Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 76

Nanadio ny Tempoly i Jesosy

Nanadio ny Tempoly i Jesosy

Nankany Jerosalema i Jesosy tamin’ny Aprily taona 30. Be dia be ny olona tonga nankalaza ny Paska tao tamin’izay, ka nanao sorona biby tao amin’ny tempoly. Nitondra biby ny olona sasany, fa ny sasany kosa nividy tao Jerosalema.

Rehefa niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy, dia nahita olona nivarotra biby. Aiza ve ka tao ny trano natao hivavahana amin’i Jehovah, nefa tao ry zareo no nitady vola! Dia ahoana hoy i Jesosy? Nanamboatra karavasy tamin’ny tady hoditra izy, ka nandroaka an’ireo biby ireo tany ivelan’ny tempoly. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola, dia nararany tamin’ny tany ny volan-dry zareo. Dia hoy i Jesosy tamin’ny mpivarotra voromailala: ‘Ento mandeha any ireo! Aza atao toerana itadiavana vola ny tranon’ny Raiko!’

Gaga be ny olona tao amin’ny tempoly nahita an’i Jesosy nanao an’izany. Dia tadidin’ny mpianany ilay faminaniana momba ny Mesia hoe: ‘Hafana fo hiaro ny tranon’i Jehovah aho.’

Mbola nanadio ny tempoly indray i Jesosy tamin’ny taona 33. Tsy faly mihitsy izy raha ny tranon’ny Rainy no natao tsy misy dikany.

“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” —Lioka 16:13