Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 11

“Manao ny Rariny Foana Izy”

“Manao ny Rariny Foana Izy”

1, 2. a) Inona no tsy rariny nanjo an’i Josefa? b) Ahoana no nanitsian’i Jehovah ny tsy rariny tamin’izany?

 TENA tsy rariny ilay izy. Tsy nisy heloka nataon’ilay tovolahy tsara tarehy, nefa nalefa tao amin’ny lakalin’ny tranomaizina izy satria nendrikendrehina ho saika hanolana vehivavy. Tsy vao izay ihany anefa izy no niharan’ny tsy rariny. Vao 17 taona io tovolahy atao hoe Josefa io, taona vitsivitsy talohan’io, dia efa nivadihan’ny rahalahiny, izay saika namono azy mihitsy. Namidy ho andevo tany an-tany hafa izy taorian’izay. Tsy nanaiky ny fanambatambazan’ny vadin’ny tompony izy tany. Io vehivavy io no namolavola an’ilay fanendrikendrehana, ka izay no nampigadra azy. Nampalahelo fa toa tsy mba nisy olona afaka niaro an’i Josefa.

2 Nahita izany anefa ilay Andriamanitra “tia rariny sy hitsiny.” (Salamo 33:5) Nanao zavatra hanitsiana izany tsy rariny izany izy, ka nitarika ny zava-nitranga mba hanafahana an’i Josefa. Nanjary nomena toerana ambony sy nomem-boninahitra be mihitsy i Josefa, ilay lehilahy nampidirina am-ponja. (Genesisy 40:15; 41:41-43; Salamo 105:17, 18) Voaporofo ihany tamin’ny farany fa tsy nanan-tsiny i Josefa, ary nomena toerana ambony izy, mba hanatanterahana sitrapon’Andriamanitra hafa.​—Genesisy 45:5-8.

Nijaly tsy ara-drariny tany am-ponja i Josefa

3. Nahoana no tsy mahagaga raha tiantsika rehetra ny hoentina ara-drariny?

3 Azo antoka fa tsapantsika ny nanjo an’i Josefa teo. Iza tamintsika no mbola tsy niharan’ny tsy rariny, na nahita olona toy izany? Irintsika rehetra tokoa ny hoentina ara-drariny sy tsy avakavahana. Tsy mahagaga izany, satria nomen’i Jehovah toetra mitovy amin’ny azy isika, ary iray amin’ireo toetrany lehibe indrindra ny fitiavana ny rariny. (Genesisy 1:27) Tsy maintsy mamantatra ny fitiavan’i Jehovah ny rariny isika, raha te hahafantatra tsara azy. Amin’izay dia ho hitantsika tsara kokoa ny toetrany mahafinaritra, ary ho voasarika hanatona azy isika.

Inona no atao hoe rariny?

4. Ahoana matetika no fiheveran’ny olombelona ny atao hoe rariny?

4 Araka ny fijerin’olombelona, dia fampiharana tsara ny lalàna fotsiny ny atao hoe rariny, na fahamarinana. Milaza ilay boky hoe Zo sy Fahaizana: Fitsipika ao Amin’ny Teoria sy ny Zava-misy (anglisy) fa “ny rariny dia ampifandraisina amin’ny lalàna sy adidy ary zo, ka ny fitoviana sy fahamendrehana no andrefesana ny hatsarany.” Rehefa mampihatra ny rariny anefa i Jehovah dia tsy hoe adidy fotsiny no anaovany izany.

5, 6. a) Inona no dikan’ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “rariny”? b) Inona no dikan’ny hoe manao ny rariny Andriamanitra?

5 Ho takatsika kokoa ny halehibe sy halalin’ny rariny ampiharin’i Jehovah, raha fakafakaintsika ireo teny nanoratana ny Baiboly. Teny lehibe telo no ampiasain’ny Soratra Hebreo. Azo adika hoe “mahitsy” ilay teny adika matetika hoe “rariny.” (Genesisy 18:25) Adika hoe “fahamarinana” ireo teny roa hafa. Ilay teny nadika hoe “fahamarinana” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina dia nofaritana hoe “toetran’izay mahitsy na marina.” Misy ifandraisany akaiky àry ny fahamarinana sy ny rariny.​—Amosa 5:24.

6 Rehefa milaza àry ny Baiboly hoe manao ny rariny Andriamanitra, dia midika izany fa manao izay mahitsy sy mety mandrakariva izy, sady tsy mijery tavan’olona. (Romanina 2:11) Tena tsy azo inoana hanao zavatra mifanohitra amin’izany izy. Hoy i Eliho tsy nivadika: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy mety!” (Joba 34:10) Tena tsy hanao ny tsy rariny mihitsy i Jehovah. Nahoana? Noho ny antony roa lehibe.

7, 8. a) Nahoana no tsy hain’i Jehovah ny manao ny tsy rariny? b) Inona no manosika azy hanao ny marina, na rariny?

7 Voalohany, dia satria masina izy. Hitantsika tao amin’ny Toko 3 fa madio sy marina amin’ny heviny feno i Jehovah. Tsy afaka ny hanao ny tsy rariny mihitsy àry izy. Hevero ny dikan’izany. Masina ilay Raintsika any an-danitra, ka matoky tanteraka isika fa tsy hanao ratsy fitondra ny zanany mihitsy izy. Natoky an’izany i Jesosy. Nivavaka toy izao izy, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany: “Ray Masina ô, arovy izy ireo [ireo mpianatra] noho ilay anaranao.” (Jaona 17:11) I Jehovah ihany no antsoina hoe “Ray masina” ao amin’ny Soratra Masina. Mety izany, satria tsy misy ray olombelona afaka mifampitaha amin’ny fahamasinan’i Jehovah. Natoky tanteraka i Jesosy fa tsy haninona ny mpianany raha eo an-tanan’ny Rainy, izay madio tanteraka sy tafasaraka amin’ny ota rehetra.​—Matio 23:9.

8 Faharoa, dia satria ny fitiavana tsy mitady valiny no tena toetran’Andriamanitra. Io fitiavana io no mahatonga azy ho marina sy hanao ny rariny, eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Ny fitsiriritana tafahoatra sy ny fitiavan-tena, izay mifanohitra amin’ny fitiavana, kosa no mahatonga ny tsy rariny rehetra, anisan’izany ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fiangarana. Manome toky antsika toy izao, momba an’ilay Andriamanitra fitiavana, ny Baiboly: “Manao ny rariny i Jehovah, ary tia ny rariny izy.” (Salamo 11:7) Hoy i Jehovah: “Izaho Jehovah dia tia rariny.” (Isaia 61:8) Tsy mampahery antsika ve ny mahafantatra fa tian’Andriamanitra ny manao izay mahitsy, na rariny?​—Jeremia 9:24.

Mamindra fo i Jehovah ary tonga lafatra ny fanaovany ny rariny

9-11. a) Inona no ifandraisan’ny rariny sy ny famindram-pon’i Jehovah? b) Lazao ny fomba isehoan’ny rariny sy ny famindram-pon’i Jehovah eo amin’ny fomba itondrany ny mpanota.

9 Tonga lafatra ny fanaovan’i Jehovah ny rariny, mitovy amin’ireo toetrany mahafinaritra hafa ihany. Nidera an’i Jehovah toy izao i Mosesy: “Izy ilay Vatolampy! Tonga lafatra ny zavatra ataony, fa manao ny rariny foana izy. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary sanatria azy ny hanao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.” (Deoteronomia 32:3, 4) Tsy misy tsininy ny rariny rehetra ampiharin’i Jehovah, sady tsy diso mandefitra no tsy diso masiaka.

10 Mifandray akaiky koa ny rariny sy famindram-pon’i Jehovah. Hoy ny Salamo 116:5: “Mangoraka sy manao ny rariny i Jehovah; mamindra fo ny Andriamanitsika.” Sady manao ny marina, na rariny, i Jehovah, no mamindra fo. Tsy mifanohitra ireo toetrany roa ireo. Tsy manalefaka ny rariny akory ny famindram-pony, ka toy ny hoe masiaka loatra ny fanaovany ny rariny. Miaraka asehony kosa ireo toetra ireo matetika. Indro misy ohatra:

11 Mendrika ho faty daholo ny olona, satria nandova ota. (Romanina 5:12) Tsy zavatra mahafinaritra an’i Jehovah anefa ny fahafatesan’ny mpanota. “Andriamanitra vonona hamela heloka sady mangoraka, [sy] mamindra fo” izy. (Nehemia 9:17) Masina koa anefa izy, ka tsy mandefitra amin’ny tsy fahamarinana. Ahoana àry no namindrany fo tamin’ny olombelona nandova ota? Mamaly izany ny iray amin’ireo fahamarinana sarobidy indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana ho an’ny olombelona. Hianarantsika bebe kokoa ao amin’ny Toko 14 ny momba izany. Ara-drariny tanteraka izy io no sady feno famindram-po koa. Amin’ny alalan’izy io no hamindran’i Jehovah fo amin’ny mpanota nibebaka, no sady hampiharany ny rariny lavorary koa.​—Romanina 3:21-26.

Lasa tia an’i Jehovah isika satria manao ny rariny izy

12, 13. a) Nahoana ny fanaovan’i Jehovah ny rariny no mahatonga antsika hanatona azy? b) Inona no fanatsoahan-kevitr’i Davida momba ny fanaovan’i Jehovah ny rariny? Nahoana izany no mampahery antsika?

12 Tsy mampandositra antsika ny rariny ataon’i Jehovah, fa mahatonga antsika hanatona azy kosa. Lazain’ny Baiboly fa miantra koa i Jehovah rehefa manao ny rariny, na marina. Andeha hofakafakaintsika ny sasany amin’ireo fomba anaovan’i Jehovah rariny ka mahatonga antsika ho tia azy.

13 Mahatonga an’i Jehovah tsy hivadika amin’ny mpanompony ny fanaovany ny rariny. Hitan’i Davida mpanao salamo tsara izany lafiny amin’ny rariny ataon’i Jehovah izany. Inona no fanatsoahan-keviny avy amin’ny zavatra niainany sy ny fianarany ny zavatra nataon’Andriamanitra? Hoy izy: “Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy. Ho voaro foana izy ireo.” (Salamo 37:28) Mampahery tokoa izany fanomezan-toky izany! Tsy hanary izay tsy mivadika aminy mihitsy Andriamanitra. Afaka manantena àry isika fa ho akaiky antsika sy hiahy antsika foana izy. Antoka amin’izany ny fanaovany ny rariny!​—Ohabolana 2:7, 8.

14. Inona no nolazain’ny Lalàna, ka mampiseho fa miahy an’ireo niangaran’ny fiainana i Jehovah?

14 Mahita ny zavatra ilain’ireo ory sy niangaran’ny fiainana Andriamanitra, rehefa manao ny rariny. Miharihary eo amin’ny Lalàna nomeny ny Israely izany. Nisy fitsipika nolazain’izy io, ohatra, mba hikarakarana ny kamboty sy ny vehivavy maty vady. (Deoteronomia 24:17-21) Fantatr’i Jehovah fa tena sarotra ny fiainan’ny olona toy izany, ka nanjary Ray sy Mpitsara ary Mpiaro azy ireo izy, dia ilay “manome rariny ho an’ny kamboty ray sy ny mpitondratena.” a (Deoteronomia 10:18; Salamo 68:5) Nampitandrina ny Israelita i Jehovah fa hihaino ny fitarainan’ireo kamboty sy maty vady izy, raha nisy nampahory azy ireo. Hoy izy: “Ho tezitra be aho.” (Eksodosy 22:22-24) Marina fa tsy toetra mampiavaka an’i Jehovah ny fahatezerana, nefa tena tezitra izy rehefa misy minia manao ny tsy rariny, indrindra fa raha ny ambany sy tsy misy mpiaro no anaovana izany.​—Salamo 103:6.

15, 16. Inona no iray amin’ireo ohatra tena miavaka momba ny tsy fijeren’i Jehovah tavan’olona?

15 Manome toky antsika koa i Jehovah fa “tsy mba miangatra amin’iza na iza na mandray kolikoly” izy. (Deoteronomia 10:17) Tsy toy ny manam-pahefana olombelona i Jehovah, ka tsy voasariky ny harena na ny endrika ivelany. Tsy misy fiangarana mihitsy ao aminy. Indro misy ohatra tena miavaka momba izany. Tsy olona manokana vitsivitsy monja no afaka ho tonga mpivavaka marina aminy sy hiaina mandrakizay, “fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Misokatra ho an’ny rehetra izany, na manao ahoana na manao ahoana ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, na ny volon-kodiny, na ny firenena misy azy. Tsy izany ve no tena rariny?

16 Misy lafiny hafa amin’ny rariny ataon’i Jehovah koa anefa mendrika ny hodinihintsika sy hohajaintsika. Izany dia ny fomba itondrany an’ireo nandika ny fitsipiny marina.

Tsy avelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao ratsy

17. Nahoana ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao no tsy manamatroka ny rariny ataon’i Jehovah?

17 Mety hisy hanontany hoe: ‘Raha tsy mandefitra amin’ny tsy fahamarinana àry i Jehovah, nahoana no mbola avelany hisy ny fijaliana sy ny zava-dratsy fahita ankehitriny?’ Tsy manamatroka ny rariny ataon’i Jehovah mihitsy ireny zava-mitranga ireny. Vokatry ny fahotana nolovan’ny olombelona avy tamin’i Adama ny tsy rariny eto amin’ity tontolo ratsy ity. Manjaka ny tsy rariny eo amin’ny tontolon’ny olona tsy lavorary sy manao izay tiany hatao. Tsy haharitra anefa izany.​—Deoteronomia 32:5.

18, 19. Inona no mampiseho fa tsy handefitra mandrakizay amin’ireo minia mandika ny lalàny marina i Jehovah?

18 Mamindra fo amin’ireo manatona azy amim-pahatsorana i Jehovah, nefa tsy handefitra mandrakizay amin’ny tarehin-javatra manala baraka ny anarany masina. (Salamo 74:10, 22, 23) Tsy azo vazivazina ilay Andriamanitry ny rariny. Tsy hiaro an’ireo minia manota izy, fa tsy maintsy hiharan’ny didim-pitsarana mendrika azy izy ireny. I Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana, ... kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an’izay meloka.” (Eksodosy 34:6, 7) Hitan’i Jehovah, indraindray, araka ireo teny ireo, fa tsy maintsy mampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo minia mandika ny lalàny izy.

19 Diniho, ohatra, ny fomba nitondran’Andriamanitra ny Israely fahiny. Nivadika taminy matetika ny Israelita, na dia efa tafapetraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina aza. Tsy avy hatrany dia narian’i Jehovah tanteraka anefa izy ireo, na dia “nandratra ny fony” aza. (Salamo 78:38-41) Namindrany fo kosa izy ireo, ka nomeny fahafahana hiova. Niangavy azy ireo toy izao izy: “Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa tiako izy hiova dia ho velona foana. Mialà, mialà amin’ny ratsy fanaonareo. Sa ve ianareo te ho faty, ry taranak’Israely ô?” (Ezekiela 33:11) Sarobidy amin’i Jehovah ny aina, ka namerimberina naniraka mpaminany izy, mba hialan’ny Israelita tamin’ny lalan-dratsiny. Tsy nety nihaino sy nibebaka anefa ireo vahoaka mafy fo ireo. Navelan’i Jehovah ho resin’ny fahavalony àry izy ireo, noho ny anarany masina sy ny dikan’io anarany io.​—Nehemia 9:26-30.

20. a) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, avy amin’ny fomba nitondrany ny Israely? b) Nahoana ny liona no mety tsara mba ho mariky ny rariny ataon’i Jehovah?

20 Mampianatra antsika zavatra betsaka momba an’i Jehovah ny fomba nitondrany ny Israely. Fantatsika fa hitany tsara ny tsy rariny, ary mampalahelo be azy izany. (Ohabolana 15:3) Mampahery antsika koa ny mahafantatra fa vonona hamindra fo izy, rehefa misy antony hanaovana izany. Mbola fantatsika koa fa tsy ataony maimaika ny fanaovany ny rariny. Manam-paharetana i Jehovah, ka heverin’ny maro fa tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy mihitsy izy. Tsy marina velively anefa izany, satria hitantsika tamin’ny nataon’Andriamanitra tamin’ny Israely fa misy fetrany ny faharetany. Hentitra amin’ny fahamarinana izy. Miahotra hanao ny rariny matetika ny olombelona, fa ampy tsara kosa ny herim-pon’Andriamanitra hijoroana ho amin’izay mahitsy. Mety indrindra raha mariky ny rariny aseho amin-kerim-po ny liona, ary ampifandraisina amin’ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany. b (Ezekiela 1:10; Apokalypsy 4:7) Azontsika antoka àry fa hesoriny, araka ny nampanantenainy, ny tsy rariny eto an-tany. Azo fintinina toy izao tokoa ny fomba fitsarany: Hentitra rehefa ilaina izany, mamindra fo rehefa tokony hamindra fo.​—2 Petera 3:9.

Manatòna an’ilay Andriamanitry ny rariny

21. Rehefa mieritreritra ny fomba anaovan’Andriamanitra ny rariny isika, ahoana no tokony hiheverantsika azy, ary nahoana?

21 Rehefa mieritreritra ny fomba anaovan’i Jehovah ny rariny isika, dia tsy tokony hihevitra azy ho mpitsara tsy miraika sy hentitra be izay tsy liana afa-tsy ny hanameloka ny mpanao ratsy. Tokony hoheverintsika kosa izy hoe Ray be fitiavana nefa hentitra, ary mitondra ny zanany amin’ny fomba tsara indrindra. Ray manao ny rariny i Jehovah, ka ampifandanjainy tsara ny hoe hentitra sy ny rariny, miaraka amin’ny famindram-po amin’ireo zanany eto an-tany mila ny fanampiany sy ny famelany.​—Salamo 103:10, 13.

22. Hoavy manao ahoana no homen’i Jehovah antsika, noho ny fanaovany ny rariny, ary nahoana no manao izany amintsika izy?

22 Tokony hankasitrahantsika tokoa ny hoe tsy fanamelohana ny mpanao ratsy fotsiny no tafiditra amin’ny rariny ataon’Andriamanitra! Manao ny rariny i Jehovah, ka nataony izay hananantsika hoavy tena hafakely, dia fiainana lavorary sy mandrakizay ao amin’ny tontolo “hanjakan’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Manao izany amintsika ilay Andriamanitsika, satria famonjena no anton’ilay rariny ataony, fa tsy fanamelohana. Mahatonga antsika hanatona an’i Jehovah tokoa ny fahatakarantsika tsara kokoa ny fitiavany ny rariny! Hojerentsika ao amin’ireo toko manaraka ny fomba anehoan’i Jehovah an’io toetra mahafinaritra io.

a Hita avy amin’ny tantaran’ny zanakavavin’i Zelofada, fa tsy ny ankizilahy kamboty ihany no anehoan’i Jehovah fiahiana fa na ny ankizivavy koa aza. Tsy nanan-janakalahy i Zelofada, dia namoaka didy i Jehovah hoe tokony homena ny zanany vavy ny anjara lovany. Lasa lalàna nipetraka io didy io ka niaro ny zon’ny ankizivavy kamboty.​—Nomery 27:1-8.

b Mahaliana fa mampitaha ny tenany amin’ny liona mampihatra didim-pitsarana amin’ny Israely nivadika i Jehovah.​—Jeremia 25:38; Hosea 5:14.