Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 5

“Ity no Zanako”

“Ity no Zanako”

FALY ny mpitaiza ny ankizy rehefa manao zavatra tsara ireny ankizy ireny. Faly ny raim-pianakaviana afaka milaza amin’ny olona hoe: “Zanako ity”, rehefa manao zavatra tsara ny zanany.

Manao izay mahafaly ny Rainy foana i Jesosy. Faly be io Rainy io manana azy. Inona raha tadidinao ny zavatra nataon’ny Rainy indray andro, tamin’i Jesosy niaraka tamin’ny mpianany telo lahy?... Niteny tamin’izy ireo avy tany an-danitra izy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.”—Matio 17:5.

Faly foana i Jesosy manao izay zavatra ankasitrahan’ny Rainy. Fantatrao ve ny antony? Satria tena tiany io Rainy io. Sarotra amin’ny olona ny manao zavatra raha terena izy. Mora aminy kokoa anefa ny manao ilay izy raha ataony an-tsitrapo. Inona no dikan’ny hoe manao zavatra an-tsitrapo?... Ny dikany dia hoe tena tianao ny hanao an’ilay zavatra.

Tena tian’i Jesosy ny hanao izay rehetra nasain’ny Rainy natao, na talohan’ny nahatongavany teto an-tany aza. Te hanao izany izy satria tiany i Jehovah Andriamanitra Rainy. Nanana toerana tsara tany an-danitra niaraka tamin’ny Rainy i Jesosy. Nisy asa manokana nasain’Andriamanitra nataony anefa. Tsy maintsy niala tany an-danitra i Jesosy rehefa hanao io asa io. Tsy maintsy nateraka ho zazakely teto an-tany izy. Vonona hanao ilay izy an-tsitrapo i Jesosy satria izany no tian’i Jehovah hataony.

Inona no nolazain’ny anjely Gabriela tamin’i Maria?

Tsy maintsy nanana reny hiteraka azy i Jesosy. Iza io reniny io raha fantatrao?... Maria. Nirahin’i Jehovah ny anjely Gabriela mba hiresaka tamin’i Maria. Nilazan’i Gabriela izy fa hiteraka zazalahy, ary Jesosy no hatao anaran’ilay zaza. Ary iza no ho Rainy?... I Jehovah Andriamanitra no ho rain’ilay zaza, hoy ilay anjely. Izany no antony hanaovana an’i Jesosy hoe Zanak’Andriamanitra.

Ahoana, hoy i Maria, araka ny hevitrao?... Nilaza ve izy hoe: “Tsy te ho renin’i Jesosy aho”? Tsia. Vonona hanao izay tian’Andriamanitra izy. Ahoana anefa no hetezan’ny hoe hateraka ho zazakely eto an-tany ilay Zanak’Andriamanitra tany an-danitra? Nahoana no tsy nitovy tamin’ny an’ny zazakely rehetra ny fahaterahan’i Jesosy, raha fantatrao?...

Nataon’Andriamanitra afaka niteraka i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Nanjary nisy zazakely nitombo tao an-kibon’i Eva, rehefa niaraka izy mivady. Fahagagana izany, hoy ny olona, ary manaiky izany koa ianao.

Zavatra mbola mahagaga noho izany anefa no nataon’Andriamanitra. Nalainy ny ain’ilay Zanany tany an-danitra ary napetrany tao an-kibon’i Maria. Mbola tsy nanao zavatra tahaka izany mihitsy Andriamanitra, ary tsy nanao toy izany intsony tatỳ aoriana. Noho io fahagagana io, dia nitombo tao an-kibon’i Maria i Jesosy, tahaka ny zazakely rehetra mitombo ao an-kibon-dreniny. Nanambady an’i Josefa i Maria tatỳ aoriana.

Nitsidika ny tanànan’i Betlehema i Maria sy Josefa tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Feno olona anefa tao Betlehema. Tsy nisy efitrano ho an’i Maria sy Josefa, ka voatery nipetraka tao amin’ny tranom-biby ry zareo. Tao i Maria no niteraka an’i Jesosy, ary napetrany teo amin’ny fihinanam-bilona izy, araka ny hitanao eto. Toerana fihinanana sy fatorian’ny omby sy biby hafa io toerana io.

Nahoana i Jesosy no apetraka ao amin’ny fihinanam-bilona?

Nisy zavatra tena nahafaly nitranga tamin’io alina nahaterahan’i Jesosy io. Nisy anjely iray niseho tamin’ny mpiandry ondry teo akaikin’i Betlehema. Nolazainy tamin’izy ireo fa olona ambony i Jesosy. ‘Indro aho milaza vaovao tsara aminareo, dia vaovao tsara hahafaly ny olona. Teraka androany ilay mpamonjy ny olona’, hoy ilay anjely.—Lioka 2:10, 11.

Inona no vaovao tsara nolazain’ny iray tamin’ireo anjely ireo tamin’ireo mpiandry ondry?

Nilazany ireo mpiandry ondry fa ho hitan’izy ireo eo amin’ny fihinanam-bilona, any Betlehema, i Jesosy. Vetivety teo, dia nisy anjely hafa koa nidera an’Andriamanitra niaraka tamin’ilay anjely voalohany. ‘Voninahitra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany’, hoy ny hiran’ireo anjely ireo.—Lioka 2:12-14.

Rehefa lasa ireo anjely, dia nankany Betlehema ireo mpiandry ondry ary nahita an’i Jesosy. Notantarainy an’i Josefa sy Maria daholo ny vaovao tsara reny. Tena faly be i Maria satria nanaiky ho renin’i Jesosy, sa ahoana, hoy ianao?

Nentin’i Josefa sy Maria tany Nazareta i Jesosy tatỳ aoriana. Tao no tanàna nahabe azy. Nanomboka nampianatra izy, rehefa lehibe. Izany no anisan’ny asa nasain’i Jehovah nataon’ny Zanany teto an-tany. Vonona hanao io asa io an-tsitrapo i Jesosy satria tena tiany ilay Rainy tany an-danitra.

Nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Ony Jordana i Jesosy, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy ho Mpampianatra Lehibe. Nisy zavatra nahagaga tamin’izay! Niteny avy tany an-danitra i Jehovah, rehefa niakatra avy tao anaty rano i Jesosy. Hoy izy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17) Tsy faly be ve ianao rehefa milaza aminao hoe tia anao ny ray aman-dreninao?... Fantatsika fa faly be koa i Jesosy.

Nilaza ny marina foana i Jesosy. Tsy nandainga momba ny tenany izy. Tsy nilaza ny tenany ho Andriamanitra izy, ohatra. Efa nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela, fa hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Ary i Jesosy koa nanaiky fa Zanak’Andriamanitra ny tenany. Tsy nilaza tamin’ny olona izy hoe nahafantatra zavatra betsaka noho ny Rainy. “Ny Ray dia lehibe noho Izaho”, hoy izy.—Jaona 14:28.

Nanao izay asa nasain’ny Rainy natao i Jesosy, na tamin’izy tany an-danitra aza. Tsy hoe teo imason’ny Rainy fotsiny izy no nanaiky, nefa avy eo nanao zavatra hafa. Tiany ny Rainy ka nohenoiny, ary nataony izay nanirahany azy. Tsy nandany fotoana nanaovana zavatra hafa tokoa izy rehefa tonga teto an-tany. Tsy mahagaga raha faly tamin-janany i Jehovah!

Te hampifaly an’i Jehovah koa isika, sa ahoana?... Tsy maintsy asehontsika àry fa tena mihaino azy toy ny nataon’i Jesosy isika. Ny Baiboly no ampiasain’Andriamanitra hiresahana amintsika. Tsy mety ny hoe mody mihaino an’Andriamanitra nefa mino na manao zavatra tsy eken’ny Baiboly, sa ahoana?... Ary tadidio fa tiantsika ny hampifaly an’i Jehovah raha tena tia azy isika.

Vakio izao ireto andininy ireto, izay mampiseho ny tokony ho fantatsika sy hinoantsika momba an’i Jesosy: Matio 7:21-23; Jaona 4:25, 26; 1 Timoty 2:5, 6.