Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA FAHADIMY

‘Miverena Amin’ilay Mpiandry sy Mpiandraikitra Anao’

‘Miverena Amin’ilay Mpiandry sy Mpiandraikitra Anao’

Efa nanjo anao ve ny iray na ny maromaro amin’ireo olana noresahina tato amin’ity bokikely ity? Raha izany, dia tsy irery ianao. Nanana olana mitovy amin’ireny koa ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika maro na taloha izany na ankehitriny, nefa nahavita niatrika an’izany rehefa nampian’i Jehovah. Afaka manampy anao koa izy.

Hanampy anao i Jehovah rehefa hiverina aminy ianao

MATOKIA fa hanampy anao i Jehovah rehefa hiverina aminy ianao. Hampiany ianao mba tsy hiady saina na tsy hitana lolompo na tsy hanamelo-tena intsony fa hilamin-tsaina. Lasa te hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny mpanompony indray ianao avy eo. Hitovy amin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ianao amin’izay. Hoy i Petera momba azy ireo: “Tahaka ny ondry nania mantsy ianareo taloha, nefa ankehitriny niverina tamin’ilay mpiandry sy mpiandraikitra anareo.”—1 Petera 2:25.

Ny miverina amin’i Jehovah no zavatra tsara indrindra azonao atao. Nahoana? Satria hampifaly ny fon’i Jehovah ianao raha manao izany. (Ohabolana 27:11) Manana fihetseham-po mantsy izy ka tena misy vokany aminy ny zavatra ataontsika. Na izany aza anefa, dia tsy manery antsika ho tia sy hanompo azy izy. (Deoteronomia 30:19, 20) Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Tsy misy famohana azy avy atỳ ivelany ny fon’ny olona, fa tsy maintsy sokafana avy any anatiny.” Isika ihany àry no afaka manokatra ny fontsika. Manao izany isika rehefa tia an’i Jehovah sy manompo azy foana. Izany no fanomezana sarobidy azontsika atolotra azy sady mampifaly ny fony. Tsy misy mahasambatra noho ny hoe manompo an’i Jehovah, ilay mendrika hotompoina.—Asan’ny Apostoly 20:35; Apokalypsy 4:11.

Ho sambatra tokoa ianao raha miverina manompo an’i Jehovah, satria hahazo izay ilainao eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Matio 5:3) Betsaka, ohatra, ny olona maneran-tany te hahafantatra ny antony namoronana antsika olombelona. Noforonin’i Jehovah haniry hahafantatra an’izany mantsy isika. Noforoniny hahita fifaliana amin’ny fanompoana azy koa isika. Tsy misy mahafa-po noho ny hoe manompo an’i Jehovah satria tia azy.—Salamo 63:1-5.

Tena maniry ny hiverenanao aminy i Jehovah. Nahoana ianao no afaka matoky an’izany? Eritrereto ange e! Nivavaka mafy izahay sady nandinika tsara rehefa nanomana an’ity bokikely ity. Angamba anti-panahy na mpitory hafa no nanome anao azy ity. Novakinao ilay izy ka nahaliana anao. Izany rehetra izany dia manaporofo fa tsy manadino anao i Jehovah, ary miangavy anao mba hiverina aminy.—Jaona 6:44.

Tena mampahery ny hoe tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ny mpanompony niala taminy. Tena nampahery ny anabavy iray atao hoe Donna izany. Hoy izy: “Niala tsikelikely tamin’ny fahamarinana aho. Matetika aho no nieritreritra ny Salamo 139:23, 24 hoe: ‘Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy ahy. Ary jereo sao misy lalana mampahory ato anatiko, dia tariho ho amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.’ Fantatro fa tsy an’izao tontolo izao aho, ary tena tsy nety tamiko mihitsy ny hoe anisan’izy io. Ao amin’ny fandaminan’i Jehovah kosa no tokony ho nisy ahy. Nanomboka hitako fa mbola tsy nanary ahy i Jehovah. Nila nitady fomba hiverenana taminy fotsiny aho. Tena faly aho izao fa tafaverina ihany!”

“Nanomboka hitako fa mbola tsy nanary ahy i Jehovah. Nila nitady fomba hiverenana taminy fotsiny aho”

Mivavaka izahay mba hahazo ny “fifaliana avy amin’i Jehovah” indray ianao. (Nehemia 8:10) Tsy hanenina mihitsy ianao raha miverina amin’i Jehovah!