Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 23

Nahoana no Marary ny Olona?

Nahoana no Marary ny Olona?

MAHAFANTATRA olona marary ve ianao?... Na ianao koa aza angamba marary indraindray. Mety ho voan’ny sery ianao, na harary kibo. Marary mafy ny olona sasany. Tsy afaka mitsangana akory izy ireny raha tsy misy manampy. Izany matetika no manjo ny olona efa antitra be.

Marary ny olona indraindray. Nahoana no marary sy antitra ary maty ny olona, raha fantatrao?... Nasehon’i Jesosy ny antony, rehefa nisy lehilahy iray nalemy nentina teo aminy, indray andro. Hotantaraiko aminao ilay izy.

Nijanona tao amin’ny tanàna iray akaikin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy. Olona maro no tonga tao amin’ny trano nisy azy. Tena maro izy ireo ka tsy omby intsony ilay trano. Tsy nisy afaka nankeo am-baravarana intsony, nefa mbola tonga ihany ny olona! Nisy olona vitsivitsy nitondra lehilahy iray nalemy. Efa-dahy no nibata azy tamin’ny fandriana kely.

Inona no antony nitondrany io marary io teo amin’i Jesosy, raha fantatrao?... Satria nino izy fa afaka nanampy an’io lehilahy io i Jesosy. Nino izy fa afaka nanasitrana azy io i Jesosy. Fantatrao ve ny zavatra nataon’izy ireo mba hahatongavan’ilay marary teo amin’i Jesosy, nefa maro be ny olona efa tao amin’ilay trano?...

Mampiseho izany ny sary hitanao eto. Nampiakariny tany ambonin’ilay tafo fisaka aloha ilay lehilahy. Noloahiny ilay tafo avy eo. Teo amin’io loaka io no nampidinany an’ilay marary teo ambony fandriana, hankao an-trano. Tena nanam-pinoana izy ireo!

Gaga ny rehetra tao amin’ilay trano rehefa nahita izany. Tonga teo afovoan’izy ireo ilay lehilahy nalemy. Tezitra ve i Jesosy satria nanao izany zavatra izany ireo lehilahy ireo?... Tsy tezitra mihitsy izy. Faly izy nahita fa nanana finoana izy ireo. Hoy izy tamin’ilay nalemy: “Voavela ny helokao.”

Inona no nasain’i Jesosy nataon’ilay lehilahy nalemy?

Nisy nieritreritra fa tsy tokony hilaza izany i Jesosy. Tsy afaka namela heloka izy, araka ny hevitr’izy ireo. Hoy àry i Jesosy, tamin’ilay nalemy, mba hampisehoana fa tena afaka namela heloka izy: ‘Mitsangana, batao ny fandrianao, ary mandehana mody.’

Sitrana ilay lehilahy rehefa niteny izany i Jesosy! Tsy nalemy intsony izy, fa afaka nitsangana irery ka nandeha. Gaga be ny olona nahita io fahagagana io. Mbola tsy nahita zavatra nahatalanjona toy izany izy hatramin’izay niainany! Nidera an’i Jehovah izy ireo, satria nanana an’ilay Mpampianatra Lehibe, izay afaka nanasitrana ny olona.—Marka 2:1-12.

Inona no ianarantsika avy amin’io fahagagana io?

Inona no ianarantsika avy amin’io fahagagana io?... Ianarantsika fa manana fahefana hamela heloka sy hanasitrana ny marary i Jesosy. Mianatra zavatra hafa tena ilaintsika koa anefa isika eto, dia ny hoe ny ota no mahatonga ny olona harary.

Midika ve izany fa mpanota daholo isika satria marary indraindray?... Ie, lazain’ny Baiboly fa teraka tao anatin’ny ota isika rehetra. Ahoana izany hoe teraka tao anatin’ny ota izany, raha fantatrao?... Vao teraka isika dia efa tsy lavorary. Manao diso isika indraindray na dia tsy manao fanahy iniana aza. Ahoana no nahatonga antsika rehetra ho mpanota, raha fantatrao?...

Nanjary mpanota isika, satria tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama, lehilahy voalohany. Nanota izy rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra. Ary nahazo ota avy tamin’i Adama isika rehetra. Fantatrao ve hoe nahoana no nahazo ota taminy isika? Hiezaka hanazava aho mba hahazoanao ilay izy.

Ahoana no nahatonga antsika ho mpanota?

Angamba efa nahita olona nahandro mofo tao anaty lasitra ianao. Hanao ahoana ilay mofo raha misy pepo ilay lasitra, raha fantatrao?... Ho hita eo amin’ny mofo rehetra nandrahoina tao amin’io lasitra io ilay pepo, sa tsy izany?...

Tahaka an’io lasitra io i Adama, ary tahaka ilay mofo isika. Nanjary tsy lavorary izy rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra. Toy ny hoe nahazo marika ratsy izy tamin’izany. Nanao ahoana àry ny zanany rehefa nanan-janaka izy?... Nahazo io marika ratsy io izy rehetra. Tsy lavorary izy rehetra.

Tsy tonga dia hita eo amin’ny ankamaroan’ny zaza vao teraka hoe tsy lavorary izy. Tsy voatery ho tsy hisy tanana na tongotra izy. Tena tsy lavorary anefa izy ka mety harary, ary ho faty aza amin’ny farany.

Marina fa marary matetika ny olona sasany. Nahoana? Satria ve nahazo ota be kokoa izy?... Tsia, nahazo ota mitovy ny rehetra, ary samy tsy lavorary raha vao teraka. Harary daholo àry isika, na ho ela na ho haingana. Mety harary na dia ireo miezaka hankatò ny lalàn’Andriamanitra sy tsy manao zavatra ratsy aza.

Hanao ahoana ny fahasalamantsika rehefa tsy hisy intsony ny ota?

Nahoana no misy olona marary matetika kokoa noho ny hafa?... Maro ny antony. Mety ho tsy ampy sakafo izy, na tsy mihinana sakafo mahasalama. Mety hihinana mofomamy sy vatomamy be loatra izy. Mety hiari-tory loatra izy ka tsy ho ampy torimaso, na tsy hiakanjo mafana tsara vao mivoaka any amin’ny hatsiaka. Tena kely hery ny olona sasany, ka tsy mahatohitra aretina, na dia miezaka mitandrina aza.

Tsy harary intsony ve isika indray andro any? Ho afaka amin’ny ota ve isika indray andro any?... Inona no nataon’i Jesosy tamin’ilay lehilahy nalemy?... Navelany ny helony ary nositraniny izy. Nasehon’i Jesosy fa hisy andro hanaovany toy izany koa ho an’ireo miezaka mafy hanao ny marina.

Hositranin’i Jesosy isika raha mampiseho fa tsy tia manota, ary mankahala ny ratsy. Hesoriny ny zavatra tsy mahalavorary antsika, amin’ny hoavy. Izany no hataony, rehefa ho Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra izy. Tsy ho afaka avy hatrany ny ota fa hila fotoana. Tsy harary intsony isika amin’izay, rehefa tsy hisy intsony ny ota. Ho salama tsara isika rehetra. Ho fitahiana tokoa izany!

Mba hahitana ny vokatry ny ota eo amin’ny olona, dia vakio ny Joba 14:4; Salamo 51:5; Romanina 3:23; 5:12; 6:23.