Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 16

Inona no Tena Sarobidy?

Inona no Tena Sarobidy?

Inona no zava-manahirana an’ity lehilahy ity?

NISY lehilahy nanatona an’i Jesosy, indray andro. Fantany fa tena hendry i Jesosy, ka hoy izy: ‘Mpampianatra ô, asaivo omen’ny rahalahiko ahy ny fananany sasany.’ Nieritreritra io lehilahy io fa tokony ho azy izany.

Inona no ho nolazainao, raha ianao no Jesosy?... Hitan’i Jesosy fa sahirana ilay lehilahy. Tsy hoe nila ny fananan’ny rahalahiny mantsy izy, fa tsy fantany hoe inona no tena sarobidy teo amin’ny fiainana.

Eritrereto ange izao e! Inona no tokony ho sarobidy indrindra amintsika? Kilalao tsara tarehy ve, sa akanjo vaovao, na zavatra toy izany?... Tsia. Misy zavatra mbola sarobidy kokoa, ary io zavatra io no tian’i Jesosy hampianarina. Nitantara momba ny lehilahy iray nanadino an’Andriamanitra àry izy. Tianao ve ny handre ilay tantara?...

Nanankarena be io lehilahy io. Nanana tany sy fitehirizam-bokatra maro izy. Namokatra be ny fambolena nataony ka tsy omby intsony ny fitehirizany. Inona àry no hataony? Hoy izy: ‘Horavako ny fitehirizam-bokatro ary hanorina lehibe kokoa aho. Hotehiriziko ao anatin’ireo ny vokatro sy ny fananako rehetra.’

Nieritreritra izy fa hendry izy raha nanao izany. Nihevitra ny tenany ho hendry be izy satria hoe nitahiry zavatra maro. Hoy izy anakampo: ‘Manana zavatra tsara maro aho. Ho ampy ahy mandritra ny taona maro ireo. Afaka mipetrapetraka amin’izay aho izao. Hihinana sy hisotro ary hifaly aho.’ Diso anefa ny fomba fisainan’io lehilahy io. Fantatrao ve hoe nahoana?... Satria tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany sy ny fahafinaretany izy. Hadinony Andriamanitra.

Inona no eritreretin’ity mpanan-karena ity?

Hoy àry Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, ho faty anio alina ianao, ka ho an’iza ny zavatra notehirizinao?’ Ho afaka hampiasa ireo zavatra ireo ve izy rehefa maty?... Tsia. Ho lasan’olon-kafa izany. Hoy i Jesosy: ‘Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra.’—Lioka 12:13-21.

Tsy te hitovy amin’io mpanan-karena io ianao, sa ahoana?... Ny hahazo harena no zavatra nokendreny voalohany teo amin’ny fiainana. Diso izy. Te hampitombo izany harena izany foana izy, fa tsy mba ‘nanankarena ny amin’Andriamanitra.’

Maro ny olona mitovy amin’io mpanan-karena io. Te hampitombo ny fananany foana izy ireny. Mety hiteraka zava-manahirana lehibe anefa izany. Ohatra, manana kilalao izao ianao. Inona avy moa ny kilalao anananao?... Ahoana raha manana baolina, na saribakoly, na kilalao hafa tsy anananao ny namanao? Tsara ve raha mitomany hividianan’i Dada sy Neny kilalao mitovy amin’izany koa ianao?...

Mety ho tena tsara ny mahazo kilalao indraindray, kanefa inona no mitranga rehefa mandeha ny fotoana?... Miharatsy ilay kilalao, dia simba ary tsy tianao intsony. Tena manana zavatra sarobidy noho ny kilalao anefa ianao. Inona izany, raha fantatrao?...

Inona no zavatra anananao ka sarobidy noho ny kilalao?

Ny ainao. Tena sarobidy ny aina satria tsy afaka manao na inona na inona ianao raha tsy eo izy io. Miankina amin’ny fanaovanao izay hahafaly an’Andriamanitra anefa ny ainao, sa ahoana?... Aza manao tahaka an’ilay mpanan-karena adala àry fa aoka kosa isika tsy hanadino an’Andriamanitra.

Tsy ny ankizy ihany no manao zavatra adaladala tahaka an’ilay mpanan-karena. Maro koa ny olon-dehibe manao toy izany. Te hampitombo ny zavatra efa ananany foana izy ireo. Mety ho efa manana sakafo sy akanjo ary trano izy ireo, nefa mbola te hahazo akanjo maro be sy trano lehibe kokoa. Mitaky vola izany, ka miasa mafy izy ireo mba hahazoana vola be. Mbola tsy afa-po ihany anefa izy ireo fa te hahazo vola bebe kokoa foana.

Sahirana mitady vola ny olon-dehibe sasany ka tsy manam-potoana hiarahana amin’ny fianakaviany intsony. Tsy manam-potoana ho an’Andriamanitra intsony koa izy. Afaka misakana azy tsy ho faty ve ny volany?... Tsy afaka. Afaka mampiasa ny volany ve izy rehefa maty?... Tsy afaka, satria tsy afaka manao na inona na inona intsony ny maty.—Mpitoriteny 9:5, 10.

Ratsy ve izany ny manam-bola?... Tsy ratsy. Mila vola isika mba hividianana sakafo sy akanjo. Fialokalofana na fiarovana ny vola, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 7:12) Tena ho sahirana anefa isika raha tia vola. Ho tahaka an’ilay mpanan-karena adala isika, ka hanan-karena ho an’ny tenantsika fa tsy hanan-karena ny amin’Andriamanitra.

Ahoana izany hoe manankarena ny amin’Andriamanitra izany?... Andriamanitra no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainantsika. Milaza ho mino an’Andriamanitra ny olona sasany. Heveriny fa izay ihany no ilaina. Manankarena ny amin’Andriamanitra tokoa ve anefa izy ireny?... Tsia, tahaka an’ilay mpanan-karena nanadino an’Andriamanitra izy ireny.

Tsy nanadino ny Rainy tany an-danitra mihitsy i Jesosy. Tsy niezaka nitady vola izy, ary tsy nanana zavatra betsaka. Fantany hoe inona no tena sarobidy eo amin’ny fiainana. Inona izany, raha fantatrao?... Ny manankarena ny amin’Andriamanitra.

Inona no zavatra tena sarobidy ataon’ity ankizy ity?

Lazao hoe inona no tokony hataontsika raha te ho mpanan-karena ny amin’Andriamanitra isika!... Tokony hanao izay hahafaly azy isika. ‘Manao izay sitrany mandrakariva aho’, hoy i Jesosy. (Jaona 8:29) Faly Andriamanitra rehefa manao izay tiany isika. Inona avy àry hoe ny zavatra azontsika atao mba hampifaliana an’Andriamanitra?... Mamaky Baiboly, mamonjy fivoriana, mivavaka, ary manampy olona hianatra momba an’Andriamanitra. Ireo zavatra ireo no sarobidy indrindra eo amin’ny fiainana.

Nokarakarain’i Jehovah i Jesosy satria nanankarena ny amin’Andriamanitra. Nomeny fiainana mandrakizay izy ho valisoany. Ho tia sy hikarakara antsika koa i Jehovah, raha manao tahaka an’i Jesosy isika. Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy fa tsy hanahaka an’ilay mpanan-karena nanadino an’Andriamanitra.

Ireto misy andininy mampiseho ny fomba fijery mety momba ny vola aman-karena: Ohabolana 23:4; 28:20; 1 Timoty 6:6-10; Hebreo 13:5.