Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 7

Miaro Anao ny Fankatoavana

Miaro Anao ny Fankatoavana

HO TIANAO ve raha afaka manao izay rehetra tianao ianao? Tianao ve indraindray raha tsy misy olona milaza aminao izay zavatra tokony hataonao? Lazao amiko hoe izay tena hevitrao!...

Nahoana ianao no tokony hihaino ny olona be taona noho ianao?

Inona anefa no tsara kokoa? Tena tsara ve ny manao izay rehetra tiantsika hatao? Sa aleo mankatò an’i Dada sy Neny?... Lazain’Andriamanitra fa tokony hankatò ny ray aman-dreninao ianao, ary misy antony matoa milaza izany izy. Andeha hojerentsika raha mety ho azonao ilay antony.

Firy taona moa ianao?... Firy taona i Dada?... Firy taona i Neny, na Bebe, na Dadabe?... Efa ela niainana noho ianao ireo olona ireo. Nanana fotoana bebe kokoa nianarana zavatra ny olona ela niainana. Be kokoa ny zavatra reny sy hitany ary ataony isan-taona. Afaka mianatra zavatra avy amin’ny olon-dehibe àry ny tanora.

Mahafantatra ankizy mbola zandrinao ve ianao?... Mahafantatra zavatra be noho izy ve ianao?... Nahoana?... Satria ela niainana noho izy ianao. Nanana fotoana bebe kokoa nianarana zavatra ianao.

Iza no ela niainana noho izaho na ianao ary ny olon-kafa rehetra?... Jehovah Andriamanitra. Mahafantatra zavatra betsaka noho ianao izy, ary mahafantatra zavatra betsaka noho izaho. Rehefa misy zavatra asainy ataontsika, dia izay no zavatra tsara hatao, na mety ho sarotra aza ilay izy. Fantatrao ve fa sarotra tamin’ilay Mpampianatra Lehibe koa ny nankatò, indray mandeha?...

Nisy zavatra sarotra be nasain’Andriamanitra nataon’i Jesosy, indray mandeha. Nivavaka izy tamin’izay, araka ny hitantsika eto. Hoy izy hoe: “Raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity.” Nasehon’i Jesosy tamin’io vavaka io, fa tsy mora foana ny manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ahoana no namaranany an’ilay vavaka, raha fantatrao?...

Mampianatra inona antsika ny vavak’i Jesosy?

Hoy i Jesosy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:41, 42) Ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny sitrapony, no tiany ho tanteraka. Izay tian’Andriamanitra àry no nataony fa tsy izay noheveriny hoe tsara indrindra.

Inona no lesona raisintsika avy amin’izany?... Tsara foana ny manao izay lazain’Andriamanitra, na dia mety ho sarotra aza izany. Mandray lesona hafa koa isika. Inona izany, raha fantatrao?... Olona roa samy hafa i Jehovah sy Jesosy, fa tsy araka ny lazain’ny sasany. Efa ela niainana i Jehovah Andriamanitra ka mahafantatra zavatra be noho i Jesosy Zanany.

Rehefa mankatò an’Andriamanitra isika dia mampiseho fa tia azy. Hoy ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Hitanao àry fa mila mankatò an’Andriamanitra isika rehetra. Tianao ny hankatò azy, sa ahoana?...

Andeha hosokafantsika ny Baiboly mba hahitana izay asain’Andriamanitra ataon’ny ankizy. Hovakintsika izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Efesiana toko faha-6, andininy 1, 2 ary 3. Hoy izy eo: ‘Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. “Manajà ny ray sy ny reninao” (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), “mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ny tany.”’

Hitanao àry fa i Jehovah Andriamanitra mihitsy no milaza aminao mba hankatò ny rainao sy ny reninao. Inona no dikan’ny hoe ‘manaja’ azy ireo? Midika izany hoe tsy maintsy manome voninahitra azy ireo ianao. Lazain’Andriamanitra fa tena ‘hahita soa ianao’ raha mankatò ny ray aman-dreninao.

Ndao ianao hilazako ny tantaran’ny olona sasany izay tsy maty satria nankatò. Anisan’ny mponin’i Jerosalema ireo olona ireo, taloha ela be. Tsy nihaino an’Andriamanitra anefa ny ankamaroan’ny mponina tao, ka nampitandrina azy ireo i Jesosy fa horavan’Andriamanitra ilay tanàna. Nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo koa ny fomba nialana an’ilay loza, raha tia ny marina izy ireo. Hoy izy: ‘Rehefa hitanareo manodidina an’i Jerosalema ny tafika, dia ho fantatrareo fa akaiky ny fandravana azy. Amin’izay no fotoana tokony handaozana an’i Jerosalema ka handosirana any an-tendrombohitra.’—Lioka 21:20-22.

Nahoana ny baikon’i Jesosy no namonjy ny ain’ireto olona ireto?

Tonga nanafika an’i Jerosalema tokoa àry ny miaramila, araka ny tenin’i Jesosy. Nitoby nanodidina ilay tanàna ireo miaramila romanina ireo. Lasa indray anefa izy ireo avy eo, ary tsy fantatra mazava hoe nahoana. Nieritreritra àry ny ankamaroan’ny olona fa tsy nisy natahorana intsony, ka nijanona tao an-tanàna ihany izy ireo. Inona anefa no tokony hataon’izy ireo araka ny nolazain’i Jesosy?... Inona no ho nataonao raha mponina tao Jerosalema ianao?... Nandao ny tranony ireo tena nino an’i Jesosy ary nandositra tany an-tendrombohitra lavitra an’i Jerosalema.

Tsy nisy zavatra nitranga tao Jerosalema nandritra ny herintaona. Tsy nisy zavatra nitranga koa nandritra ny roa taona. Ary mbola tsy nisy zavatra nitranga koa nandritra ny telo taona. Adaladala ireo niala tao an-tanàna, hoy ny eritreritry ny olona sasany. Niverina indray anefa ny tafika romanina tamin’ny taona fahefatra ary nitoby nanodidina an’i Jerosalema ihany. Tsy nisy fotoana nandosirana intsony tamin’izay. Noravan’ilay tafika ny tanàna. Maty tao ny ankamaroan’ny mponina, ary nentina ho babo ny sisa tsy maty.

Nanao ahoana kosa ireo nankatò an’i Jesosy?... Velona soa aman-tsara izy ireo, satria tany amin’ny toerana lavitra an’i Jerosalema no nisy azy. Niaro azy ny fankatoavana.

Ho voaro koa ve ianao raha mankatò?... Mety hiteny aminao ny ray aman-dreninao hoe aza milalao eny amin’ny arabe mihitsy. Nahoana izy ireo no milaza izany?... Satria mety ho voadonan’ny aotomobilina ianao. Mety hieritreritra anefa ianao indray andro hoe: ‘Tsy misy aotomobilina mandalo izao, ka tsy ho voadona aho. Misy ankizy milalao eny amin’ny arabe koa ange nefa mbola tsy hitako izay naratra e!’

Nahoana ianao no tokony hankatò na dia tsy hitanao aza ny loza?

Tahaka izany koa no fihevitry ny olona tany Jerosalema. Toy ny hoe tsy nisy natahorana intsony rehefa lasa ny tafika romanina. Mbola nisy nijanona ihany tao amin’ilay tanàna ka mba nijanona koa izy ireo. Efa nahazo fampitandremana izy ireo nefa tsy niraharaha. Maty izy ireo, vokatr’izany.

Ity misy ohatra hafa koa. Efa nilalao afokasoka ve ianao?... Mahafinaritra erỳ ny mijery an’ilay afokasoka mirehitra. Mety hampidi-doza anefa ny milalao afokasoka satria mety handoro trano ianao ka ho faty ao!

Tadidio fa tsy ampy ny mankatò tsindraindray. Tena ho voaro ianao raha mankatò foana. Ary iza moa no milaza aminao hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo”?... Andriamanitra. Tadidio fa tia anao Andriamanitra matoa izy milaza izany.

Vakio izao ireto andininy ireto izay mampiseho fa tsara ny mankatò: Ohabolana 23:22; Mpitoriteny 12:13; Isaia 48:17, 18; Kolosianina 3:20.