Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 41

Ankizy Mampifaly An’Andriamanitra

Ankizy Mampifaly An’Andriamanitra

IZA tetỳ an-tany no ankizy nampifaly indrindra an’i Jehovah, araka ny hevitrao?... Jesosy Zanany. Andeha horesahintsika ny zavatra nataon’i Jesosy mba hampifaliana ilay Rainy any an-danitra.

Dia an-tongotra telo andro avy tany an-tranon’ny fianakavian’i Jesosy no nisy an’i Jerosalema. Tany anefa no nisy an’ilay tempoly tsara tarehy. Nantsoin’i Jesosy hoe “tranon’ny Raiko” io tempoly io. Nankany Jerosalema isan-taona i Jesosy sy ny fianakaviany, mba hanatrika ny Paska.

Indray mandeha, tamin’i Jesosy 12 taona, dia nody ny fianakaviany rehefa vita ny Paska. Rehefa nijanona tamin’ny alina izy ireo vao nahamarika fa tsy tany tamin’ireo havana aman-tsakaizany i Jesosy. Tonga dia niverina tany Jerosalema àry i Josefa sy Maria mba hitady azy. Nety ho taiza re izy, hoy ianao e?...

Tao amin’ny tempoly no nahitany an’i Jesosy, nihaino an’ireo mpampianatra, sady nametraka fanontaniana tamin’izy ireo. Voavaliny tsara foana izay fanontaniana napetraka taminy. Gaga ireo mpampianatra tamin’ny valin-teny tsara nomen’i Jesosy. Nahoana Andriamanitra no faly tamin’ny Zanany, araka izany?...

Mazava ho azy fa tsy nitebiteby intsony i Maria sy Josefa rehefa nahita an’i Jesosy. Tsy mba natahotra kosa i Jesosy, satria fantany fa tsy nisy zavatra nampidi-doza tao amin’ny tempoly. Hoy izy: ‘Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko aho?’ Fantany fa tranon’Andriamanitra ilay tempoly, ka nahafinaritra azy ny nijanona tao.

Nentin’i Maria sy Josefa nody tany Nazareta niaraka taminy i Jesosy avy eo. Nahalala ny tokony hataony tamin’ny ray aman-dreniny ve i Jesosy, araka ny hevitrao?... Lazain’ny Baiboly fa ‘nankatò azy’ izy. Inona no dikan’izany?... Nanao izay nasain’ny ray aman-dreniny natao izy, hatramin’ny hoe nandeha nantsaka.—Lioka 2:41-52.

Ahoana no nampifalian’i Jesosy an’Andriamanitra tamin’izy mbola kely?

Eritrereto àry izao: Nankatò ny ray aman-dreniny tsy lavorary i Jesosy, na dia lavorary aza izy. Nahafaly an’Andriamanitra ve izany?... Azo antoka izany, satria hoy ny Baiboly amin’ny ankizy: “Maneke ny ray sy ny reninareo.” (Efesianina 6:1) Hahafaly an’Andriamanitra koa ianao raha mankatò an’i Dada sy Neny, tahaka an’i Jesosy.

Ny miresaka momba an’Andriamanitra no fomba hafa hampifalianao azy. Mety hisy hilaza fa tsy natao ho an’ny ankizy izany. Hoy anefa i Jesosy, rehefa nisy olona nitady hisakana an’ireo ankizilahy tsy hitory: ‘Mbola tsy novakinareo angaha ny teny manao hoe: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika no hamoahan’Andriamanitra fiderana”?’ (Matio 21:16) Afaka mitory momba an’i Jehovah sy ny maha Andriamanitra mahagaga azy daholo àry isika, raha tena tiantsika ny hanao izany. Hahafaly an’Andriamanitra isika raha manao izany.

Aiza no ianarantsika zavatra momba an’Andriamanitra, mba horesahintsika amin’ny olona?... Ao amin’ny Baiboly, rehefa mianatra azy io ato an-trano isika. Mianatra bebe kokoa anefa isika, any amin’ny toeram-pivorian’ny vahoakan’Andriamanitra. Ahoana anefa no ahafantarantsika hoe iza no vahoakany?...

Manao inona ny olona any am-piangonany? Tena mampianatra ny ao anaty Baiboly ve izy ireo? Mamaky ny Baiboly sy miara-midinika azy io ve izy ireo? Izany no fomba ihainoantsika an’Andriamanitra, sa ahoana?... Ary manantena handre izay lazain’Andriamanitra isika any am-pivoriana, sa tsy izany?... Ahoana kosa raha misy milaza aminao fa tsy voatery hankatò izay lazain’ny Baiboly ianao? Anisan’ny vahoakan’Andriamanitra ve izany olona izany, hoy ianao?...

Intỳ misy zavatra tokony hoeritreretina koa. Lazain’ny Baiboly fa ‘olona hankalazana ny anarany’ ny vahoakan’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 15:14) Jehovah no anaran’Andriamanitra, ka azontsika anontaniana ny olona hoe: ‘Jehovah ve no Andriamanitrareo?’ Raha milaza izy hoe ‘tsia’, dia fantatsika fa tsy vahoakan’i Jehovah izy. Tokony hitory ny Fanjakan’Andriamanitra koa ny vahoakan’Andriamanitra. Hitandrina ny didiny koa izy ireo, ho porofon’ny fitiavany Azy.—1 Jaona 5:3.

Raha mahafantatra olona manao ireo zavatra rehetra ireo ianao, dia tokony hiara-mivory aminy mba hivavaka amin’Andriamanitra. Tokony hihaino tsara ianao any amin’ireny fivoriana ireny, ary hanome valin-teny rehefa misy fanontaniana apetraka. Izany no nataon’i Jesosy tamin’izy tao an-tranon’Andriamanitra. Raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia hampifaly an’Andriamanitra tahaka an’i Jesosy.

Mahafantatra ankizy hafa voalazan’ny Baiboly hoe nampifaly an’Andriamanitra ve ianao?... Ohatra miavaka amin’izany i Timoty. Tsy nino an’i Jehovah ny rainy, fa nino kosa i Eonika, reniny sy Loisa, renibeny. Nihaino azy ireo i Timoty ka nianatra momba an’i Jehovah.

Inona no tian’i Timoty hatao, na dia tsy mpino aza ny dadany?

Nitsidika ny tanàna nisy an’i Timoty ny apostoly Paoly, rehefa lehibe i Timoty. Hitan’i Paoly fa tena naniry hanompo an’i Jehovah izy, ka nasainy hiaraka taminy mba hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa. Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy izy ireo, na taiza na taiza nalehany.—Asan’ny Apostoly 16:1-5; 2 Timoty 1:5; 3:14, 15.

Ankizilahy daholo ve ireo tanora lazain’ny Baiboly hoe nampifaly an’Andriamanitra?... Tsy izany mihitsy. Anisan’ny nanao izany koa ny ankizivavy israelita iray. Mpifahavalo ny firenen’i Syria sy ny tamin’ny androny. Niady tamin’ny Israely ny Syrianina indray andro, ka nentin’izy ireo ho babo tany Syria ilay ankizivavy israelita. Nalefa tany an-tranon’i Namàna, lehiben’ny tafika syrianina izy, ka lasa mpiasan’ny vadiny.

Voan’ilay aretina antsoina hoe habokana i Namàna. Tsy nisy dokotera nahasitrana azy. Nino kosa ilay ankizivavy israelita fa nahay nanasitrana an’i Namàna ny mpaminanin’Andriamanitra, na mpanompony manokana. Mazava ho azy fa tsy mpivavaka tamin’i Jehovah i Namàna sy ny vadiny. Tokony hilaza izay fantany tamin’izy mivady ve ilay ankizivavy? Inona no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany?...

Ahoana no nampifalian’ity ankizivavy israelita ity an’Andriamanitra?

Hoy ilay ankizivavy: ‘Ho sitrana io habokan’i Namàna io, raha mankany amin’ny mpaminanin’i Jehovah any Israely izy.’ Nihaino an’ilay ankizivavy i Namàna ka nankany amin’ilay mpaminanin’i Jehovah. Sitrana izy rehefa nanao izay nasain’ilay mpaminany nataony. Nahatonga an’i Namàna ho lasa mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina izany.—2 Mpanjaka 5:1-15.

Te hanampy olona hianatra momba an’i Jehovah sy ny zavatra azony atao koa ve ianao, tahaka an’io ankizivavy io?... Iza no azonao ampiana?... Mazava ho azy, fa mety tsy hieritreritra izany olona izany, amin’ny voalohany, hoe mila fanampiana izy. Azonao resahina aminy anefa ny zavatra tsara ataon’i Jehovah. Mety hihaino anao izy. Azonao antoka fa hahafaly an’Andriamanitra izany.

Hampirisika kokoa ny ankizy sy tanora mba hifaly amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ireto andininy ireto: Salamo 122:1; 148:12, 13; Mpitoriteny 12:1; 1 Timoty 4:12; Hebreo 10:23-25.