Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 11

Manampy Ireo Anjelin’Andriamanitra

Manampy Ireo Anjelin’Andriamanitra

MISY milaza fa tsy mino afa-tsy ny zavatra hitan’ny masony izy. Mampihomehy anefa izany, satria maro ny zavatra tena misy, nefa tsy hitantsika mihitsy. Milazà hoe iray amin’izany!...

Ahoana ny rivotra fohintsika? Azon’ny tanantsika tsapaina ve ny rivotra?... Tsofy ange ny tananao e! Nisy zavatra tsapanao ve?... Ie, nefa tsy hitan’ny masonao ny rivotra, sa ahoana?...

Efa noresahintsika koa ny momba ireo olona ara-panahy izay tsy hitan’ny masontsika. Nianarantsika fa misy tsara amin’ireny fanahy ireny, ary misy ratsy koa. Lazao hoe ny anaran’ny sasany amin’ireny fanahy tsara ireny!... Jehovah Andriamanitra, Jesosy, ary ireo anjely tsara. Misy anjely ratsy koa ve?... Misy izany, hoy ny Baiboly. Tantarao amiko hoe izay nianaranao momba ireo anjely ratsy!...

Fantatsika fa matanjaka noho isika ny anjely, na ny tsara na ny ratsy. Nahafantatra zavatra betsaka momba ny anjely ilay Mpampianatra Lehibe, satria anjely izy talohan’ny nahaterahany teto an-tany. Niaraka tamin’ny anjely izy tany an-danitra. Anjely an-tapitrisa no fantany. Manana anarana ve ireny anjely rehetra ireny?...

Nianarantsika fa nomen’Andriamanitra anarana ny kintana. Inoantsika koa àry fa manana anarana daholo ny anjely. Fantatsika koa fa mifampiresaka izy ireny satria misy ny ‘fitenin’ny anjely’, hoy ny Baiboly. (1 Korintianina 13:1) Inona no resahin’ireo anjely, araka ny hevitrao? Miresaka momba antsika olombelona ve izy?...

Fantatsika fa mitarika antsika tsy hankatò an’i Jehovah ireo demonia, anjelin’i Satana. Tsy maintsy resahin’izy ireo àry hoe ahoana no fomba hitarihana antsika. Tiany hanahaka azy isika ka tsy ho tian’i Jehovah. Ary ireo anjelin’Andriamanitra tsy mivadika? Miresaka momba antsika koa ve izy ireo, araka ny hevitrao?... Miresaka izy ireo. Te hanampy antsika izy ireo. Hotantaraiko aminao ny zavatra nataon’ny anjelin’Andriamanitra sasany, rehefa nanampy olona tia sy nanompo an’i Jehovah izy ireo.

Ohatra amin’izany ilay lehilahy nantsoina hoe Daniela, nipetraka tany Babylona. Tsy tia an’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona tany. Nanao lalàna mihitsy izy ireo mba hanasaziana izay olona nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra. Mbola nivavaka tamin’i Jehovah foana anefa i Daniela. Inona no nataon’ireo olona ireo tamin’i Daniela, raha fantatrao?...

Natsipin’ireo olona ratsy fanahy ireo tao an-davaky ny liona i Daniela. Izy irery no niaraka tamin’ny liona noana tao. Inona no nitranga avy eo, raha fantatrao?... ‘Naniraka ny anjeliny Andriamanitra ka nanakombona ny vavan’ny liona’, hoy i Daniela. Tsy naratra akory izy! Mahavita zavatra mahagaga ny anjely, rehefa manampy ny mpanompon’i Jehovah.—Daniela 6:18-22.

Inona no nataon’Andriamanitra mba hamonjena an’i Daniela?

Ohatra hafa koa i Petera tamin’izy nigadra. Tadidinao fa naman’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe, i Petera. Tsy faly ny olona sasany rehefa nilazan’i Petera fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Nogadrain’izy ireo àry i Petera. Nambenan’ny miaramila izy sao nandositra. Nisy olona afaka nanampy azy ve?...

Natory teo anelanelan’ny mpiambina roa lahy i Petera, ary nafatotra tamin’ny rojo vy ny tanany. Hoy anefa ny Baiboly: ‘Indro, nisy anjelin’i Jehovah tonga teo, sady nisy jiro namirapiratra tao amin’ny efitra figadrana; ary ilay anjely nikitika an’i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna haingana.’

Ahoana no nanampian’ny anjely an’i Petera mba ho afaka tao am-pigadrana?

Nivaha tamin’izay ny rojo tamin’ny tanany! Hoy ilay anjely avy eo: ‘Anaovy ny akanjonao sy ny kapanao ary manaraha ahy.’ Tsy nahasakana azy ireo ny mpiambina satria nanampy an’i Petera ilay anjely. Nisy zavatra nahagaga nitranga rehefa tonga teo amin’ny vavahady vy izy ireo. Nivoha ho azy ilay vavahady! Nafahan’ilay anjely i Petera ka afaka nanohy nitory indray.—Asan’ny Apostoly 12:3-11.

Afaka manampy antsika koa ve ireo anjelin’Andriamanitra?... Ie, afaka izy ireo. Midika ve izany fa tsy hisy loza hahazo antsika mihitsy satria eo ny anjely?... Tsy izany. Tsy miaro antsika ny anjely raha sahisahy manao zavatra ratsy isika. Mety hisy loza hahazo antsika koa anefa, na dia tsy manao zavatra ratsy aza isika. Tsy ny hiaro antsika amin’ny loza mantsy no asain’Andriamanitra hataon’ireny anjely ireny. Asa manokana kosa no asain’i Jehovah hataony.

Resahin’ny Baiboly fa misy anjely iray milaza amin’ny olona rehetra mba hivavaka amin’Andriamanitra. (Apokalypsy 14:6, 7) Amin’ny fomba ahoana no anaovan’io anjely io an’izany? Mikiakiaka avy eny an-danitra ve izy mba ho ren’ny olona rehetra?... Tsia. Ny mpianatr’i Jesosy eto an-tany no miresaka amin’ny olona momba an’Andriamanitra, fa mitarika izany asa izany kosa ny anjely. Mitarika ny mpitory ireo anjely ireo, ka tonga any amin’izay olona te hahafantatra an’Andriamanitra tokoa izy ireny. Afaka mitory koa isika ary hanampy antsika ny anjely.

Ahoana kosa raha manome fahasahiranana antsika ireo olona tsy tia an’Andriamanitra? Ahoana raha gadrainy isika? Hanafaka antsika ve ireo anjely?... Afaka manao izany izy ireo, nefa tsy manao an’izany foana.

Inona no lazain’ilay anjely amin’i Paoly eto?

Indray mandeha, dia nigadra i Paoly, mpianatr’i Jesosy. Nandeha sambo izy ary nitsoka mafy be ny rivotra tamin’izay. Tsy tonga dia nanafaka azy anefa ny anjely, satria mbola nisy olona tokony handre ny Tenin’Andriamanitra. Nisy anjely niteny taminy hoe: ‘Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao.’ Nentina tany amin’i Kaisara, mpitondra teo amin’izao tontolo izao, tokoa i Paoly mba hitory taminy. Fantatr’ireo anjely foana izay nisy an’i Paoly, ary nampiany foana izy. Hanampy antsika koa ireo anjely raha tena manompo an’Andriamanitra isika.—Asan’ny Apostoly 27:23-25.

Misy asa lehibe hafa koa mbola hataon’ny anjely, ary efa akaiky ny fotoana hanaovany an’izany. Efa akaiky dia akaiky ny fotoana hamonoan’Andriamanitra ny mpanao ratsy. Hovonoina ny olona rehetra tsy mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina. Ho voaporofo amin’izay fa tena diso hevitra ireo milaza hoe tsy misy ny anjely.—2 Tesalonianina 1:6-8.

Hanao ahoana kosa isika?... Hanampy antsika ny anjelin’Andriamanitra raha miandany amin’izy ireo isika. Miandany amin’izy ireo ve anefa isika izao?... Eny, raha manompo an’i Jehovah isika. Ary raha manompo an’i Jehovah isika, dia hilaza amin’ny olona mba hanompo azy koa.

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny zavatra ataon’ny anjely amin’ny olona ianao, dia vakio ny Salamo 34:7; Matio 4:11; 18:10; Lioka 22:43; Asan’ny Apostoly 8:26-31.