Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 10

Inona no Fitahiana ho Azon’izay Mihaino An’Andriamanitra?

Inona no Fitahiana ho Azon’izay Mihaino An’Andriamanitra?

Hatsangana mba hiaina eto an-tany ny ankamaroan’ireo maty. Asan’ny Apostoly 24:15

Eritrereto ny fitahiana ho azonao, raha mihaino an’i Jehovah ianao. Ho salama tsara ianao, satria tsy hisy intsony ny aretina sy ny kilema. Ho azo itokisana ny olona rehetra, satria tsy hisy intsony ny olon-dratsy.

Tsy hisy fanaintainana na alahelo na ranomaso, ary tsy hisy olona hihantitra na ho faty.

Namanao sy havanao daholo ny manodidina anao. Hahafinaritra ny fiainana ao amin’ny Paradisa.

Tsy hisy ny tahotra. Tena ho sambatra ny olona.

Hamarana ny fahoriana rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra. Apokalypsy 21:3, 4