Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA FAHAROA

Miady Saina: “Voageja Amin’ny Lafiny Rehetra”

Miady Saina: “Voageja Amin’ny Lafiny Rehetra”

“Nisaraka izaho sy ny vadiko nefa efa 25 taona izahay no nivady. Niala tamin’ny fahamarinana koa ny zanako. Lasa narary be aho ary kivy tanteraka, ka tsy hitako intsony izay natao. Tsy nandeha nivory intsony àry aho sady tsy nifandray tamin’ny fiangonana intsony.”—June.

MIADY SAINA daholo ny olona, na dia ny mpanompon’Andriamanitra aza. Nilaza, ohatra, ny mpanao salamo iray fa ‘nihabetsaka ny tebiteby tao anatiny.’ (Salamo 94:19) Nilaza koa i Jesosy fa mety tsy ho mora ny manompo an’i Jehovah mandritra ny andro farany, noho ny “fanahiana eo amin’ny fiainana.” (Lioka 21:34) Izany koa ve no tsapanao? Kivy be ve ianao satria sahirana ara-bola, na manana olana ara-pianakaviana, na marary? Ahoana no hanampian’i Jehovah anao hiatrika an’izany?

Mahazo “hery fanampiny”

Mila fanampiana isika mba hiatrehana adin-tsaina. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe “azera” sy “voageja amin’ny lafiny rehetra” ary “very hevitra” isika. Na izany aza anefa dia “tsy maty” isika, “tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika”, ary “tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.” Fa inona no manampy antsika hiaritra? Ny hery fanampiny avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.—2 Korintianina 4:7-9.

Eritrereto hoe ahoana no nahazoanao “hery fanampiny” taloha. Ianao ve, ohatra, mahatadidy lahateny iray nahatonga anao hankasitraka kokoa an’i Jehovah noho izy tia anao foana? Ianao ve tsy lasa nino kokoa ny fampanantenan’i Jehovah rehefa nampianatra momba ny Paradisa? Rehefa mivory sy miresaka momba ny fanantenantsika isika, dia mahazo hery ka lasa mahavita miatrika adin-tsaina. Hilamin-tsaina isika ka ho faly manompo an’i Jehovah.

“Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah”

Mety ho be dia be ny zavatra mampiady saina anao. Milaza, ohatra, i Jehovah hoe tokony hataontsika loha laharana ilay Fanjakana, ary tokony hanao zavatra ara-panahy tsy tapaka isika. (Matio 6:33; Lioka 13:24) Ahoana anefa raha voafetra ny vitanao noho ny fanoherana na ny tsy fahasalamana na ny olana ara-pianakaviana? Ahoana koa raha lany iasana ny fotoana sy hery tokony hatokanao hiarahana amin’ny fiangonana? Mety ho kivy tanteraka ianao rehefa be loatra ireny zavatra mampiady saina ireny, nefa ianao zara raha manam-potoana sy hery handaminana azy. Mety hieritreritra mihitsy aza ianao hoe mitaky be loatra aminao i Jehovah.

Takatr’i Jehovah tsara ny mahazo anao. Tsy mitaky aminao mihoatra noho izay vitanao izy. Fantany tsara hoe mila fotoana isika mba ho tafarina indray ka hatanjaka sy hilamin-tsaina.—Salamo 103:13, 14.

Diniho, ohatra, ny nikarakaran’i Jehovah an’i Elia mpaminany. Kivy sy natahotra be i Elia indray mandeha ka lasa nandositra tany an-tany efitra. Nananatranatra azy ve anefa i Jehovah ka nasainy niverina tany amin’izay nanendrena azy izy? Tsia. Indroa kosa aza izy no naniraka anjely hamoha an’i Elia moramora sy hanome sakafo azy. Efapolo andro tatỳ aoriana anefa, dia mbola niady saina sy natahotra foana i Elia. Inona indray no nataon’i Jehovah? Nasehon’i Jehovah aloha hoe afaka niaro azy izy. Nampahery azy tamin’ny “feo malefaka sy iva” i Jehovah avy eo. Ary farany, dia nampahafantarin’i Jehovah azy fa mbola nisy olona an’arivony tsy nivadika. Tsy ela taorian’izay, dia lasa nazoto be tamin’ny asany indray i Elia mpaminany. (1 Mpanjaka 19:1-19) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa niady saina be i Elia, dia nanam-paharetana taminy i Jehovah sady nangoraka azy. Tsy niova i Jehovah, fa mbola miahy antsika toy izany foana.

Izay ho vitanao ihany aloha hatao rehefa mieritreritra an’izay homenao an’i Jehovah ianao. Aza mampitaha izay vitanao taloha amin’izay azonao atao amin’izao. Ity misy ohatra: Efa ela be ny mpihazakazaka iray no tsy nanao fanazaran-tena. Tsy hoe tampoka eo àry izy dia hahavita hoatran’ny nataony taloha. Mametraka tanjona tsikelikely kosa izy mba hatanjaka indray. Azo ampitahaina amin’io mpihazakazaka io ny Kristianina. Tsy maintsy manao fanazaran-tena izy ireo mba hanatratrarana tanjona iray. (1 Korintianina 9:24-27) Nahoana àry raha manatratra tanjona iray hitanao hoe azo tratrarina amin’izao? Azonao atao tanjona, ohatra, ny hanatrika fivoriana iray. Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anao hahavita an’izany. Ho tsapanao hoe “tsara i Jehovah” rehefa mihamatanjaka ara-panahy ianao. (Salamo 34:8) Tadidio fa sarobidy amin’i Jehovah foana izay ataonao hanehoana fitiavana azy, na dia mety ho faran’izay kely aza izany.—Lioka 21:1-4.

Tsy mitaky aminao mihoatra noho izay vitanao i Jehovah

“Iny no tena nandrisika ahy hiverina”

Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i June mba hananany hery hiverenana? Hoy i June: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba hanampiany ahy. Nilaza tamiko ny vinantovaviko taorian’izay hoe hisy fivoriambe ao an-tanànanay. Tapa-kevitra ny hanatrika andro iray tamin’ilay izy aho. Faly be aho rehefa tafaraka indray tamin’ny vahoakan’i Jehovah! Iny fivoriambe iny no tena nandrisika ahy hiverina. Faly aho izao manompo an’i Jehovah indray. Lasa mahafa-po be ahy izao ny fiainako. Izao vao tena tsapako hoe mila ny ranadahy sy rahavaviko aho sady mila ny fanampiany. Soa ihany aho fa mbola afaka niverina!”