Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 4

Inona no Vokany Rehefa Nihaino An’i Satana Izy Ireo?

Inona no Vokany Rehefa Nihaino An’i Satana Izy Ireo?

Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva ka maty. Genesisy 3:6, 23

Nihaino an’ilay bibilava i Eva ka nihinana tamin’ilay hazo. Nomeny koa i Adama ka nihinana.

Nanao zavatra ratsy izy ireo, izany hoe nanota. Noroahin’Andriamanitra avy tao amin’ilay Paradisa izy ireo.

Sarotra ny fiainan’i Adama sy Eva sy ny zanany. Nihantitra izy ireo ary maty. Tsy hoe nankany ankoatra izy ireo, fa lasa tsy nisy intsony.

Tsy mananaina ny olona maty fa toy ny vovoka. Genesisy 3:19

Maty isika satria samy taranak’i Adama sy Eva. Tsy afaka mahita na mandre na manao zavatra ny maty.—Mpitoriteny 9:5, 10.

Tsy nikasa ny hahafatesan’ny olona i Jehovah. Tsy ho ela izy dia hanangana an’ireo maty. Hiaina mandrakizay izy ireo raha mihaino azy.