Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 57

Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia

Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia

Nofidin’i Jehovah ho mpaminany tany Joda i Jeremia, mba hitory amin’ny olona hoe tsy tokony hanao ratsy intsony ry zareo. Hoy anefa i Jeremia: ‘Izaho ange Jehovah mbola kely e! Tsy mahay mitory izany aho!’ Hoy i Jehovah: ‘Aza matahotra. Ao fa hampiako ianao dia hoteneniko anao izay tokony hoteneninao.’

Nasain’i Jehovah nantsoin’i Jeremia ny anti-panahy, dia nopotehiny teo anatrehan-dry zareo ny siny tanimanga kely iray. Dia hoy izy: ‘Hopotehina hoatran’ity i Jerosalema.’ Tezitra be ireo anti-panahy ireo rehefa naheno an’izany. Nikapoka an’i Jeremia koa ny mpisorona anankiray atao hoe Pasora, sady nataony tsy afa-nihetsika ny tanan’i Jeremia sy ny tongony nandritra ny alina. Novahan’i Pasora izy ny ampitso. Dia hoy i Jeremia: ‘Tena tsy zakako izao fa aleoko tsy mitory intsony.’ Rehefa tena nieritreritra anefa izy, dia hoy izy: ‘Toy ny afo ato anatiko ny tenin’i Jehovah, dia tsy maintsy mitory foana aho.’ Lasa indray àry izy nitory.

Olon-kafa indray no lasa mpanjakan’ny Joda tatỳ aoriana. Tsy tian’ny mpisorona sy ny mpaminany sandoka mihitsy tamin’izany ny zavatra notorin’i Jeremia. Hoy ry zareo tamin’ny andriana: ‘Mendrika ny ho faty i Jeremia.’ Dia hoy i Jeremia: ‘Raha mamono an’ahy ianareo, dia mamono olona tsy manan-tsiny. Tenin’i Jehovah ange no toriko e!’ Dia hoy ireo andriana: ‘Tsy tokony hovonoina ho faty izany izy.’

Mbola nitory foana i Jeremia. Tezitra be àry ireo andriana, ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe tokony hovonoina izy. Dia navelan’ny mpanjaka hanao izay tiany hatao tamin’i Jeremia ry zareo. Natsipin-dry zareo tao anaty lavaka lalina be feno fotaka àry izy mba ho faty. Nanomboka nilentika tao anatin’ilay fotaka i Jeremia.

Soa ihany fa nisy mpiasan’ny mpanjaka, atao hoe Ebeda-meleka, niteny tamin’ny mpanjaka hoe: ‘Natsipin’ny andriana tao anaty lavaka ange i Jeremia e! Ho faty izy raha avela ao.’ Dia nasain’ny mpanjaka nitondra 30 lahy i Ebeda-meleka mba hisintona an’i Jeremia avy tao. Hita hoe tsy natahotra mihitsy i Jeremia fa nitory foana. Tokony hanao hoatran’azy koa isika e?

“Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 10:22