Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?
Raisin’ny olona sasany ara-bakiteny izay lazain’ny Baiboly momba ny famoronana. Mihevitra izy ireo fa noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy izao rehetra izao, ary 10 000 taona teo ho eo fotsiny izay no nitrangan’izany. Tsy manaiky an’izany kosa ny hafa. Hitan’ny mpahay siansa mantsy fa efa ela be no nisian’izao rehetra izao.
Tsy mifanohitra amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa mihitsy anefa ny fitantaran’ny Baiboly. Rehefa dinihina tsara mantsy ny fanazavan’ny Genesisy momba ny fotoana nisian’ny famoronana, dia tena mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Andeha hojerentsika izay tena ampianarin’ny Baiboly.
Tsy milaza ny Genesisy hoe noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy izao rehetra izao, ary an’arivony taona teo ho eo fotsiny izay no nitrangan’izany
Oviana ilay hoe “tany am-piandohana”?
Manomboka amin’izao teny tsotra nefa mafonja izao ny Genesisy: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Tsy nandritra ireo andro famoronana enina, tantaraina manomboka eo amin’ny andininy faha-3, no nitrangan’izany, araka ny resahin’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Hita avy amin’io Genesisy 1:1 io, fa efa nisy talohan’ny nanombohan’ireo andro famoronana enina ny lanitra sy ny tany, ary tsy fantatra ny fotoana efa nisiany. Tena ilaina izany fanazavana izany.
Milaza ny mpikaroka fa 4 000 tapitrisa taona izay no nisian’ny tany. Mety ho efa 15 000 tapitrisa taona koa no nisian’ny kintana sy ny planeta hafa, araka ny kajy nataon’ny astronoma. Mifanohitra amin’ny Genesisy 1:1 ve izany zavatra hitan’ny mpahay siansa izany, na ny zavatra mbola mety ho hitan’izy ireo? Tsia. Tsy milaza ny Baiboly hoe firy taona izay no nisian’ny “lanitra sy ny tany.” Tsy mifanohitra amin’ny siansa àry ny fitantaran’ny Baiboly.
Naharitra hafiriana ny andro famoronana tsirairay?
Tena naharitra 24 ora avy ve? Noresahin’i Mosesy, ilay nanoratra ny Genesisy, fa nanomboka nitsahatra tamin’ny asany Andriamanitra ny andro fahafito, izany hoe taorian’ireo andro famoronana enina. Natao andro sabata ny andro fahafito isan-kerinandro, tatỳ aoriana. (Eksodosy 20:11) Misy àry mihevitra fa tsy maintsy ho 24 ora ny halavan’ny andro famoronana tsirairay. Marina ve izany rehefa jerena ny Genesisy?
Teny hebreo no nanoratan’i Mosesy an’io boky io. Tsy voatery ho 24 ora ilay teny hebreo nadika hoe “andro”, fa mety ho lava na ho fohy noho izany. Na ireo Genesisy 2:4) Ankoatra izany, dia “nantsoin’Andriamanitra hoe Andro ny mazava, fa Alina kosa ny maizina”, tamin’ny andro voalohany. (Genesisy 1:5) Tsy 24 ora no atao hoe “andro” eo, fa ampahany ihany. Tsy naharitra 24 ora àry ny andro famoronana tsirairay, rehefa dinihina ny Soratra Masina.
andro famoronana enina aza, ohatra, dia nataon’i Mosesy hoe andro iray, rehefa namintina ny tantaran’ny famoronana izy. (Naharitra hafiriana àry ny andro famoronana tsirairay? Tsy milaza izany ny Baiboly. Naharitra ela be anefa ilay izy, rehefa jerena ny Genesisy toko 1 sy 2.
Naharitra ela ny andro tsirairay
Hitantsika teo fa efa nisy izao rehetra izao talohan’ireo andro famoronana enina. Teny hebreo koa no nampiasain’i Mosesy tamin’izy nanoratra ny Genesisy. Mba handaminana an’ilay adihevitra momba ny famoronana anefa, dia mila fantatsika koa fa toy ny hoe efa teto an-tany i Mosesy tamin’ireo andro famoronana, ary izay zavatra hita avy teto no nosoratany.
Rehefa dinihina tsara ny Genesisy, dia hita fa mbola nitohy tamin’ny “andro” nanaraka na taorian’izay, ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny “andro” iray. Diniho, ohatra, ny hazavana avy amin’ny masoandro. Efa nisy talohan’ny “andro” voalohany ny masoandro, ary efa nandefa hazavana. Mbola tsy tonga tetỳ an-tany anefa izany, satria nety ho mbola rakotra rahona matevina ny tany. (Joba 38:9) Nihanisava ilay rahona tamin’ny “andro” voalohany, ka lasa nisy hazavana nanjavozavo teto an-tany. a
Lasa nisy ny habakabaka tamin’ny “andro” faharoa, ka nizara roa ilay rahona matevina. Nisy teo ambonin’ny habakabaka, ary nisy kosa lasa ranomasimbe tetỳ ambany. Nihanazava àry teto an-tany. Vao mainka nihanisava ilay rahona, tamin’ny “andro” fahefatra, ka lasa hita teny “amin’ny habakabaky ny lanitra” ny masoandro sy ny volana. (Genesisy 1:14-16) Raha efa teto an-tany àry isika tamin’izany, dia azo inoana fa nanomboka nahita ny masoandro sy ny volana. Nitranga tsikelikely ireo rehetra ireo.
Nanomboka nisy ny ramanavy sy ny bibikely ary ny biby hafa manana elatra, tamin’ny “andro” fahadimy, raha mbola nihanazava hatrany ny habakabaka.
Hita avy amin’ny teny ampiasain’ny Baiboly àry, fa mety ho nitranga tsikelikely fa tsy tao anatin’ny indray mipy maso, ny fisehoan-javatra lehibe sasany tamin’ny andro famoronana tsirairay. Mety ho nitohy tamin’ireo andro nanaraka mihitsy aza izany. b
Samy araka ny karazany avy
Nisy tsikelikely àry ny zavamaniry sy ny biby. Midika ve izany fa nampiasa ny evolisiona Andriamanitra mba hamoronana azy ireny? Tsia. Milaza mazava ny Baiboly fa Andriamanitra mihitsy no namorona ny ‘karazana’ zavamaniry sy biby rehetra. (Genesisy 1:11, 12, 20-25) Moa ve ireny ‘karazana’ zavamaniry sy biby tany am-boalohany ireny, efa natao hiova arakaraka ny fiovana eo amin’ny toerana misy azy? Ahoana no ahalalana raha mbola “karazany” iray ihany na efa “karazany” samy hafa ny biby roa? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly. Lazainy kosa fa “samy araka ny karazany avy” ny zavamananaina noforonina. (Genesisy 1:21) Kely ihany àry ny fiovana mety hitranga amin’ny ‘karazana’ zavamaniry na biby iray. Hita tamin’ny fikarohana natao sy ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny, fa tsy niova firy ireo zavamaniry sy biby isan-karazany, na dia efa ela be aza no nisiany.
Tsy milaza ny Baiboly hoe vao haingana no nisy izao rehetra izao, anisan’izany ny tany sy ny zavamananaina eo aminy. Tsy resahiny koa hoe noforonina tao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa vao haingana kosa ny zavatra lazainy momba ny namoronana izao rehetra izao sy ny zavamananaina eto an-tany.
Efa manana ny heviny ny mpahay siansa maro, ka tsy manaiky an’ilay tenin’ny Baiboly hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. Mifanaraka amin’ny siansa anefa ny zavatra nolazain’i Mosesy ao amin’ny Genesisy. Resahiny fa nanam-piandohana ny lanitra sy ny tany, ary nisy tsikelikely tao anatin’ny fotoana lava be ny zavamananaina. Ahoana no nahalalan’i Mosesy an’izany, 3 500 taona teo ho eo izay? Tsy maintsy ho Ilay nanana hery sy fahendrena namoronana ny lanitra sy ny tany no nampahafantatra izany an’i Mosesy. Vao mainka izany manamarina fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly. c—2 Timoty 3:16.
Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Tena ilaina ve ny mino hoe nisy namorona izao rehetra izao?’ Hiresaka momba izany ny toko manaraka.
a Teny hebreo hoe ʼôhr no nadika hoe hazavana, ao amin’ireo andininy miresaka an’izay nitranga tamin’ny “andro” voalohany. Hazavana fotsiny no dikan’izy io. Maʼôhr kosa no ampiasaina ao amin’ny andininy miresaka an’izay nitranga tamin’ny “andro” fahefatra. Ireo zavatra manome hazavana no dikany.
b Nandidy ny olombelona, ohatra, Andriamanitra tamin’ny andro fahenina, mba ‘hihabetsaka ka hameno ny tany.’ (Genesisy 1:28, 31) Tamin’ny “andro” fahafito anefa izany vao nanomboka nitranga.—Genesisy 2:2.
c Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay video hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly? ao amin’ny tranonkala jw.org.