mahery nataon’i Jesosy ny Filazantsara. Nataony tamin’ny ‘hery nomen’i Jehovah’ daholo izany. b (Lioka 5:17) Olona an’aliny no nandray soa tamin’ireo fahagagana nataony ireo. Lazain’ny Baiboly, ohatra, hoe nanome sakafo ho an’ny lehilahy 5 000 izy, ary taorian’izay ho an’ny lehilahy 4 000. Mety ho an’aliny ny isan’izy ireo raha nisaina ny zaza amam-behivavy.​—Matio 14:13-21; 15:32-38.

13 Nisy karazany maro ny fahagagana nataon’i Jesosy. Afaka nifehy ny demonia izy, ka tsy sahirana akory nandroaka azy ireo. (Lioka 9:37-43) Nampiasa ny heriny tamin-javatra izy, ka nanova ny rano ho divay. (Jaona 2:1-11) Gaga be ny mpianany nahita azy nandeha teo “teo ambony ranomasina.” (Jaona 6:18, 19) Nanana hery nifehezana ny aretina izy, ka nanasitrana ny sampona tamin’ny taova, sy ny aretina mitaiza, ary ny aretina mety hahafaty. (Marka 3:1-5; Jaona 4:46-54) Nataony tamin’ny fomba samihafa ireny fanasitranana ireny. Tsy nifanatri-tava taminy ny olona sasany nositraniny, fa ny hafa kosa nokasihiny. (Matio 8:2, 3, 5-13) Ny sasany sitrana avy hatrany, fa ny hafa sitrana tsikelikely.​—Marka 8:22-25; Lioka 8:43, 44.

“Hitany nandeha teo ambony ranomasina i Jesosy”

14. Inona avy ireo tantara mampiseho fa manana hery eo amin’ny fahafatesana i Jesosy?

14 Nanana hery teo amin’ny fahafatesana mihitsy i Jesosy. Intelo ny fitantarana voasoratra no milaza fa nanangana ny maty izy: Ankizivavy 12 taona natolony ny ray aman-dreniny, zanaka lahitokan’ny vehivavy maty vady, lehilahy tsy foin’ireo anabaviny. (Lioka 7:11-15; 8:49-56; Jaona 11:38-44) Tsy nisy zavatra sarotra loatra taminy. Natsangany tamin’ny maty avy teo am-pandrianany ilay zazavavy 12 taona, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’izy io. Teo amin’ny filanjana hoentina halevina kosa no natsangany ny zanak’ilay vehivavy maty vady, ka azo inoana fa tamin’ny andro nahafatesan’izy io izany. Tany am-pasana i Lazarosy no natsangan’i Jesosy, rehefa maty efatra andro.

Tsy tia tena fa mahay mandanjalanja sy tsara fanahy rehefa mampiasa hery

15, 16. Inona no manaporofo fa tsy tia tena i Jesosy, rehefa nampiasa ny heriny?

15 Ahoana hoy ianao, raha olona tsy lavorary no nanana ny hery nananan’i Jesosy? Soa ihany fa tsy nanota i Jesosy. (1 Petera 2:22) Tsy nanaiky ho voataonan’ny fitiavan-tena sy fitiavam-boninahitra ary fitiavan-karena izy. Ireo mantsy no mahatonga ny olona tsy lavorary hampiasa ny heriny hamelezana ny olon-kafa.

16 Tsy tia tena i Jesosy rehefa nampiasa ny heriny, satria tsy zavatra nahasoa azy manokana no nampiasany izany. Tsy nety nanova ny vato ho mofo hohaniny izy, rehefa noana. (Matio 4:1-4) Tsy nanankarena izy, ka manaporofo izany fa tsy nataony hahazoana harena ny heriny. (Matio 8:20) Misy porofo hafa koa ahitana fa tsy tia tena izy rehefa nampiasa hery. Nisy sorona nataony rehefa nanao fahagagana izy. Nisy hery niala taminy mantsy, rehefa nanasitrana ny marary izy. Fantany tsara fa nisy hery niala taminy, na dia rehefa olona iray monja aza no nositraniny. (Marka 5:25-34) Navelany hikasika azy anefa ny vahoaka, ka sitrana. (Lioka 6:19) Tsy tia tena tokoa izy!

17. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nandanjalanja izy, rehefa nampiasa ny heriny?

17 Nahay nandanjalanja i Jesosy, rehefa nampiasa ny heriny. Tsy mba hisehosehoana na hanasongadinany ny tenany mihitsy no nampiasany izany. (Matio 4:5-7) Tsy nety nanao famantarana izy rehefa nasain’i Heroda hanao izany, satria fahalianana hafahafa no nanosika an’i Heroda. (Lioka 23:8, 9) Tsy tian’i Jesosy ho fantatr’olona maro ny heriny, ka matetika no noteneniny ireo nositraniny mba tsy hitantara tamin’olona. (Marka 5:43; 7:36) Tsy tiany ho noho ny fitantarana manaitra no hahatonga ny olona hino azy.​—Matio 12:15-19.

18-20. a) Inona no nitarika ny fomba nampiasan’i Jesosy ny heriny? b) Ahoana no fiheveranao ny fomba nanasitranan’i Jesosy an’ilay lehilahy marenina?

18 Tsy mba toy ny mpitondra olombelona i Jesosy rehefa nampiasa hery, na dia natanjaka aza. Tsy mihevitra ny zavatra ilaina na ny fanaintainan’ny olon-kafa mantsy ny olombelona. Niahy ny olona kosa i Jesosy. Nampihetsi-po azy, na dia ny fahitana fotsiny an’ireo nampahorina aza, hany ka voatosika hanao zavatra ho azy ireny izy. (Matio 14:14) Nihevitra ny fihetseham-po sy ny zavatra nilain’izy ireo izy, ary nisy akony teo amin’ny fomba nampiasany ny heriny izany fangorahana izany. Misy ohatra mampihetsi-po momba izany ao amin’ny Marka 7:31-37.

19 Nisy vahoaka be nahita an’i Jesosy, tamin’io, ka nitondra teo aminy ny marary, ary nositraniny daholo ireny. (Matio 15:29, 30) Nentin’i Jesosy nitokana anefa ny lehilahy iray, noho ny zavatra nilain’izy io. Narenina sy zara raha afaka niteny ilay lehilahy. Mety ho takatr’i Jesosy fa hendratrendratra sy nahatsiaro ho hafahafa io lehilahy io. Nentiny nitokana lavitra ny vahoaka àry izy io. Nisy fihetsika nataony avy eo, mba hahafantaran’ilay lehilahy ny zavatra hataony. “Nampidiriny tao an-tsofin’ilay lehilahy ny rantsantanany, ka nandrora izy, dia avy eo nokasihiny ny lelan’ilay lehilahy.” c (Marka 7:33) Niandrandra ny lanitra i Jesosy, avy eo, ary nivavaka sady nisento lalina. Toy ny niteny izy tamin’izany hoe: ‘Avy amin’ny herin’Andriamanitra no hanaovako izao zavatra hataoko ho anao izao.’ Hoy i Jesosy, nony farany: “Misokafa.” (Marka 7:34) Nanjary nandre indray ny sofin’ilay lehilahy, ary afaka niteny tsara izy.

20 Mampihetsi-po tokoa ny mieritreritra fa nihevitra ny fihetseham-pon’ny olona foana i Jesosy, rehefa nampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hanasitranana ireo nampahorina! Ary mampahery ny mahafantatra fa Mpanjaka be fitiavana sy tsara fanahy toy izany no notendren’i Jehovah hitondra ny Fanjakan’ny Mesia!

Taratry ny zavatra hitranga

21, 22. a) Maneho taratry ny inona ireo fahagagana nataon’i Jesosy? b) Inona no azontsika antenaina rehefa Mpanjaka i Jesosy, satria hainy ny mifehy ny herin’ny natiora?

21 Taratra kelin’ny fitahiana lehibe kokoa eo ambany fitondran’i Jesosy ny asa nampiseho ny heriny nataony teto an-tany. Mbola hanao fahagagana maneran-tany mihitsy izy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra! Ireto ny sasany amin’izany:

22 Haverin’i Jesosy amin’ny laoniny ny tontolo iainana. Tadidio fa nifehy ny herin’ny natiora izy, rehefa nampitony ilay rivo-mahery. Azo antoka àry fa tsy hatahotra rivo-doza sy horohoron-tany na volkano, na hetraketraky ny natiora, ny olona, rehefa manjaka i Kristy. Fantatr’i Jesosy tsara ny rafitry ny tany, satria Mpiasa Tena Mahay nampiasain’i Jehovah hamorona ny tany sy ny zavamiaina eo aminy izy. Hainy ny tokony hataontsika amin’izay isika tsy hanimba ny tany. Hovana ho Paradisa ity tany ity, rehefa Mpanjaka i Jesosy.​—Lioka 23:43.

23. Ahoana no hanomezan’i Jesosy fahafaham-po ny zavatra ilain’ny olona, rehefa izy no Mpanjaka?

23 Ary ahoana ny zavatra ilain’ny olona? Afaka matoky isika fa tsy hisy olona ho noana rehefa i Jesosy no Mpanjaka, satria hainy ny namahana olona an’arivony ho voky tsara, na dia sakafo kely fotsiny aza no nisy. Tsy hisy intsony koa ny noana, satria hisy sakafo betsaka ho voazara tsara. (Salamo 72:16) Nanala ny aretina rehetra izy, ka midika izany fa hositranina tanteraka sy mandrakizay ny marary, jamba, marenina, tapa-tongotra sy tanana, na malemy. (Isaia 33:24; 35:5, 6) Nahavita nanangana ny maty koa i Jesosy, ka matoky isika fa manana hery hananganana ireo olona an-tapitrisany tadidin’ny Rainy izy, rehefa Mpanjaka.​—Jaona 5:28, 29.

24. Inona no tokony hotadidintsika eo am-pianarana momba ny herin’i Jesosy, ary nahoana?

24 Tsara ny mitadidy, eo am-pianarana momba ny herin’i Jesosy, fa nanahaka tanteraka ny Rainy izy. (Jaona 14:9) Hitantsika avy amin’ny fomba nampiasan’i Jesosy ny heriny àry ny fomba ampiasan’i Jehovah ny heriny. Eritrereto, ohatra, ny fangorahan’i Jesosy, rehefa nanasitrana an’ilay boka izy. Nahonena azy ilay lehilahy, ka nokasihiny, sady niteny izy hoe: “Tiako izany ka!” (Marka 1:40-42) Hitantsika avy amin’ireny tantara ireny, fa toy ny milaza i Jehovah hoe: ‘Izany no fomba ampiasako ny heriko!’ Tsy voatosika ve ianao hidera an’ilay Andriamanitsika mahery indrindra sy hisaotra azy, noho izy mampiasa ny heriny amim-pitiavana toy izany?

a Fahita eo amin’ny Ranomasin’i Galilia ny rivo-mahery tampoka. Ambany be ilay ranomasina (200 metatra eo ho eo ambanin’ny haabon’ny ranomasina), ary mafana kokoa noho ny rivotra manodidina azy ny rivotr’ilay ranomasina, ka mampikorontana ny rivotry ny habakabaka. Misy rivo-mahery midina avy any amin’ny Tendrombohitra Hermona, any avaratra, manaraka ny Lohasahan’i Jordana. Mety hivadika sy hisy rivo-mahery tampoka ilay toetrandro tony.

b Atambatry ny Filazantsara ho ao anaty fitantarana iray koa ireo fahagagana, indraindray, ka lazalazainy ankapobe fotsiny. Lazainy, ohatra, fa tonga teo amin’i Jesosy “daholo ny tao an-tanàna” indray mandeha, ka nanasitrana “olona be dia be” izy.​—Marka 1:32-34.

c Fomba na famantarana neken’ny Jiosy sy Jentilisa ny fandrorana, ary misy tantara momba ny fampiasana rora, ao amin’ireo asa soratry ny raby. Mety mba hilazana tamin’ilay lehilahy fotsiny hoe efa ho sitrana izy, no antony nandroran’i Jesosy. Na ahoana na ahoana, dia tsy ny roran’i Jesosy no nanasitranany an’ilay lehilahy.