LESONA 15
Manao ny Tsara ny Naman’Andriamanitra
Raha tianao ny toetran’ny namanao, dia miezaka ho toa azy ianao. “Tsara sy mahitsy Jehovah”, hoy ny Baiboly. (Salamo 25:8) Tokony ho tsara toetra sy hanao izay mahitsy koa isika, mba ho naman’Andriamanitra. Hoy koa ny Baiboly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.” (Efesianina 5:1, 2) Ireto misy fomba azo ampiharana izany:
Ampio ny hafa. “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra.”—Galatianina 6:10.
Mazotoa miasa. “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara.”—Efesianina 4:28.
Mila madio isika. Tokony ho tsara koa ny fitondran-tena. “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.”—2 Korintianina 7:1.
Manehoa fitiavana. “Aoka isika hifankatia hatrany, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.”—1 Jaona 4:7.
Ankatoavy ny lalàna eo amin’ny tany misy anao. “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny [fanjakana] ... Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra.”—Romanina 13:1, 7.