Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 15

‘Hanao ny Rariny eto An-tany’ i Jesosy

‘Hanao ny Rariny eto An-tany’ i Jesosy

1, 2. Oviana i Jesosy no tezitra, ary nahoana?

 HITA fa tezitra i Jesosy, ary rariny ny azy. Mety ho sarotra aminao ny mieritreritra izany, satria olona tena nalemy fanahy izy. (Matio 21:5) Voafehiny tsara anefa izany fahatezerany ara-drariny izany. a Inona anefa no nahatezitra an’io lehilahy tia fihavanana io? Zavatra tena tsy rariny.

2 Tena tian’i Jesosy ny tempoly tany Jerosalema. Io irery no toerana masina teto an-tany natokana hivavahana tamin’ilay Rainy tany an-danitra. Tonga avy lavitra mba hivavaka tao ny Jiosy avy tany amin’ny tany maro. Nisy hafa firenena natahotra an’Andriamanitra koa tonga tao, ka niditra teo amin’ny tokotanin’ny tempoly natokana ho azy ireo. Nisy zavatra nahatsiravina hitan’i Jesosy anefa tao, teo am-piandohan’ny fanompoany. Lasa tsena ilay tempoly, fa tsy trano fivavahana! Feno mpivarotra sy mpanakalo vola tao. Inona anefa no tsy rariny tamin’izany? Toy ny toerana hanararaotana olona sy hangalarana mihitsy ny tempoly, ho an’ireo olona ireo. Ahoana izany?​—Jaona 2:14.

3, 4. Inona no fanararaotana niseho tao an-tranon’i Jehovah, ary inona no nataon’i Jesosy momba izany?

3 Namoaka didy ny mpitondra fivavahana fa vola madinika manokana no azo nandoavana hetra ho an’ny tempoly. Tsy maintsy nanakalo vola ireo mpitsidika mba hahazoana izany. Napetrak’ireo mpanakalo vola tao anatin’ny tempoly àry ny latabany, ary nasainy nandoa vola amboniny ireo nanakalo vola. Nahazoam-bola be koa ny fivarotana biby. Afaka nividy biby tamin’ny mpivarotra teo an-tanàna ireo vahiny, nefa nety ho nolazain’ireo mpiandraikitra ny tempoly fa tsy mety hatao fanatitra ilay biby. Nekena kosa ireo biby novidina tao amin’ny tempoly. Nataon’ireo mpivarotra lafo be àry indraindray ireo biby, satria tsy maintsy nividy teo ny olona. b Ratsy noho ny varotra fanararaotana izany, satria halatra mihitsy!

4 Tsy nandefitra tamin’izany tsy rariny izany i Jesosy. Tranon’ilay Rainy io! Nanamboatra karavasy izy, ka nandroaka an’ireo biby hivoaka ny tempoly. Nanao dingan-dava nanatona an’ireo mpanakalo vola izy avy eo, ka nanjera ny latabatr’izy ireo. Eritrereto ireo vola madinika niparitaka teo amin’ilay gorodona marbra! Hentitra izy niteny an’ireo mpivarotra voromailala hoe: “Ento mivoaka any ireo!” (Jaona 2:15, 16) Toa tsy nisy sahy nanohitra an’io lehilahy be herim-po io.

“Ento mivoaka any ireo!”

Manahaka ny Rainy ilay Zanaka

5-7. a) Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho tia rariny hoatran’i Jehovah, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelany? b) Ahoana no nataon’i Jesosy mba hanarenana ny tsy rariny nataon’i Satana? Ary inona koa no mbola hataony amin’ny hoavy?

5 Mazava ho azy fa niverina indray ireo mpivarotra. Mbola hitan’i Jesosy indray ireo tsy rariny ireo, telo taona teo ho eo taorian’io. Ny tenin’i Jehovah manameloka an’ireo manao ny tranony ho “lava-bato fiafenan’ny jiolahy” kosa no nampiasainy tamin’izay. (Jeremia 7:11; Matio 21:13) Nahatsapa izay tsapan’ny Rainy i Jesosy, rehefa nahita ireo fanararaotana sy fandotoana ny tempoly ireo. Tsy mahagaga izany satria nampianarin’ny Rainy azy ny atao hoe rariny nandritra an’ireo an-tapitrisany taona niainany tany an-danitra! Lasa tia rariny toa an’i Jehovah mihitsy àry izy. Nanahaka ny Rainy tokoa ilay Zanaka teo. Raha tiantsika ho hita tsara àry ny fitiavan’i Jehovah ny rariny, dia tsy misy tsara kokoa noho ny hoe mandinika ny ohatr’i Jesosy Kristy.​—Jaona 14:9, 10.

6 Teo ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra rehefa nampangain’i Satana ho mpandainga i Jehovah, ka nolazainy fa tsy manan-jo hitondra. Fanendrikendrehana tsotra izao izany! Ren’ilay Zanaka ihany koa i Satana tatỳ aoriana, rehefa nilaza hoe tsy hisy hanompo an’i Jehovah noho ny fitiavana tsy mitady valiny. Tsy maintsy ho nampalahelo an’ilay Zanaka tia fahamarinana izany rehetra izany. Tsy maintsy ho faly anefa izy rehefa nahafantatra fa hanana anjara lehibe amin’ny fanitsiana izany! (2 Korintianina 1:20) Ahoana no hanaovany izany?

7 Nianarantsika tao amin’ny Toko 14 fa novalian’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra ny fiampangan’i Satana hoe tsy maintsy hivadika ny zavaboarin’i Jehovah. Rehefa tsy nivadika i Jesosy dia nanadio ny anarana masin’Andriamanitra satria noharatsina izy io. Nendrikendrehina mantsy, ohatra, izy hoe tsy mahay mitondra. Mpitarika Lehibe Indrindra notendren’i Jehovah i Jesosy, dia hampanjaka ny rariny any an-danitra sy etỳ an-tany. (Asan’ny Apostoly 5:31) Nanahaka ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny izy tamin’ny zavatra nataony sy nampianariny tetỳ an-tany. Hoy i Jehovah momba an’i Jesosy: “Homeko ny fanahiko izy, dia hohazavainy tsara amin’ireo firenena ny atao hoe rariny.” (Matio 12:18) Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy izany?

Nampianatra ny rariny i Jesosy

8-10. a) Inona no fitsipiky ny lalàna am-bava nanavakavaka ny tsy Jiosy sy ny vehivavy? b) Nahoana ny lalàna am-bava no nanao ny lalàna momba ny Sabatan’i Jehovah ho enta-mavesatra?

8 Tian’i Jesosy ny Lalàn’i Jehovah, ka nampihariny. Nanolana sy nampihatra tamin’ny fomba diso ny Lalàna kosa ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! ... Tsy raharahianareo izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, izany hoe ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.” (Matio 23:23) Tsy nanazava ny tena rariny tokoa ireo mpampianatra ny Lalàn’Andriamanitra ireo. Vao mainka aza nohamaizininy ny rariny ampiharin’Andriamanitra. Ahoana izany? Ireto misy ohatra vitsivitsy.

9 Nilaza i Jehovah fa tsy tokony hifandray be tamin’ireo mpanompo sampy nanodidina azy ireo ny vahoakany. (1 Mpanjaka 11:1, 2) Nisy mpitondra fivavahana nafana fo be anefa nampirisika ny olona hanavakavaka ny tsy Jiosy rehetra. Izao no didy tao amin’ny Mishnah: “Tsy tokony havela any amin’ny hotely fatorian’ny hafa firenena ny biby, satria mety hanaovan’izy ireo firaisana.” Tena tsy rariny sy nifanohitra tanteraka tamin’ny votoatin’ny Lalàn’i Mosesy izany fitsarana an-tendrony ny tsy Jiosy rehetra izany. (Levitikosy 19:34) Nanambany vehivavy ny fitsipika sasany noforonin’izy ireo. Nilaza ny lalàna am-bava fa tsy mahazo milahatra amin’ny vadiny ny vehivavy, rehefa mandeha, fa tokony ho any aoriany. Nampitandremana ny lehilahy mba tsy hiresaka ampahibemaso tamin’ny vehivavy, na dia vadiny aza. Tsy navela hijoro ho vavolombelona teo amin’ny fitsarana, toy ny mpanompo, ny vehivavy. Nanao vavaka fisaorana an’Andriamanitra mihitsy ny mpitondra fivavahana hoe soa ihany izy ireo fa tsy vehivavy.

10 Notakonan’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny lalàna maro be noforoniny ny Lalàn’Andriamanitra. Tsotra, ohatra, ny lalàna momba ny andro Sabata: Tsy azo atao ny miasa, fa atokana ivavahana sy ikarakarana ny zavatra ara-pivavahana, ary ialana sasatra izy io. Nataon’ny Fariseo ho enta-mavesatra anefa izy io. Nofaritan’izy ireo ny atao hoe “asa.” Nisy zavatra 39 nolazain’izy ireo hoe asa, toy ny fijinjana sy fihazana. Nanjary nahatonga fanontaniana be dia be izany. Mihaza ve ianao raha mamono parasy amin’ny Sabata? Mijinja ve ianao, raha mikosoka voa amin’ny tananao mba hohaninao, rehefa mandalo eny an-tanimbary? Miasa ve ianao raha manasitrana ny marary? Nisy fitsipika hentitra be nifehy izany rehetra izany.

11, 12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fanoherany ny fomba tsy araka ny Soratra Masina napetraky ny Fariseo?

11 Ahoana no hampianaran’i Jesosy ny rariny, ao anatin’izany rivo-piainana izany? Tsy natahotra izy niatrika an’ireo mpitondra fivavahana, tamin’ny fampianarany sy ny fomba fiainany. Diniho ny sasany tamin’ny fampianarany. Nanameloka nivantana an’ireo fitsipika napetrak’olombelona izy. Hoy izy: “Ataonareo tsy misy vidiny ... ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazana nampitampitainareo.”​—Marka 7:13.

12 Nilaza mazava i Jesosy fa diso ny fiheveran’ny Fariseo ny Sabata, ary tena tsy azon’izy ireo ny votoatin’io lalàna io. Nolazainy fa ny Mesia no “Tompon’ny Sabata”, ka nanam-pahefana hanasitrana olona tamin’ny Sabata. (Matio 12:8) Nanao fahagagana ampahibemaso izy, tamin’ny andro Sabata, mba hanamafisana izany. (Lioka 6:7-10) Taratry ny fanasitranana hataony maneran-tany amin’ny Fanjakany Arivo Taona izany. Ho Sabata lehibe koa io arivo taona io, satria hiala sasatra ny olombelona, rehefa reraky ny asa mbamin’ny ota sy fahafatesana.

13. Inona no lalàna vaovao nampiharina, vokatry ny fanompoan’i Kristy teto an-tany, ary inona no maha samy hafa azy io amin’ny Lalàn’i Mosesy?

13 Nohazavain’i Jesosy koa ny atao hoe rariny, ka nisy lalàna vaovao nampiharina, rehefa vita ny fanompoany teto an-tany. Ny “lalàn’i Kristy” izany. (Galatianina 6:2) Tsy hoatran’ny Lalàn’i Mosesy izy io hoe miorina amin’ny lalàna be dia be. Miorina amin’ny torolalana kosa izy io. Misy didy hentitra koa anefa ao amin’izy io. Iray amin’ireny ny “didy vaovao.” Nampianarin’i Jesosy ny mpianany fa tokony hifankatia izy ireo, hoatran’ny nitiavany azy ireo. (Jaona 13:34, 35) Tokony hampiavaka an’ireo manaraka ny “lalàn’i Kristy” tokoa ny fitiavana tsy mitady valiny.

Nanome modely i Jesosy ny amin’ny fanaovana rariny

14, 15. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nekeny ny fetran’ny fahefany, ary nahoana no mampahery izany?

14 Tsy nampianatra momba ny fitiavana fotsiny i Jesosy, fa nampihatra ny “lalàn’i Kristy” koa. Hita tamin’ny fiainany izany. Diniho ny fomba telo nampihariharian’i Jesosy ny rariny.

15 Voalohany, niezaka mafy mba tsy hanao ny tsy rariny izy. Tsikaritrao angamba fa misy ny tsy rariny rehefa manjary miavonavona ny olona tsy lavorary, ka mihoatra ny fahefana nomena azy. Tsy nanao izany i Jesosy. Nisy lehilahy nanatona azy indray mandeha, niteny hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Ahoana hoy izy? “Fa iza moa, ralehilahy, no nanendry ahy ho mpitsara na mpanelanelana anareo roa lahy?” (Lioka 12:13, 14) Mendri-komarihina izany. Kinga saina i Jesosy, nahay ary nanana fahefana avy tamin’Andriamanitra, ka tsy nisy nitovy taminy. Tsy nety niditra tamin’io raharaha io anefa izy, satria tsy nomena fahefana hanao izany. Nanetry tena foana i Jesosy, na dia nandritra ireo taona maro be talohan’ny naha olombelona azy aza. (Joda 9) Midika izany fa nanetry tena i Jesosy sady nanao izay nolazain’i Jehovah fa rariny.

16, 17. a) Ahoana no nanaovan’i Jesosy ny rariny, rehefa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy? b) Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa namindra fo izy rehefa nampihatra ny rariny?

16 Faharoa, nampiseho ny rariny ny fomba nitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy niangatra izy. Niezaka mafy kosa izy mba hiresaka tamin’ny karazan’olona rehetra, na mahantra na manana. Ny Fariseo kosa tsy niraharaha ny mahantra, nanilika ny sarambabem-bahoaka sy nanambany azy tamin’ny anarana hoe ʽam-ha·ʼaʹrets, na “olon’ny tany.” Sahy nanitsy izany tsy rariny izany i Jesosy. Nasongadin’i Jesosy fa manao ny rariny ilay Andriamanitra te hamonjy ny “karazan’olona rehetra.” Nasongadin’i Jesosy izany rehefa nampianatra ny vaovao tsara izy, na niara-nisakafo tamin’ny olona, na nanome sakafo azy ireny, na nanangana azy ireny tamin’ny maty. c​—1 Timoty 2:4.

17 Fahatelo, tena namindra fo i Jesosy, rehefa nampihatra ny rariny. Niezaka nanampy ny mpanota izy. (Matio 9:11-13) Nanampy avy hatrany an’ireo tsy nanan-kery hiarovan-tena izy. Tsy niray hevitra tamin’ireo mpitondra fivavahana tsy natoky ny hafa firenena rehetra izy, ohatra. Namindrany fo ny hafa firenena sasany ka nampianariny, na dia ny Jiosy aza no nanirahana azy voalohany. Nekeny ny hanasitrana manamboninahitra romanina iray tamin’ny fomba mahagaga, ka hoy izy: “Mbola tsy nahita olona nanana finoana lehibe hoatr’izany aho teo amin’ny Israely.”​—Matio 8:5-13.

18, 19. a) Ahoana no nanomezan’i Jesosy voninahitra ny vehivavy? b) Inona no ifandraisan’ny herim-po sy ny rariny, raha jerentsika ny ohatr’i Jesosy?

18 Tsy nihevitra ny vehivavy toy ny nataon’ny olona koa i Jesosy. Sahy nanao izay mahitsy kosa izy. Noheverina ho maloto toy ny hafa firenena ny vehivavy samaritanina. Tsy niahotra nitory tamin’ilay vehivavy samaritanina teo amin’ny lavadranon’i Sykara anefa i Jesosy. Io vehivavy io mihitsy aza no nilazany mivantana voalohany hoe izy no ilay Mesia nampanantenaina. (Jaona 4:6, 25, 26) Nilaza ny Fariseo fa tsy tokony hampianarina ny Lalàn’Andriamanitra ny vehivavy. Nandany fotoana sy hery nampianarana azy ireny anefa i Jesosy. (Lioka 10:38-42) Nilaza koa ny lovantsofina fa tsy azo itokisana ny fanambarana ataon’ny vehivavy. Nomen’i Jesosy voninahitra anefa ny vehivavy vitsivitsy, ka nahita azy voalohany taorian’ny nitsanganany. Nasainy nanambara tamin’ireo mpianany lehilahy momba io fisehoan-javatra lehibe indrindra io mihitsy aza izy ireo!​—Matio 28:1-10.

19 Nasehon’i Jesosy tamin’ireo firenena ny atao hoe rariny, na dia nety ho nampidi-doza aza izany matetika. Hitantsika avy amin’izany fa mitaky herim-po ny fanaovana ny rariny. Mety indrindra ny niantsoana azy hoe “Liona avy amin’ny fokon’i Joda.” (Apokalypsy 5:5) Tadidio fa mampiseho ny herim-po ny liona. Mbola hanao rariny lehibe kokoa aza i Jesosy, aoriana kely. Tena hanao ny “rariny eto an-tany” amin’ny fomba feno izy.​—Isaia 42:4.

‘Hanao ny rariny eto an-tany’ ilay Mesia Mpanjaka

20, 21. Ahoana no nanorenan’ilay Mesia Mpanjaka rariny naneran-tany sy teo anivon’ny fiangonana, ankehitriny?

20 Nanorina rariny teto an-tany i Jesosy, nanomboka tamin’ny naha Mpanjaka azy tamin’ny 1914. Ahoana izany? Nanao izay hahatanterahan’ny faminanian’ny Matio 24:14 izy. Nampianatra ny fahamarinana momba ny Fanjakan’i Jehovah tamin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ireo mpianany. Tsy nanavaka sy nanao ny rariny, toa an’i Jesosy, izy ireo, rehefa nitory tamin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mahantra na manana, na lehilahy na vehivavy. Nampahafantariny ny momba an’i Jehovah, Andriamanitry ny rariny, ireny olona ireny.

21 Nanorina rariny teo anivon’ny fiangonana kristianina koa i Jesosy, Lohan’ny fiangonana. Araka ny faminaniana dia “lehilahy no nataony fanomezana”, dia anti-panahy tsy mivadika mitarika ny fiangonana. (Efesianina 4:8-12) Manahaka an’i Jesosy Kristy ireny lehilahy ireny, rehefa miandry ny ondry sarobidin’Andriamanitra, ka manao ny rariny. Tadidin’izy ireo foana fa tian’i Jesosy hoentina ara-drariny ny ondriny, ka tsy havahana noho ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, na ny lazany, na ny fananany.

22. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny tsy rariny manjaka ankehitriny, ary notendreny hanao inona momba izany ny Zanany?

22 Efa hanao ny rariny eto an-tany, tsy toy ny nisy hatramin’izay, anefa i Jesosy. Be ny tsy rariny eo amin’ity tontolo ratsy ity. Tena tsy rariny ny manjo ireo zaza matin’ny hanoanana, indrindra rehefa heverina fa be dia be ny vola sy fotoana lany hanamboarana fitaovam-piadiana sy hanomezana fahafaham-po ny fitiavan-tenan’ireo mpitady fahafinaretana. Anisan’ny tsy rariny koa ireo olona an-tapitrisany matimaty foana isan-taona, ka rariny raha hahatezitra an’i Jehovah izany. Notendreny ny Zanany mba hanao ady marina amin’ity tontolo ratsy ity, mba hanafoana tanteraka ny tsy rariny.​—Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-15.

23. Ahoana no hanasongadinan’i Kristy mandrakizay ny rariny, aorian’ny Aramagedona?

23 Tsy ny fandringanana ny ratsy ihany anefa no tafiditra amin’ny fanaovan’i Jehovah ny rariny. Notendreny ho “Andrianan’ny Fiadanana” koa ny Zanany. Hanorina fiadanana maneran-tany ny Fanjakan’i Jesosy, aorian’ny Aramagedona, ary hampanjaka “ny rariny.” (Isaia 9:6, 7) Ho faly i Jesosy amin’izay hanala ny tsy rariny nampahory ny olona. Hanasongadina mandrakizay ny rariny tonga lafatra ampiharin’i Jehovah izy. Tena tokony hanahaka ny rariny ampiharin’i Jehovah àry isika dieny izao. Andeha hojerentsika ny fomba hanaovana izany.

a Tezitra hoatran’i Jehovah i Jesosy rehefa nahita ny tsy rariny. I Jehovah mantsy “efa hampiseho ny fahatezerany” amin’ny faharatsiana rehetra. (Nahoma 1:2) Notenenin’i Jehovah, ohatra, ny vahoakany hoe nataon’izy ireo “lava-bato fiafenan’ny jiolahy” ny tranony. Hoy koa izy taorian’izay: “Hanampatra ny hatezerako sy hisafoaka amin’ity toerana ity aho.”​—Jeremia 7:11, 20.

b Araka ny Mishnah, dia nanohitra ny vidim-boromailala lafo be tao amin’ny tempoly ny olona, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nihena efa ho 99 isan-jato avy hatrany ilay vidiny! Iza no nahazo tombony tamin’izany? Misy mpahay tantara milaza fa i Anasy Mpisoronabe no tompon’ireo tsena, ka izany no nampanan-karena azy sy ny fianakaviany.​—Jaona 18:13.

c Nolazain’ny Fariseo fa “voaozona” ny olona ambany, tsy mahay Lalàna. (Jaona 7:49) Nolazainy fa tsy azo atao ny mampianatra, na manao raharaham-barotra, na miara-misakafo, na miara-mivavaka amin’izy ireny. Tsy azon’ny olona nomena ho vadin’izy ireny ny zanany vavy, satria ratsy noho ny nanome azy hohanin’ny bibidia izany. Nolazainy fa tsy mendrika ny hatsangana amin’ny maty ireo olona ambany.