Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 3

Nanao Ahoana ny Fiainana tao Amin’ny Paradisa?

Nanao Ahoana ny Fiainana tao Amin’ny Paradisa?

Nanome zavatra tsara be dia be ho an’i Adama sy Eva i Jehovah. Genesisy 1:28

Noforonin’i Jehovah i Eva, ilay vehivavy voalohany. Nomeny an’i Adama izy mba ho vadiny.—Genesisy 2:21, 22.

Nataon’i Jehovah nanana saina sy vatana lavorary izy ireo.

Nipetraka tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. Paradisa tsara tarehy io toerana io. Nisy renirano sy voankazo ary biby tao.

Niresaka tamin’izy mivady i Jehovah, ary nampianatra azy ireo. Ho niaina mandrakizay tao amin’ilay paradisa teto an-tany izy ireo, raha nihaino azy.

Tsy navelan’Andriamanitra hohanina ny voan’ny hazo iray. Genesisy 2:16, 17

Nikomy tamin’Andriamanitra ny anjely iray. I Satana Devoly io anjely ratsy io.

Nisy hazo iray nasehon’i Jehovah an’i Adama sy Eva. Nilaza i Jehovah fa ho faty izy mivady raha nihinana tamin’ilay hazo.

Tsy tian’i Satana hankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva. Nampiasa bibilava àry i Satana mba hilazana tamin’i Eva fa raha mihinana amin’ilay hazo izy, dia tsy ho faty fa hitovy amin’Andriamanitra. Lainga anefa izany.—Genesisy 3:1-5.