Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 12

Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy

Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy

MIRESAKA amin’i Jehovah Andriamanitra ve ianao?... Tiany hiresaka aminy ianao. Ny resaka ataonao amin’Andriamanitra no atao hoe vavaka. Matetika i Jesosy no niresaka tamin’ny Rainy tany an-danitra. Naniry hiala lavitra ny olona izy indraindray rehefa hiresaka tamin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.”—Matio 14:23.

Aiza ny toerana azonao ivavahana samirery amin’i Jehovah?... Afaka mitokana mba hivavaka amin’i Jehovah ianao alohan’ny hatoriana amin’ny alina. Hoy i Jesosy: ‘Rehefa mivavaka ianao dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voahidy ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao.’ (Matio 6:6) Mivavaka amin’i Jehovah ve ianao isan’alina, alohan’ny hatoriana?... Tokony hanao izany ianao.

Nivavaka samirery ... sy niaraka tamin’ny olon-kafa i Jesosy

Nivavaka koa i Jesosy rehefa niaraka tamin’ny olon-kafa. Niara-nivavaka tamin’ny olona i Jesosy teo amin’ny toerana nandevenana an’i Lazarosy namany. (Jaona 11:41, 42) Nivavaka koa izy rehefa niara-nivory tamin’ny mpianany. Mankany amin’ireo fivoriana anaovana vavaka ve ianao?... Lehilahy lehibe matetika no mivavaka any. Henoy tsara izay lazainy satria misolo tena anao miresaka amin’Andriamanitra izy. Amin’izay dia ho afaka hiteny hoe “Amena” ianao. Inona ny dikan’ilay “Amena” lazainao rehefa vita ny vavaka?... Midika izany fa tianao ilay vavaka ary ekenao izay voalaza tamin’izy io.

Nahoana ianao no tokony hihaino tsara ireo vavaka atao any am-pivoriana?

Nivavaka koa i Jesosy rehefa nisakafo. Nisaotra an’i Jehovah izy noho ilay sakafo nomeny. Mivavaka foana ve ianao alohan’ny sakafo?... Tsara raha misaotra an’i Jehovah isika alohan’ny sakafo. Mety ho ilay olona miaraka aminao no hivavaka rehefa miara-misakafo ianareo. Ahoana kosa raha misakafo irery ianao, na miara-misakafo amin’ny olona tsy misaotra an’i Jehovah?... Mila mivavaka irery ianao amin’izay.

Voatery miteny mafy foana ve ianao rehefa mivavaka, sa ren’i Jehovah ny vavaka mangina ataonao?... Manampy antsika hahita ny valin’izany ny zavatra nataon’i Nehemia. Mpanompon’i Jehovah i Nehemia ary niasa tao amin’ny lapan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persa. Nalahelo be i Nehemia, indray andro, satria reny fa nianjera ny mandan’i Jerosalema, tanàna nisy an’ireo mpiray tanindrazana taminy.

Rahoviana ianao no afaka mivavaka mangina, tahaka an’i Nehemia?

Nanontany azy ny mpanjaka hoe nahoana izy no nalahelo. Nivavaka mangina aloha izy vao namaly. Nolazainy avy eo ny antony, ary nangataka izy mba havela handeha tany Jerosalema hanamboatra ilay manda. Inona no nitranga?...

Tena novalian’Andriamanitra ny vavak’i Nehemia. Navelan’ilay mpanjaka handeha tany Jerosalema izy! Mbola nomeny hazo betsaka hanorenana ilay manda koa aza i Nehemia. Tena mamaly ny vavaka ataontsika àry Andriamanitra, na dia ataontsika mangina aza ilay izy.—Nehemia 1:2, 3; 2:4-8.

Eritrereto indray izao. Tokony hiondrika ve isika rehefa mivavaka, sa tokony handohalika? Ahoana ny hevitrao?... Nandohalika i Jesosy indraindray rehefa nivavaka, ary indraindray nitsangana. Nisy koa fotoana nijereny ny lanitra fa tsy niondrika rehefa nivavaka. Nanao izany izy rehefa nivavaka ho an’i Lazarosy.

Inona no asehon’izany?... Mampiseho izany fa tsy ny paozin’ny vatantsika no tena misy dikany. Tsara indraindray ny miondrika sy manakimpy ny masontsika. Afaka mandohalika toy ny nataon’i Jesosy koa isika indraindray. Tadidio anefa fa afaka mivavaka isika amin’ny fotoana rehetra, na andro na alina, ary hihaino antsika Andriamanitra. Ny zavatra tena ilaina rehefa mivavaka dia ny mino fa mihaino i Jehovah. Mino ve ianao fa mihaino ny vavakao i Jehovah?...

Inona avy no zavatra azonao resahina amin’Andriamanitra rehefa mivavaka ianao?

Inona no tokony holazaintsika amin’i Jehovah rehefa mivavaka isika?... Lazao amiko hoe izay resahinao amin’Andriamanitra rehefa mivavaka ianao!... Zavatra tsara maro be no omen’i Jehovah antsika, ka tokony hisaorantsika azy, sa ahoana?... Isaorantsika izy noho ny sakafo hanintsika. Efa nisaotra azy ve anefa isika noho ny lanitra manga sy ny hazo maitso ary ny voninkazo tsara tarehy?... Andriamanitra koa ange no nanao ireny zavatra ireny e!

Nangataka an’i Jesosy hampianatra azy hivavaka ireo mpianany, indray mandeha. Nasehon’ilay Mpampianatra Lehibe azy ireo àry ny zavatra tena ilaina hangatahina rehefa mivavaka. Inona avy izany, raha fantatrao?... Raiso ange ny Baibolinao ary sokafy ao amin’ny Matio toko faha-6 e! Hitantsika eo amin’ny andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-13 ilay antsoin’ny olona hoe Rainay Izay any An-danitra, na ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Andeha hovakintsika ilay izy.

Hitantsika eto fa nasain’i Jesosy hivavaka momba ny anaran’Andriamanitra isika. Nasainy nangatahina ny hanamasinana an’io anarana io. Iza moa ilay anaran’Andriamanitra?... Ie, Jehovah ilay izy, ary tokony ho tiantsika io anarana io.

Faharoa, dia nampianatra antsika hivavaka momba ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Tena ilaina io Fanjakana io satria hitondra fiadanana ary hanova ny tany ho paradisa.

Fahatelo, dia nasain’ilay Mpampianatra Lehibe koa isika hivavaka mba hatao eto an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra. Tokony hanao izay asain’Andriamanitra atao isika raha mivavaka momba izany.

Manaraka izany, dia nampianarin’i Jesosy hangataka ao amin’ny vavaka ny sakafo ilaintsika isan’andro koa isika. Nolazainy fa tokony hifona amin’Andriamanitra koa isika, rehefa nanao zavatra ratsy. Tokony hangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra koa isika. Tsy maintsy mamela ny helok’izay olona nanisy ratsy antsika anefa aloha isika, vao hamela ny helotsika i Jehovah. Mora mamela heloka ve ianao?...

Farany, dia nolazain’i Jesosy fa tokony hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra isika mba hiaro antsika amin’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. Zavatra tokony hivavahantsika amin’Andriamanitra ireo rehetra ireo.

Tokony hino isika fa mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah. Tsy hoe hangataka fanampiana aminy fotsiny isika, fa tokony hisaotra azy foana koa. Faly izy rehefa ny ao am-pontsika no lazaintsika amin’ny vavaka, ary rehefa zavatra tsara no angatahintsika aminy. Homeny antsika izany zavatra izany. Mino izany ve ianao?...

Misy torohevitra tsara momba ny vavaka koa ao amin’ny Romanina 12:12; 1 Petera 3:12; 1 Jaona 5:14.