Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 7

Tantara Andraisantsika Lesona

Tantara Andraisantsika Lesona

Tsy havelan’i Jehovah hiaina ao amin’ny Paradisa ny ratsy fanahy, sao manimba azy io. Ireo namany ihany no hipetraka ao. Inona no hanjo ny ratsy fanahy? Mba hahalalanao izany, dia diniho ny tantaran’i Noa, izay niaina an’arivony taona lasa izay. Tena nisy izy io fa tsy angano fotsiny. Lehilahy tsara toetra i Noa, ary nanao ny sitrapon’i Jehovah foana. Ratsy fanahy anefa ny olona tamin’izany. Nilaza tamin’i Noa àry i Jehovah fa handefa safodrano, mba handringanana ny olona ratsy rehetra. Nasainy nanamboatra sambofiara i Noa, mba hamonjena azy mianakavy amin’ny Safodrano.—Genesisy 6:9-18.

Nanamboatra sambofiara i Noa sy ny fianakaviany. Nampitandrina ny olona i Noa hoe ho avy ny Safodrano, nefa tsy nihaino izy ireo fa mbola nanao ratsy ihany. Rehefa vita ilay sambofiara, dia nampidirin’i Noa tao ny biby sasany. Niditra tao koa izy mianakavy. Nandefa oram-be nivatravatra i Jehovah avy eo, nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Difotry ny rano ny tany manontolo.—Genesisy 7:7-12.

Maty ireo olona ratsy, fa i Noa sy ny fianakaviany kosa voavonjy. Narovan’i Jehovah izy ireo nandritra ny Safodrano, ary niaina tamim-pilaminana avy eo, satria tsy nisy ratsy intsony. (Genesisy 7:22, 23) Milaza ny Baiboly fa handringana ny ratsy fanahy indray i Jehovah, tsy ho ela. Tsy ho ringana anefa ny tsara fanahy. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa izy ireo.—2 Petera 2:5, 6, 9.

Maro ny olona manao ratsy ankehitriny. Feno faharatsiana ny tany. Maniraka ny Vavolombelony foana i Jehovah, nefa tsy mety mihaino ny fampitandreman’izy ireo ny ankamaroan’ny olona. Tsy mety miova izy ireny, ary tsy manaiky izay lazain’Andriamanitra. Inona no hanjo azy ireo? Mety hiova ihany ve izy ireo indray andro any? Maro no tsy hiova mihitsy. Ho ringana ireny olona ratsy fanahy ireny, ka tsy hisy intsony.—Salamo 92:7.

Tsy ho potika ny tany fa ho lasa paradisa. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ireo naman’Andriamanitra.—Salamo 37:29.