Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 4

Manana Anarana Andriamanitra

Manana Anarana Andriamanitra

INONA matetika no zavatra anontanianao voalohany, raha vao mihaona amin’ny olona iray ianao?... Ny anarany. Manana anarana daholo isika. Nomen’Andriamanitra anarana ilay lehilahy voalohany. Adama no nataony anarany. Eva no natao anaran’ny vadin’i Adama.

Tsy ny olona ihany anefa no manana anarana. Eritrereto koa izay zavatra manana anarana. Rehefa omena saribakoly na sakakely, na alikakely, ianao, dia omenao anarana ilay izy, sa ahoana?... Tena ilaina àry ny anarana.

Jereo ny kintana be dia be amin’ny alina. Manana anarana ve izy ireny, araka ny hevitrao?... Ie, nomen’Andriamanitra anarana ny kintana tsirairay. “Milaza ny isan’ny kintana Izy; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny”, hoy ny Baiboly.—Salamo 147:4.

Fantatrao ve fa manana anarana ny kintana rehetra?

Iza, hoy ianao, no olona ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao?... Andriamanitra. Manana anarana ve izy, araka ny hevitrao?... Manana anarana izy, hoy i Jesosy. ‘Nampahafantariko ny mpianatro ny anaranao’, hoy i Jesosy tamin’izy nivavaka tamin’Andriamanitra. (Jaona 17:26) Iza no anaran’Andriamanitra, raha fantatrao?... Andriamanitra mihitsy no milaza amintsika ny anarany. “Izaho no Jehovah, izany no anarako”, hoy izy. JEHOVAH àry no anaran’Andriamanitra.—Isaia 42:8.

Faly ianao sa ahoana rehefa tadidin’ny olona ny anaranao?... Tian’i Jehovah ho fantatry ny olona koa ny anarany. Tokony hampiasaintsika àry ny anarana hoe Jehovah, rehefa miresaka an’Andriamanitra isika. Nampiasa ilay anarana hoe Jehovah ilay Mpampianatra Lehibe, rehefa niresaka tamin’ny olona. Hoy i Jesosy indray mandeha: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.”—Marka 12:30.

Fantatr’i Jesosy fa tena ilaina ilay anarana hoe “Jehovah.” Nampianariny mba hampiasa ny anaran’Andriamanitra ny mpianany. Nampianariny mihitsy aza izy ireo mba hiresaka momba ny anaran’Andriamanitra, rehefa nivavaka. Fantatr’i Jesosy fa tian’Andriamanitra ho fantatry ny olona rehetra ilay anarana hoe Jehovah.

Taloha, dia nasehon’Andriamanitra an’i Mosesy fa tena ilaina ny anarany. Anisan’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nipetraka tany Ejipta ny Zanak’Israely, na Israelita. Ejipsianina no anaran’ny mponina tany Ejipta. Nataon’ny Ejipsianina andevo ny Israelita, ary tena nampijaliny. Saika hanampy Israelita iray i Mosesy, indray mandeha, rehefa lehibe. Nahatezitra be an’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izany. Saika novonoiny i Mosesy, ka lasa nandositra niala tany Ejipta!

Nankany amin’ny tany Midiana i Mosesy. Nanambady i Mosesy ary niteraka. Mpiandry ondry koa izy. Variana nikarakara ny ondriny teo akaikin’ny tendrombohitra iray i Mosesy, indray andro. Nahita zavatra nahagaga izy tamin’izay. Nisy hazokely naniry, nirehitra nefa tsy may! Nanatona i Mosesy mba hijery an’ilay izy.

Inona no nitranga, raha fantatrao?... Nahare feo niantso avy tao amin’ilay hazo nirehitra i Mosesy. “Ry Mosesy, ry Mosesy!”, hoy ilay feo. Iza no niteny izany?... Andriamanitra! Nisy asa lehibe nasain’Andriamanitra hataon’i Mosesy. ‘Avia ianao hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Israely oloko hivoaka avy any Ejipta’, hoy Andriamanitra. Nilaza Andriamanitra fa tena hanampy an’i Mosesy hanao izany izy.

Inona no zavatra tena ilaina nianaran’i Mosesy teo amin’ilay hazo nirehitra?

Hoy anefa i Mosesy tamin’Andriamanitra: ‘Eritrereto hoe tonga any amin’ny Zanak’Israely any Ejipta aho ka hanao hoe Andriamanitra no naniraka ahy. Ahoana raha manontany ahy izy ireo hoe: “Iza no anarany?” Dia inona no holazaiko?’ Izao no nasain’Andriamanitra nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely: ‘Jehovah no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no anarako mandrakizay.’ (Eksodosy 3:1-15) Hotazonin’Andriamanitra ilay anarana hoe Jehovah. Tsy hanova anarana mihitsy izy. Jehovah no anarana tiany hahafantarana azy mandrakizay.

Inona no nataon’Andriamanitra teo amin’ny Ranomasina Mena mba hampahafantarana ny anarany?

Rehefa niverina tany Ejipta i Mosesy, dia nieritreritra ny Ejipsianina hoe andriamanitra kely teo amin’ny Israelita izany Jehovah izany. Tsy noeritreretin’izy ireo hoe Andriamanitry ny tany rehetra ange i Jehovah! ‘Hataoko fantatry ny olona rehetra ny anarako’, hoy i Jehovah tamin’ny mpanjakan’i Ejipta. (Eksodosy 9:16) Tena nataony nalaza tokoa ny anarany. Ahoana no nataony, raha fantatrao?...

Nasainy nentin’i Mosesy niala tany Ejipta ny Israelita. Rehefa tonga teo amin’ny Ranomasina Mena izy ireo, dia nozarain’i Jehovah roa ilay ranomasina. Nandeha teo amin’ny tany maina àry ny Israelita ka tafita soa aman-tsara. Rehefa nanaraka kosa anefa i Farao sy ny miaramilany, dia nitambatra indray ny ranomasina, ka maty tao ry zareo.

Vetivety dia ren’ny olona rehetra ny zavatra nataon’i Jehovah tao amin’ny Ranomasina Mena. Ahoana no ahafantarantsika an’izany?... Tonga tany Kanana ny Israelita, 40 taona taorian’io. Tany efa nolazain’i Jehovah fa homeny ny Israelita i Kanana. Vehivavy natao hoe Rahaba no nilaza tamin’ny Israelita roa lahy hoe: ‘Efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Ejipta.’—Josoa 2:10.

Betsaka ny olona tahaka an’ireny Ejipsianina ireny ankehitriny. Tsy inoany hoe i Jehovah no Andriamanitry ny tany rehetra. Tian’i Jehovah hiresaka momba azy àry ny vahoakany. Izany no nataon’i Jesosy. “Efa nampahafantariko azy ny anaranao”, hoy izy nivavaka, tamin’izy efa ho faty.—Jaona 17:26.

Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy. Aiza avy ny andininy mampiseho io anarana io?

Te hanao tahaka an’i Jesosy ve ianao? Lazao amin’ny olona hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Ho hitanao fa betsaka no tsy mahalala an’izany. Azonao aseho azy ny Salamo 83:18. Andeha horaisintsika mihitsy ny Baiboly mba hijerena an’io andininy io! Hoy izy eo: ‘Ary aoka ho fantany fa ianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’

Inona no fantatsika avy amin’io andininy io?... Fantatsika fa ny hoe Jehovah no anarana lehibe indrindra. Io no anaran’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, ilay Rain’i Jesosy sy Mpanao ny zavatra rehetra. Tadidio koa fa tokony ho tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, hoy i Jesosy. Tia an’i Jehovah ve ianao?...

Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’i Jehovah isika?... Voalohany dia manaiky azy ho Namana. Faharoa dia milaza ny anarany amin’ny olona. Azontsika aseho avy ao amin’ny Baiboly mihitsy fa Jehovah no anarany. Azontsika resahina koa ireo zavatra mahafinaritra noforonin’i Jehovah sy ireo zavatra tsara nataony. Tena faly i Jehovah amin’izany, satria tiany hahafantatra azy ny olona. Tsy afaka mandray anjara amin’izany ve isika?...

Tsy ny rehetra no te hihaino rehefa miresaka momba an’i Jehovah isika. Betsaka ny olona tsy nihaino rehefa niresaka momba an’i Jehovah i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Mbola niresaka momba an’i Jehovah ihany anefa izy.

Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy ka hiresaka an’i Jehovah foana. Ho faly i Jehovah Andriamanitra raha manao izany isika, satria asehontsika fa tiantsika ny anarany.

Andeha hovakintsika ireto andininy ireto, izay mampiseho fa ilaina ny anaran’Andriamanitra: Isaia 12:4, 5; Matio 6:9; Jaona 17:6; Romanina 10:13.