Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 16

Asehoy fa Tia An’Andriamanitra Ianao

Asehoy fa Tia An’Andriamanitra Ianao

Mila miresaka amin’ny namanao ianao, mba ho mpinamana foana ianareo. Mihaino azy ianao, ary mihaino anao izy. Resahinao amin’ny olona ny zavatra tsara ataony. Izany koa no tokony hataonao raha naman’Andriamanitra ianao. Diniho izay lazain’ny Baiboly:

Miresaha foana amin’i Jehovah. “Mahareta amin’ny vavaka.”—Romanina 12:12.

Vakio ny Baiboly. “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

Ampianaro momba an’Andriamanitra ny olona. “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Matio 28:19, 20.

Miaraha amin’ireo naman’Andriamanitra. “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.”—Ohabolana 13:20.

Mandehana mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana. ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka hifampahery.’—Hebreo 10:24, 25.

Manaova fanomezana ho an’ny asan’ilay Fanjakana. “Aoka ny tsirairay samy [hanome] araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 9:7.