Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 78

Nitory Momba An’ilay Fanjakana i Jesosy

Nitory Momba An’ilay Fanjakana i Jesosy

Vao vita batisa kelikely i Jesosy dia nitory hoe: ‘Efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.’ Nitety an’i Galilia sy Jodia niaraka tamin’ny mpianany izy. Niverina tany Nazareta, tanàna nahalehibe azy, izy avy eo, ary nankao amin’ny synagoga. Dia namaky mafy ny horonam-bokin’i Isaia izy, hoe: ‘I Jehovah no nanome fanahy masina an’ahy ka afaka mitory ny vaovao tsara aho.’ Inona no tiany hotenenina? Ny hitory ny vaovao tsara no tena nanomezana azy ny fanahy masina, fa tsy ny hanao fahagagana, na dia tena tian’ny olona aza izany. Hoy izy avy eo: ‘Androany no tanteraka izany faminaniana izany.’

Nankany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy avy eo. Nihaona tamin’ny mpianany efatra izy tany, dia i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Mpanarato ry zareo, ka hoy i Jesosy taminy: ‘Andao hanaraka an’ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.’ Tonga dia nanaraka an’i Jesosy ry zareo ary navelany teo ny haratony. Nandeha eran’i Galilia ry zareo nitory ny Fanjakan’i Jehovah. Nitory tao amin’ny synagoga ry zareo, teny an-tsena, ary teny an-dalana. Nisy vahoaka be nanaraka an-dry zareo hatraiza hatraiza. Lasa nalaza be àry i Jesosy, na dia hatrany Syria aza.

Nomen’i Jesosy hery koa ny mpianany sasany, ka afaka nanasitrana olona marary sy namoaka demonia. Ny sasany kosa nanaraka an’i Jesosy tamin’izy nandeha nitory, ka nitety tanàna ry zareo. Nisy vehivavy be dia be koa nino an’i Jesosy, anisan’izany i Maria Magdalena sy Johana ary Sosana. Nikarakara an’i Jesosy sy ny mpianany ry zareo.

Nampianarin’i Jesosy hitory ny mpianany, dia avy eo nalefany nitory. Be dia be àry no lasa mpianatr’i Jesosy ka natao batisa, rehefa nitory tany Galilia ry zareo. Mbola betsaka koa anefa no te ho mpianany. Hoatran’ny saha feno vokatra azo alaina ry zareo, ka hoy i Jesosy: ‘Mivavaha amin’i Jehovah mba handefa mpiasa betsaka kokoa haka ny vokatra.’ Nifidy 70 lahy tamin’ny mpianany izy avy eo, ary naniraka an-dry zareo tsiroaroa mba hitory eran’i Jodia. Olona be dia be no nampianarin’izy ireo momba an’ilay Fanjakana. Rehefa niverina ry zareo, dia maika erỳ hitantara amin’i Jesosy izay nitranga. Hita hoe tena tsy nahavita nanakana ny fitoriana ny Devoly.

Nohafatrafaran’i Jesosy ny mpianany mba hanohy an’ilay asa foana, na dia rehefa miverina any an-danitra aza izy. Hoy izy: ‘Torio maneran-tany ny vaovao tsara. Ampianaro ny Tenin’Andriamanitra ny olona ary ataovy batisa.’

“Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.”—Lioka 4:43