Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 87

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Nankalaza ny Paska ny Jiosy, isan-taona, isaky ny 14 Nisana. Amin’izay mantsy tadidin-dry zareo hoe nafahan’i Jehovah tsy ho andevo tany Ejipta ry zareo, ary nentiny tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nankalaza ny Paska tao amin’ny efitrano iray ambony rihana tany Jerosalema i Jesosy sy ny apostoly, tamin’ny taona 33. Rehefa ho lany ny sakafo, dia hoy i Jesosy: ‘Hamadika an’ahy ny iray aminareo.’ Taitra be ny apostoly ka nanontany hoe: ‘Iza kay izany?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Izay omeko an’ity mofo ity.’ Dia nomeny kely tamin’ilay mofo i Jodasy Iskariota, ary tonga dia lasa nandeha.

Nivavaka i Jesosy avy eo, dia nandray mofo ary nozarazarainy tamin’ireo apostoly mbola teo ilay izy. Dia hoy izy: ‘Hano ity mofo ity. Eritrereto hoe ity ilay vatako homena ho anareo.’ Nivavaka indray izy, dia nomeny divay ny apostoly. Dia hoy izy: ‘Sotroy ity divay ity. Eritrereto hoe ity ilay rako izay homeko, amin’izay ho voavela ny fahotan’ny olona. Dia ho mpanjaka hiaraka amiko any an-danitra ianareo. Ataovy foana àry izao isan-taona mba hahatsiarovana an’ahy.’ Mbola manao an’izany izao ny mpianatr’i Jesosy ka miara-mivory isan-taona. Amin’ny hariva ilay izy no atao, ary antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo.

Vao avy nisakafo ry zareo, dia nifamaly ny apostoly. Samy te ho ambony indrindra mantsy ry zareo. Hoy anefa i Jesosy: ‘Izay mieritreritra ny tenany ho ambany indrindra, dia izy no ambony indrindra.

‘Ianareo no namako. Teneniko aminareo daholo mantsy izay nasain’ny Raiko notenenina taminareo. Efa hiverina any amin’ny Raiko any an-danitra aho izao, fa ianareo mbola hijanona eto. Ho fantatry ny olona hoe mpianatro ianareo raha mifankatia. Tokony hifankatia ianareo hoatran’ny itiavako anareo.’

Nivavaka i Jesosy avy eo. Nangataka tamin’i Jehovah izy mba hiaro ny mpianany sy hanampy an-dry zareo hahay hiara-miasa. Nivavaka koa izy mba hohamasinina ny anaran’i Jehovah. Nihira fiderana ho an’i Jehovah avy eo i Jesosy sy ny apostoly, ary lasa nandeha. Efa kely sisa dia hosamborina i Jesosy.

“Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.”—Lioka 12:32