Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 5

Hery Hamoronana: “Ilay Mpanao ny Lanitra sy ny Tany”

Hery Hamoronana: “Ilay Mpanao ny Lanitra sy ny Tany”

1, 2. Nahoana ny masoandro no mampiseho hoe manana hery hamoronana i Jehovah?

 INONA no mitranga rehefa mitanina afo ianao amin’ny alina mangatsiaka? Mipetraka eo amin’ny toerana mety tsara ianao, mba hahazo hafanana tsara. Tsy ho zakanao ilay hafanana, raha akaiky loatra ianao. Hangatsiaka indray ianao, raha lavitra loatra an’ilay afo.

2 Misy “afo” manafana ny hoditsika isan’andro. Mirehitra any amin’ny 150 tapitrisa kilaometatra lavitra antsika izy io! a Tena mahery tokoa ny masoandro matoa tsapanao ny hafanany avy any lavitra be toy izany! Mihodidina an’io afo io anefa ny tany, ary mety tsara ny elanelany. Ho lasa etona ny rano eto an-tany, raha akaikiny loatra ny masoandro. Hivaingana kosa ny zava-drehetra, raha lavitra loatra izy. Tsy ho azo iainana ny tany raha ireo no mitranga. Tena ilain’ny zavamananaina eto an-tany ny hazavan’ny masoandro, ary sady madio no mahery sy tena mahafinaritra izy io.​—Mpitoriteny 11:7.

3. Inona no fahamarinana lehibe porofoin’ny masoandro?

3 Heverin’ny olona ho toy ny zava-mahazatra fotsiny anefa ny masoandro, na dia miankina amin’io aza ny ainy. Tsy takatr’izy ireo, noho izany, ny zavatra ampianarin’ny masoandro antsika. Hoy ny Baiboly, momba an’i Jehovah: “Namorona ny hazavana sy ny masoandro ianao.” (Salamo 74:16) Manome voninahitra an’i Jehovah, “ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany”, tokoa ny masoandro. (Salamo 19:1; 146:6) Ny masoandro dia iray monja amin’ireo zavatra eny amin’ny lanitra izay mampianatra antsika momba ny hery lehibe nampiasain’i Jehovah mba hamoronana. Andeha hodinihintsika akaiky kokoa ny sasany amin’izy ireny, ary avy eo hojerentsika ny tany sy ny zavamiaina eo aminy.

“Namorona ny hazavana sy ny masoandro” i Jehovah

“Jereo ny lanitra ka banjino”

4, 5. Manao ahoana ny hery sy ny haben’ny masoandro, nefa manao ahoana izy raha ampitahaina amin’ny kintana hafa?

4 Fantatrao angamba fa kintana ny masoandro. Toa lehibe kokoa noho ny kintana hafa hita amin’ny alina ny fahitana azy, satria akaikintsika izy io. Manao ahoana ny heriny? Misy 15 000 000 degre eo ho eo ny hafanan’ny atin’ny masoandro. Andeha hatao hoe afaka maka sombiny toy ny loham-panjaitra monja amin’io atin’ny masoandro io ianao, ka mametraka izany eto an-tany. Any amin’ny 140 kilaometatra miala amin’izy io ianao vao tsy ho may! Mamoaka hery mitovy amin’ny fipoahan’ny baomba ataomika an-jatony tapitrisa ny masoandro, isaky ny iray segondra.

5 Lehibe tokoa ny masoandro, ka antonona planeta 1 300 000 mitovy habe amin’ny tany ao anatiny. Kintana tena lehibe ve ny masoandro? Tsia, fa kintana kely miloko mavo fotsiny no iantsoan’ny manam-pahaizana azy. Nilaza ny apostoly Paoly fa “samy manana ny voninahiny ny kintana.” (1 Korintianina 15:41) Tsy fantany ny tena fahamarinan’ireo teny ara-tsindrimandry ireo. Misy kintana tena lehibe mihitsy, ka raha apetraka eo amin’ny toeran’ny masoandro izy, dia ho lasa ao anatiny ny tanintsika. Ho tonga hatrany amin’ny planeta Saturne mihitsy ny kintana lehibe iray hafa apetraka eo amin’ny toeran’ny masoandro toy izany. Tena lavitra be ny tany anefa no misy an’i Saturne, ka afaka efa-taona ny sambon-danitra vao ho tonga eny, na dia avo 40 heny noho ny fandehan’ny balan’ny basy mahery vaika aza ny hafainganam-pandehany!

6. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy voaisan’ny olona ny kintana?

6 Mbola mampitolagaga kokoa noho ny habeny ny isan’ny kintana. Toa milaza mihitsy ny Baiboly fa tsy hita isa, “hoatran’ny fasika any an-dranomasina”, ny kintana. (Jeremia 33:22) Milaza izany fa tsy ireo kintana tazan’ny maso ihany no kintana misy. Raha tena niandrandra sy nanisa ny kintana hitany tokoa ny mpanoratra ny Baiboly toa an’i Jeremia, dia ho kintana telo arivo monja no ho voaisany, satria izay ihany no ho hitan’ny mason’ny olona amin’ny alina tsy semban-drahona. Mitovitovy amin’ny isan’ny fasika iray tanana izany. Mitovy amin’ny fasiky ny ranomasina anefa ny isan’ny kintana, raha ny tena izy. b Iza no ho afaka hanisa izany?

“Miantso azy rehetra amin’ny anarany avy” izy

7. a) Firy eo ho eo ny isan’ny kintana ao amin’ny Voie lactée, ary tena betsaka ve izany? b) Nahoana no mendri-komarihina ny hoe tsy voafaritry ny manam-pahaizana ny isan’ny vahindanitra, ary inona no ampianarin’izany antsika momba ny hery namoronan’i Jehovah?

7 Mamaly toy izao ny Isaia 40:26: “Jereo ny lanitra ka banjino. Iza no namorona an’ireny zavatra ireny? Izy Ilay mamoaka azy ireny hoatran’ny mamoaka tafika, sady manisa azy tsirairay, ary miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.” Hoy ny Salamo 147:4: “Voaisany ny kintana.” Firy ny “isan’ny kintana”? Sarotra ny mamaly izany. Milaza ny manam-pahaizana fa mety hisy kintana maherin’ny 100 000 tapitrisa amin’ny vahindanitra Voie lactée misy antsika fotsiny. c Misy manam-pahaizana milaza fa mihoatra noho izany ny isan’izy ireo. Iray monja amin’ireo vahindanitra maro be anefa ny vahindanitra misy antsika, ary mbola misy kintana maro lavitra aza ny vahindanitra sasany. Ary firy ny isan’ny vahindanitra? Mieritreritra ny manam-pahaizana hoe misy ana hetsiny tapitrisa izy ireo, ary mety ho an-tapitrisany tapitrisa mihitsy. Tsy fantatra àry hatreto hoe firy ny tena isan’ny vahindanitra, koa mainka moa fa ny isan’ireo kintana an’arivony tapitrisa ao amin’izy ireny! Fantatr’i Jehovah kosa ny isan’ny kintana, ary antsoiny amin’ny anarany avy izy ireny!

8. a) Hazavao ny mombamomba ny halehiben’ny vahindanitra Voie lactée. b) Ahoana no ifehezan’i Jehovah ny fihetsehan’ireo zavatra eny amin’ny lanitra?

8 Vao mainka isika matahotra sy manaja an’i Jehovah, rehefa mahafantatra ny haben’ireo vahindanitra. Afaka mandeha 300 000 kilaometatra isan-tsegondra ny hazavana. Eritrereto fa afaka 100 000 taona vao hahatety ny vahindanitra misy antsika ny hazavana! Ary misy vahindahitra mbola lehibe lavitra noho ny vahindanitra misy antsika. Lazain’ny Baiboly fa ‘manenjana ny lanitra’ toy ny manenjana lamba i Jehovah. (Salamo 104:2) Izy koa no mandamina ny fivezivezen’ireo zavatra noforoniny ireo. Mihetsika araka ny lalàna fizika napetrak’Andriamanitra ireo zavatra eny amin’ny lanitra, manomboka amin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra. (Joba 38:31-33) Nampitahain’ny mpahay siansa amin’ny dihy mirindra, araka izany, ny fihetsehan’ireo zavatra eny amin’ny lanitra! Eritrereto àry Ilay namorona azy ireny. Tsy talanjona ve ianao manoloana ilay Andriamanitra manana hery hamoronana toy izany?

“Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny”

9, 10. Hazavao ny fisehoan’ny hery namoronan’i Jehovah, eo amin’ny masoandro sy ireo planeta mihodidina azy, i Jupiter, ny tany ary ny volana.

9 Miharihary eto amin’ny tany fonenantsika ny hery namoronan’i Jehovah. Napetrany tsara eto amin’izao rehetra izao tena lehibe ny tany. Misy mpahay siansa milaza fa maro ny vahindanitra tsy mety ho an’ny planeta misy zavamananaina toy ny tany. Hita fa tsy natao hiainana ny tapany lehibe amin’ny vahindanitra Voie lactée misy antsika. Feno kintana eo afovoan’izy io. Mahery ny taratra niokleary eo amin’izany, ary mifanena akaiky kely matetika ireo kintana. Tsy misy an’ireo zavatra ilain’ny zavamananaina ny sisin’ny Voie lactée. Eo afovoan’izany rehetra izany no misy ny masoandro sy ireo planeta mihodidina azy.

10 Arovan’ny planeta Jupiter koa ny tany. Lavitra azy izy io, nefa lehibe, satria avo arivo henin’ny haben’ny tany ny habeny. Manana hery misintona lehibe izy io. Inona no vokany? Sintoniny, na aviliny lalana, ireo zavatra manidina eny ambony eny. Milaza ny mpahay siansa fa ho avo 10 000 heny ny herin’ireo zavatra maro be mandona ny tany, raha tsy teo i Jupiter. Mbola mandray soa avy amin’ny volana koa ny tanintsika. Tsy vitan’ny hoe tsara tarehy sy manazava ny alina fotsiny ny volana, fa izy koa no mihazona ny tany hitongilana. Io fitongilanana io no mahatonga antsika hanana fizaran-taona samihafa, izay tena ilain’ny zavamananaina.

11. Hazavao ny fomba iarovan’ny atmosfera ny tany.

11 Hita tamin’ny fomba namoronana ny tany fa manana hery i Jehovah. Diniho ny atmosfera, ilay ampinga miaro ny tany. Mamoaka taratra mahasalama sy mahafaty ny masoandro. Mivadika ho ôzônina ny oksizenina, rehefa miantraika eo amin’ny atmosfera ambony ilay taratra mahafaty. Io ôzônina miforona io indray kosa no mitelina ny ankamaroan’ireo taratra mahafaty ireo. Natao ho afaka hiaro ny tenany tokoa ny tany!

12. Nahoana ny tsingerin’ny rano no mampiharihary hoe manana hery hamoronana i Jehovah?

12 Lafiny iray monja amin’ny atmosfera izany. Ny atmosfera dia fifangaroana gaza mety tsara mba hahavelona ireo zavamananaina eto an-tany. Anisan’ny zava-mahagaga aminy ny tsingerin’ny rano. Mamadika ranomasina 400 000 kilaometatra toratelo isan-taona mba ho etona ny masoandro. Mitambatra ho rahona ireny rano ireny, ary avezivezin’ny rivotry ny atmosfera. Manjary madio indray ireny rano ireny avy eo, ka milatsaka ho orana sy orampanala ary ranomandry, mba hameno indray ny tahirin-dranon’ny tany. Izao indrindra no ilazan’ny Mpitoriteny 1:7 izany: “Mikoriana mankany an-dranomasina daholo ny renirano, nefa tsy tondraka ny ranomasina. Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, dia avy any indray izy no mikoriana.” I Jehovah ihany no afaka mampiverina hatrany izany tsingerina izany.

13. Inona no porofon’ny herin’ilay Mpamorona hitantsika eo amin’ny zavamaniry sy ny tany?

13 Miharihary eo amin’ny zavamananaina rehetra ny herin’ilay Mpamorona: Manomboka amin’ny hazo séquoia avo noho ny trano misy rihana 29, ka hatramin’ny zavamaniry tena bitika any an-dranomasina, izay manome ny ankamaroan’ny oksizenina fohintsika. Feno zavamananaina, na dia ny tany hitsahintsika aza: Ao ny kankana, holatra, sy bibikely hafa miara-miasa tsara mba hampitombo ny zavamaniry. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe manana hery ny tany.​—Genesisy 4:12, f.a.p.

14. Inona no hery misy na dia ao anatin’ny ataoma kely aza?

14 I Jehovah tokoa no “Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny.” (Jeremia 10:12) Miharihary eo amin’ny zavatra madinika indrindra noforoniny ny heriny. Mbola tsy matevina noho ny volon’olombelona na dia ny ataoma iray tapitrisa atambatambatra aza. Ary na dia hitarina hitovy haavo amin’ny trano misy rihana 13 aza ny ataoma iray, dia mbola zara raha hitovy amin’ny poti-tsira voatoto iray eo amin’ny rihana fahenina ny haben’ny atiny. Avy ao amin’io atiny tena faran’izay kely io anefa no ipoiran’ny hery tena lehibe amin’ny fipoahana niokleary!

“Ny zavamananaina rehetra”

15. Inona no tian’i Jehovah hampianarina an’i Joba, rehefa noresahiny taminy ny momba ireo bibidia samihafa?

15 Ny habetsahan’ny biby eto an-tany no anisan’ny tena manaporofo hoe manana hery hamoronana i Jehovah. Mitanisa an’ireo zavatra midera an’i Jehovah ny Salamo 148, ary tononin’ny andininy faha-10 ny ‘bibidia sy ny biby fiompy rehetra.’ Niresaka tamin’i Joba i Jehovah indray mandeha, mba hampisehoana hoe tokony ho talanjona amin’ilay Mpamorona ny olombelona. Noresahiny ny momba ny liona, zebra, ombidia, behemota (hipopotama), ary leviatana (voay). Inona no tiany hambara? Raha talanjona ny olona manoloana ireny zavaboary matanjaka sy mampahatahotra ary sarotra fehezina ireny, inona no tokony ho tsapany momba ny Mpamorona?​—Joba toko 38-41.

16. Inona no mampiaiky volana momba ny sasany amin’ireo vorona noforonin’i Jehovah?

16 Miresaka momba ny “vorona manana elatra” koa ny Salamo 148:10. Misy karazany be dia be izy ireny! Noresahin’i Jehovah tamin’i Joba fa ‘ihomehezan’ny aotirisy fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy.’ Marina fa tsy manidina io vorona manana haavo 2,50 metatra io. Afaka mihazakazaka 65 kilaometatra isan’ora kosa anefa izy, ary mahavita 4,5 metatra indray mandingana! (Joba 39:13, 18) Saika manidina eny ambony ranomasina foana kosa ny lohovava. Mahatratra telo metatra ny halavan’ny elany roa mivelatra. Afaka misidina mandritra ny ora maro izy, nefa tsy mila mikopaka elatra akory. Ny kôlibria indray no vorona kely indrindra, satria dimy santimetatra monja no halavany. Afaka mikopaka elatra im-80 isan-tsegondra izy! Afaka manidina tsy mihetsika eo amin’ny toerany, toy ny helikoptera, io vorona hafakely io, ary afaka manidina miverina mihitsy aza.

17. Manao ahoana ny haben’ny trozona manga, ary inona no tsapantsika rehefa mandinika ny biby noforonin’i Jehovah isika?

17 Milaza ny Salamo 148:7 fa midera an’i Jehovah, na dia ireo “biby ngezabe any an-dranomasina” aza. Heverina ho ny biby lehibe indrindra ny trozona manga. Mety hahatratra 30 metatra, na mihoatra noho izany, ny halavany. Mety hitovy lanja amin’ny elefanta lehibe 30 izy. Ny lelany fotsiny dia efa mitovy lanja amin’ny elefanta iray. Mitovy habe amin’ny fiara madinika ny fony. Intsivy isa-minitra monja io fony io no mitepo, fa tsy toy ny an’ny kôlibria, izay mitepo in-1200 isa-minitra. Tena lehibe ny lalan-drany sasany, ka mety ho afaka handady ao anatiny ny ankizy iray. Tena manosika antsika tokoa ny fontsika mba hamerina ny fampirisihan’ny Salamo hoe: “Aoka hidera an’i Jah ny zavamananaina rehetra.”​—Salamo 150:6.

Fianarana avy amin’ny hery nampiasan’i Jehovah mba hamoronana

18, 19. Manao ahoana ny habetsahan’ny karazan’ireo zavamananaina noforonin’i Jehovah eto an-tany, ary inona no ampianarin’izany antsika momba ny zony hitondra?

18 Inona no ianarantsika avy amin’ny fampiasan’i Jehovah ny heriny mba hamoronana? Gaga tanteraka isika mahita ny karazan’ireo zavaboariny. Hoy ny mpanao salamo: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! ... Feno zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24) Tena marina izany! Nahita karazana zavamananaina maherin’ny iray tapitrisa ny manam-pahaizana. Misy amin’izy ireo anefa mihevitra hoe mbola mihoatra noho izany ny isan’ny zavamananaina. Mety tsy hahita zavatra hatao sary intsony ny mpanao hoso-doko, indraindray. Tsy mety ritra kosa anefa ny herin’i Jehovah hamoronana zavatra vaovao.

19 Mampianatra antsika momba ny zon’i Jehovah hitondra ny fampiasany ny heriny mba hamoronana. Ilay teny hoe “Mpamorona” mihitsy dia efa mampisaraka an’i Jehovah amin’ny zavatra hafa rehetra, satria “zavaboariny” daholo ireny. Na i Jesosy Zanany lahitokana, ilay nantsoina hoe “mpiasa tena mahay”, aza dia tsy antsoin’ny Baiboly mihitsy hoe Mpamorona, na Mpiara-mamorona. (Ohabolana 8:30; Matio 19:4) Antsoina kosa hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” izy. (Kolosianina 1:15) I Jehovah irery no manana ny fahefana ho mpitondra an’izao rehetra izao, satria izy no Mpamorona.​—Romanina 1:20; Apokalypsy 4:11.

20. Inona no dikan’ilay hoe nitsahatra i Jehovah, taorian’ny nahavitany ny famoronana teto an-tany?

20 Efa tsy mampiasa ny heriny mba hamoronana intsony ve i Jehovah? Milaza tokoa ny Baiboly fa “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony izy tamin’ny andro fahafito.” (Genesisy 2:2) Nilaza ny apostoly Paoly fa an’arivony taona io “andro” fahafito io, satria mbola tao anatin’io andro io no niainany. (Hebreo 4:3-6) Milaza ve anefa ilay hoe “nitsahatra” fa tsy manao na inona na inona intsony i Jehovah? Tsia, satria miasa foana izy. (Salamo 92:4; Jaona 5:17) Midika fotsiny àry izany fa hoe nitsahatra tsy namorona zavatra eto an-tany intsony izy. Tsy mijanona mihitsy kosa ilay asa ataony hanatanterahana ny fikasany. Nampanoratra ny Soratra Masina, ohatra, izy. Anisan’ny asany mihitsy aza ny namorona “zavaboary vaovao”, izay horesahintsika ao amin’ny Toko 19.​—2 Korintianina 5:17.

21. Rehefa hiaina mandrakizay isika, dia ahoana no ho tsapantsika rehefa mahita ny fomba nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hamoronana?

21 Ho afaka hiteny i Jehovah, rehefa tapitra ny andro fitsaharany, fa “tena tsara” ny asany rehetra, tsy misy hafa amin’ny nolazainy taorian’ny andro famoronana fahenina. (Genesisy 1:31) Mbola ho hita eo ihany ny fomba tiany hampiasana ny heriny tsy misy fetra mba hamoronana. Na ahoana na ahoana anefa, dia azontsika antoka fa mbola ho talanjona isika hahita ny fomba hampiasany ny heriny mba hamoronana. Rehefa hiaina mandrakizay isika, dia mbola hiana-javatra betsaka momba an’i Jehovah avy amin’ny zavatra noforoniny. (Mpitoriteny 3:11) Vao mainka isika ho talanjona amin’ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao antsika arakaraka ny ahafantarantsika azy, ary ho akaiky azy kokoa isika.

a Indro misy fanoharana hanazavana izany: Raha mandeha fiara amin’izany halavirana izany ianao, dia ho zato taona mahery vao ho tonga, na dia atao aza hoe mandeha 160 kilaometatra isan’ora ianao, ary mandeha andro aman’alina!

b Misy milaza fa tsy maintsy ho efa nampiasa teleskaopy (masolavitra) tsotsotra ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly. Mihevitra mantsy izy ireo hoe ‘Ahoana no nahafantaran’ny olona tamin’izany fa tsy voaisan’ny olona ny kintana?’ Manambany an’i Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly, ny hevitra toy izany.​—2 Timoty 3:16.

c Andeha hatao hoe hanisa kintana 100 000 tapitrisa ianao. Afaka 3 171 taona ianao vao hahisa azy rehetra, raha afaka manisa iray isan-tsegondra, ary tsy mitsahatra andro aman’alina!