Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 33

Afaka Miaro Antsika i Jesosy

Afaka Miaro Antsika i Jesosy

Mpanjaka mahery ve i Jesosy sa zazakely tsy afaka miaro tena,araka ny hevitrao?

REHEFA nihalehibe i Jesosy ary nahafantatra ny fomba niarovana azy tamin’izy mbola kely, moa ve izy nivavaka tamin’i Jehovah mba hisaotra azy, araka ny hevitrao?... Inona no mety ho nolazain’i Jesosy tamin’i Maria sy Josefa, rehefa reny fa namonjy ny ainy izy mivady, rehefa nitondra azy tany Ejipta?...

Mazava ho azy fa tsy zazakely intsony izao i Jesosy. Tsy etỳ an-tany intsony izy. Nomarihinao ve anefa fa misy olona ankehitriny toa mihevitra an’i Jesosy ho mbola zazakely eo amin’ny fihinanam-bilona foana?... Miharihary izany amin’ny fotoan’ny Krismasy, rehefa hita any amin’ny toerana maro ny sarin’i Jesosy zazakely.

Tsy etỳ an-tany intsony i Jesosy, nefa mino ve ianao fa mbola velona izy?... Ie, natsangana tamin’ny maty izy, ary Mpanjaka mahery any an-danitra ankehitriny. Inona, araka ny hevitrao, no azony atao mba hiarovana ireo manompo azy?... Nasehon’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany fa afaka niaro ireo tia azy izy. Andeha hojerentsika ny nataony indray andro, tamin’izy nandeha sambokely niaraka tamin’ny mpianany.

Efa harivariva tamin’izay, ary nampianatra teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy, nandritra ilay andro. Farihy lehibe izy io satria 20 kilaometatra ny halavany, ary 12 kilaometatra ny sakany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy.” Lasa àry izy ireo nandeha sambokely ary nanomboka niampita ilay farihy. Vizana be i Jesosy, ka naka ondana, ary natory teo aoriana tamin’ilay sambokely. Vetivety dia natory be izy.

Inona no lazain’i Jesosy amin’ny rivotra sy ny onja?

Tsy natory kosa ny mpianatra fa nanara-maso ny fandroson’ilay sambokely. Nandeha tsara ny zavatra rehetra tamin’ny voalohany, nefa nanomboka nisy rivo-mahery avy eo. Nihamafy izany ary nihanahery ny onja, ka nanomboka nidiran’ny rano tao anaty sambokely. Nihafeno rano ilay sambokely.

Natahotra ny ho rendrika ny mpianatra, saingy tsy natahotra kosa i Jesosy. Mbola natory ihany izy. Farany dia nofohazin’ny mpianatra izy sady nilazany hoe: ‘Tompoko, Tompoko, vonjeo izahay fa kely sisa dia ho faty ato anatin’ity tafio-drivotra ity!’ Niarina i Jesosy ary niteny tamin’ny rivotra sy ny onja hoe: “Mangìna, mitsahara.”

Tonga dia nitsahatra ny rivotra ka tony ilay farihy. Gaga ny mpianatra satria mbola tsy nahita zavatra tahaka izany. Nanomboka nifampiresaka izy ireo hoe: “Iza moa Ity no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany?”—Lioka 8:22-25; Marka 4:35-41.

Iza moa i Jesosy raha fantatrao?... Avy taiza no nahazoany ny heriny lehibe?... Tsy tokony ho natahotra ny mpianatra rehefa niaraka tamin’i Jesosy, satria tsy olona toy ny rehetra izy. Afaka nanao fahagagana tsy vitan’iza na iza izy. Aoka hotantaraiko aminao ny zavatra hafa nataony indray mandeha, teny ambony ranomasina nanonja be.

Andro hafa tatỳ aoriana kelin’ilay teo no nitrangan’izy ity. Nasain’i Jesosy nandeha sambokely hialoha azy teny ampitan’ilay ranomasina ny mpianany, tamin’io takariva io. Izy kosa niakatra tany an-tendrombohitra. Toerana nangina nahafahany nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy io.

Niditra tao anaty sambokely ny mpianatra ary nanomboka niampita ny ranomasina. Vetivety teo anefa dia nanomboka nitsoka mafy ny rivotra. Nihamafy ilay izy, sady nihalina ny andro. Nampidinin’ny mpianatra ny lay, ary nanomboka nivoy izy ireo. Tsy lasa lavitra anefa izy, satria nanosika azy hiverina ny rivotra. Natopatopan’ny onja nahery ilay sambokely ary niparitaka tao anatiny ny rano. Niezaka mafy hamonjy ny moron-dranomasina ireo mpianatra nefa tsy afaka.

Mbola tany an-tendrombohitra ihany i Jesosy, ary efa ela be izy no tany. Hitany anefa tamin’izay fa notandindomin-doza ny mpianany tao anaty onja. Nidina teny amoron-dranomasina àry izy. Te hanampy ny mpianany i Jesosy ka nanomboka nandeha teo ambonin’ilay ranomasina nanonja be ary nanatona azy ireo!

Inona no hitranga raha manandrana mandeha eo ambony rano ianao?... Hilentika ianao ary mety ho faty an-drano. Tsy mba toy izany kosa i Jesosy. Nanana hery manokana izy. Tsy maintsy nandeha lavitra be izy vao nahatratra ilay sambokely. Efa hiposaka àry ny masoandro vao hitan’ny mpianatra i Jesosy nanatona azy ireo teo ambony rano. Tsy nino ny zavatra hitany anefa izy ireo. Natahotra be izy ka nikiakiaka. Hoy anefa i Jesosy: “Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra.”

Nahoana i Jesosy no nanao fahagagana?

Nitony ilay rivo-mahery, raha vao niditra tao anaty sambokely i Jesosy. Gaga be indray ny mpianatra. Niankohoka teo anoloan’i Jesosy izy ireo, ary niteny hoe: ‘Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.’—Matio 14:22-33; Jaona 6:16-21.

Tsy ho nahafinaritra be ve raha mba velona tamin’izany fotoana izany isika, ary nahita an’i Jesosy nanao zavatra tahaka izany?... Nahoana izy no nanao ireny fahagagana ireny, raha fantatrao?... Satria tiany ny mpianany ka te hanampy azy ireo izy. Nanao ireny fahagagana ireny koa anefa izy mba hampisehoana ny hery lehibe nananany, izay hampiasainy amin’ny hoavy, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra izy.

Ahoana izao no iarovan’i Jesosy ny mpianany?

Mampiasa matetika an’io hery io i Jesosy, na dia amin’izao fotoana izao aza. Ampiasainy izy io mba hiarovana ny mpianany, rehefa mitady hisakana azy ireo tsy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra i Satana. Tsy mampiasa io hery io anefa i Jesosy mba hiarovana ny mpianany tsy harary, na mba hanasitranana azy ireo. Maty ihany tamin’ny farany, na dia ireo apostolin’i Jesosy aza. Maty novonoin’olona i Jakoba rahalahin’i Jaona, ary nogadraina kosa i Jaona.—Asan’ny Apostoly 12:2; Apokalypsy 1:9.

Mety harary sy ho faty koa ny olona amin’izao fotoana izao, na manompo an’i Jehovah izy na tsia. Tsy ho ela anefa, dia hiova izany, rehefa i Jesosy no hitondra ny tany, ka ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy hatahotra intsony amin’izay, satria hampiasainy mba hanampiana izay rehetra mankatò azy ny heriny.—Isaia 9:6, 7.

Ireto misy andininy hafa mampiseho ny hery lehibe ananan’i Jesosy, ilay voatendrin’Andriamanitra hitondra ilay Fanjakana: Daniela 7:13, 14; Matio 28:18; Efesianina 1:20-22.