Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 5

Hiaina ao Amin’ny Paradisa Ireo Naman’Andriamanitra

Hiaina ao Amin’ny Paradisa Ireo Naman’Andriamanitra

Tsy hitovy amin’izao fiainantsika izao ny Paradisa. Feno zava-manahirana, fijaliana, fahoriana, ary alahelo eto an-tany. Tsy tian’Andriamanitra anefa izany. Hanova ny tany ho paradisa izy amin’ny hoavy. Hanao ahoana ny fiainana amin’izany? Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly:

Tsara fanahy ny olona. Ireo naman’Andriamanitra no honina ao amin’ny Paradisa. Hifanampy izy ireo, ary hanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra.—Ohabolana 2:21.

Betsaka ny sakafo. Tsy hisy olona tsy ampy sakafo intsony ao amin’ny Paradisa. Hoy ny Baiboly: “Hahavoka-bary betsaka ny tany.”—Salamo 72:16.

Hanana trano tsara sy asa mahafinaritra ny olona. Samy hanana ny tranony ny fianakaviana rehetra, ao amin’ny Paradisa. Ho faly amin’ny asany koa ny tsirairay.—Isaia 65:21-23.

Hisy fiadanana maneran-tany. Tsy hiady na ho faty noho ny ady intsony ny olona. Milaza ny Baiboly hoe: “Mampitsahatra ady [Andriamanitra].”—Salamo 46:8, 9.

Ho salama tsara ny olona. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao [amin’ny Paradisa] hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Tsy hisy kilemaina na jamba na marenina na moana intsony koa ao.—Isaia 35:5, 6.

Tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny alahelo ary ny fahafatesana. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

Tsy hisy ratsy fanahy intsony. Mampanantena i Jehovah hoe: “Ny ratsy fanahy ... hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”—Ohabolana 2:22.

Hifankatia sy hifanaja ny olona. Tsy hisy intsony ny tsy rariny sy ny fampahoriana. Ho foana koa ny fankahalana sy ny fitiavan-karena. Hiray saina sy hanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra ny olona.—Isaia 26:9.