Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA FAHATELO

Nisy Nanafintohina: “Manana Antony Hitarainana”

Nisy Nanafintohina: “Manana Antony Hitarainana”

“Nendrikendrehin’ny rahavavy iray tao amin’ny fiangonanay aho hoe nangalatra ny volany hono. Nanomboka nihatakataka tamiko àry izay nino ny teniny. Nilaza tamiko anefa ilay rahavavy, tatỳ aoriana, hoe izao vao fantany fa tsy izaho no nangalatra ny volany. Niala tsiny tamiko izy avy eo. Hoatran’ny tsy vitako mihitsy anefa ny namela azy noho ny zavatra nataony tamiko.”—Linda.

EFA nisy mpiara-manompo nanafintohina anao koa ve ka nalahelo be hoatran’i Linda ianao? Mampalahelo fa nisy lasa tsy zatra nanao zavatra ara-panahy intsony noho ny nataon’ny hafa. Izany koa ve no mahazo anao?

Misy ‘mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra’ ve?

Tena tsy mora ny mamela ny fahadisoan’ny rahalahy na anabavy nandratra ny fontsika. Tokony hifankatia mantsy ny Kristianina. (Jaona 13:34, 35) Raha ny mpiara-manompo no manao zavatra tsy mety amintsika, dia mety halahelo be isika ary tena mety haratra ny fontsika.—Salamo 55:12.

Na ny Baiboly aza miaiky fa mety hisy Kristianina ‘hanana antony hitarainana’ momba ny namany indraindray. (Kolosianina 3:13) Rehefa isika mihitsy no tratran’izany, dia mety ho sarotra ny miatrika an’ilay izy. Inona àry no hanampy antsika? Andeha isika handinika toro lalana ara-baiboly telo.

Mahalala ny zava-drehetra ilay Raintsika any an-danitra. Mahita ny zava-drehetra mitranga i Jehovah, anisan’izany ny tsy rariny mahazo antsika sy ny fijaliantsika vokatr’izany. (Hebreo 4:13) Mangoraka antsika koa i Jehovah rehefa mijaly isika. (Isaia 63:9) Tsy avelany ‘hanasaraka antsika amin’ny fitiavany’ mihitsy na fahoriana na fijaliana na inona na inona ary na dia ny mpanompony aza. (Romanina 8:35, 38, 39) Tsy tokony hanao toy izany koa ve isika, ka tsy hamela na inona na inona ary na iza na iza hanimba ny fifandraisantsika aminy?

Tsy hoe manamaivana fahadisoana ianao raha mamela heloka. Rehefa mamela fahadisoana isika, dia tsy midika izany hoe manamaivana na manala tsiny an’ilay izy. Tadidio fa tsy mankasitraka ny fahotana mihitsy i Jehovah, nefa mamela heloka izy rehefa misy antony hanaovana an’izany. (Salamo 103:12, 13; Habakoka 1:13) Miangavy antsika hanahaka azy i Jehovah rehefa mampirisika antsika hamela heloka. Tsy ‘manao an-dolompo mandritra ny fotoana tsy voafetra’ izy.—Salamo 103:9; Matio 6:14.

Mandray soa isika rehefa tsy mitana lolompo. Eritrereto hoe maka vato iray kilao eo ho eo ianao, ary tazoninao eny an-tanana ilay izy. Mety ho zakanao ihany ilay izy raha vetivety no ihazonanao azy. Ahoana anefa raha elaela kokoa ilay izy no eny an-tananao, ohatra hoe minitra vitsivitsy na adiny iray na ela noho izany? Tena ho reraka ny sandrinao! Tsy miova akory ny lanjan’ilay vato, fa arakaraka ny ihazonanao azy elaela no hoatran’ny mampahavesatra azy. Toy izany koa ny hatezerana. Arakaraka ny hihazonantsika hatezerana, na dia kely aza, no hankarary ny fontsika. Tsy mahagaga àry raha mampirisika antsika tsy hitana lolompo i Jehovah. Tena mahasoa antsika mantsy izany.—Ohabolana 11:17.

Mandray soa isika rehefa tsy mitana lolompo

“Hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no niresaka tamiko”

Inona no nanampy an’i Linda tsy hitana lolompo, na dia nanao zavatra nampalahelo azy aza ny mpiara-manompo aminy? Anisan’ny nanampy azy ny fisaintsainana andinin-teny miresaka momba ny antony tokony hamelana heloka. (Salamo 130:3, 4) Tena nanampy azy ny nahalala hoe hamela ny helotsika i Jehovah raha mamela ny heloky ny hafa isika. (Efesianina 4:32–5:2) Hoy izy: “Hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no niresaka tamiko.”

Vitan’i Linda ihany ny tsy nitana lolompo tamin’ilay anabavy intsony, rehefa nandeha ny fotoana. Namela tanteraka ny fahadisoany izy, ary lasa mpinamana be ry zareo izao. Nanompo an’i Jehovah indray i Linda. Matokia fa tian’i Jehovah hampiana hoatr’azy ianao.