LESONA 9
Iza no Naman’Andriamanitra?
Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Izy no tian’i Jehovah indrindra sy namany akaiky indrindra. Anjely mahery tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy. (Jaona 17:5) Tonga teto an-tany izy, mba hampianatra ny olona ny marina momba an’Andriamanitra. (Jaona 18:37) Nanome ny ainy koa izy mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Romanina 6:23) Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izao i Jesosy. Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary hanova ny tany ho Paradisa.—Apokalypsy 19:16.
Naman’Andriamanitra koa ny anjely. Tsy ny olombelona no lasa anjely. Noforonin’Andriamanitra tany an-danitra izy ireo, talohan’ny nanaovany ny tany. (Joba 38:4-7) An-tapitrisany ny anjely. (Daniela 7:10) Tian’izy ireo hianatra ny marina momba an’i Jehovah ny olona.—Apokalypsy 14:6, 7.
Misy naman’Andriamanitra koa eto an-tany. Antsoiny hoe Vavolombelony izy ireo. Milaza izay marina fantany ny vavolombelona, any amin’ny fitsarana. Milaza izay fantany momba an’i Jehovah sy ny fikasany koa ny Vavolombelony. (Isaia 43:10) Manahaka ny anjely ny Vavolombelona, ka maniry hanampy anao hianatra ny marina momba an’i Jehovah. Tian’izy ireo ho naman’Andriamanitra koa mantsy ianao.