Fampidirana ny Fizarana 10
I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao. Afaka mifehy ny zava-drehetra izy, na taloha na amin’izao na amin’ny hoavy. Novonjeny, ohatra, i Jeremia, rehefa natsipy tao anaty lavaka ka saika maty tao. Novonjeny tao anaty lafaoro mirehitra koa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Novonjeny tsy hohanin’ny liona koa i Daniela. Nampiany koa i Estera ka afaka namonjy ny Jiosy rehetra. Tsy havelan’i Jehovah hisy mandrakizay ny ratsy fanahy. Faminaniana ilay sarivongana sy hazo ngezabe, ary midika hoe handringana ny ratsy fanahy tsy ho ela ny Fanjakan’i Jehovah, dia avy eo hitondra ny tany.
ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY
LESONA 57
Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia
Tezitra be tamin’izay notenenin’ilay mpaminany tanora ny anti-panahy.
LESONA 59
Ankizilahy Efatra Nankatò An’i Jehovah
Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah ny ankizilahy efatra avy any Joda, na dia rehefa tao an-tranon’ny mpanjakan’i Babylona aza.
LESONA 61
Tsy Nety Niankohoka Izy Ireo
Tsy nety nivavaka tamin’ilay sarivongana volamena nataon’ny mpanjakan’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
LESONA 62
Fanjakana Hoatran’ny Hazo Ngezabe
Nampahafantarina an’i Nebokadnezara tao amin’ilay nofiny ny momba ny hoaviny.
LESONA 63
Ilay Soratra teo Amin’ny Rindrina
Oviana no nisy an’ilay soratra hafahafa teo amin’ny rindrina, ary inona no dikan’ilay izy?
LESONA 65
Novonjen’i Estera ny Fireneny
Jiosy i Estera sady kamboty ray sy reny, nefa lasa vadin’ny mpanjaka.
LESONA 66
Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah i Ezra
Nanao voady tamin’Andriamanitra ny vahoaka, rehefa avy nihaino an’izay rehetra nolazain’i Ezra.
LESONA 67
Ny Mandan’i Jerosalema
Fantatr’i Nehemia fa nanao tetika mba hanafihana an’i Jerosalema ny fahavalony. Naninona anefa izy no tsy natahotra?