Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 2

Andriamanitra no Namana Tsara Indrindra

Andriamanitra no Namana Tsara Indrindra

Tsy misy tsara noho ny hoe naman’Andriamanitra. Hampianatra anao izy, ka ho sambatra sy hilamin-tsaina ianao, sady tsy hino zavatra diso na hanao ratsy intsony. Hihaino ny vavaka ataonao izy, ka hiadan-tsaina sy tsy hatahotahotra ianao. (Salamo 71:5; 73:28) Hanampy anao izy rehefa misy zava-manahirana. (Salamo 18:18) Homeny fiainana mandrakizay koa ianao.—Romanina 6:23.

Ho lasa namanao ireo naman’Andriamanitra. Ho toy ny fianakavianao mihitsy izy ireo. Ho faly izy ireo hampianatra anao momba an’Andriamanitra, ary hanampy sy hampahery anao.

Tsy mitovy amin’Andriamanitra isika. Raha te ho naman’Andriamanitra ianao, dia tadidio fa tsy mitovy amin’ny minamana amin’olona izany. Ela niainana noho isika izy, ary hendry sy mahery lavitra noho isika. Afaka mibaiko antsika izy, satria izy no Mpanjakantsika. Tsy maintsy manaiky ny teniny sy manao izay asainy atao àry isika, raha te ho namany. Mahasoa antsika foana izany.—Isaia 48:18.