Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 69

Nitsidika An’i Maria i Gabriela

Nitsidika An’i Maria i Gabriela

Nipetraka tao Nazareta, tany Galilia, i Maria, havan’i Elizabeta. Mbola tanora i Maria, ary efa ho lasa vadin’i Josefa mpandrafitra izy. Niseho taminy ny anjely Gabriela, rehefa bevohoka enim-bolana i Elizabeta. Hoy i Gabriela: ‘Manahoana ry Maria! Tena tian’i Jehovah ianao.’ Tsy azon’i Maria ny tiany holazaina. Dia hoy i Gabriela: ‘Ho bevohoka ianao dia hiteraka lahikely, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany. Ho Mpanjaka izy, ary haharitra mandrakizay ny Fanjakany.’

Dia hoy i Maria: ‘Izaho ange mbola virjiny e! Dia ahoana no ahafahako miteraka?’ Hoy i Gabriela: ‘Tsisy zavatra tsy hain’i Jehovah izany. Fa homeny fanahy masina ianao dia hanan-janaka. Efa bevohoka koa i Elizabeta havanao.’ Dia hoy i Maria: ‘Mpanompovavin’i Jehovah aho. Ho tanteraka amiko anie izay noteneninao!’

Nankany amin’ny tanànan-dry Elizabeta àry i Maria. Rehefa niarahaba an’i Elizabeta i Maria, dia henon’i Elizabeta nihetsiketsika be ilay zaza tao an-kibony. Feno fanahy masina izy ka niteny hoe: ‘Tian’i Jehovah ianao, ry Maria. Faly aho fa ny renin’ny Tompoko mihitsy no tonga ato an-tranoko!’ Dia hoy i Maria: ‘Midera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho.’ Nijanona telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria, vao nody tany Nazareta.

Rehefa fantatr’i Josefa hoe bevohoka i Maria, dia saika hisaraka taminy izy. Nisy anjely anefa niteny tamin’i Josefa tao amin’ny nofy hoe: ‘Aza matahotra hanambady an’i Maria, fa tsy nanao zavatra ratsy izy.’ Dia nalain’i Josefa ho vadiny i Maria ka nentiny tany an-tranony.

“Izay rehetra mahafinaritra an’i Jehovah, dia ataony na any an-danitra, na etỳ an-tany.”—Salamo 135:6