Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 95

Tsy Nisy Nahasakana ny Apostoly Mihitsy

Tsy Nisy Nahasakana ny Apostoly Mihitsy

Nisy lehilahy nalemy anankiray, nangataka isan’andro teo am-bavahadin’ny tempoly. Nahita an’i Petera sy Jaona nankao amin’ny tempoly izy, indray andro. Hoy izy: ‘Mba mangataka re tompoko ô!’ Dia hoy i Petera: ‘Izaho manana zavatra tsara be noho ny vola, azoko omena anao. Amin’ny anaran’i Jesosy, mitsangàna!’ Dia natsangan’i Petera izy ka nanomboka nandeha. Faly be ny olona nahita an’izany, ka be dia be no lasa nino an’i Jesosy.

Tezitra be anefa ny mpisorona sy ny Sadoseo. Dia nentin-dry zareo tany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy ny apostoly, ka noteneniny hoe: ‘Iza no nanome fahefana anareo hanasitrana an’iny lehilahy iny?’ Dia hoy i Petera: ‘I Jesosy Kristy ilay novonoinareo.’ Nivazavaza be ry zareo hoe: ‘Aza miresaka an’izany Jesosy izany intsony!’ Hoy anefa ny apostoly: ‘Izahay indray tsy maintsy miresaka momba an’azy foana.’

Vao niala teo i Petera sy Jaona, dia nankany amin’ny mpianatra hafa ary nitantara an’izay nitranga. Niaraka nivavaka ry zareo hoe: ‘Jehovah ô, ampio izahay tsy hatahotahotra, amin’izay ho vitanay foana ny asanao.’ Nomen’i Jehovah fanahy masina ry zareo, ka nitory sy nanasitrana foana. Lasa be dia be àry ny olona nino an’i Jesosy. Dia nialona be ny Sadoseo ka nogadrainy ny apostoly. Nandefa anjely anefa i Jehovah rehefa alina ny andro, ka novohan’ilay anjely ny varavaran’ny fonja. Dia hoy izy tamin’ny apostoly: ‘Mandehana miverina mampianatra any amin’ny tempoly.’

Nony maraina ny andro, dia nisy niteny tamin’ilay fitsarana hoe: ‘Mihidy ny varavaran’ny fonja, fa ireo olona nogadrainareo efa tsy ao intsony. Mampianatra ao amin’ny tempoly ry zareo izao.’ Dia nosamborina indray ny apostoly ka nentina tany amin’ilay fitsarana. Hoy ny mpisoronabe: ‘Efa noteneninay ianareo tsy hiresaka momba an’i Jesosy!’ Dia hoy i Petera: ‘Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.’

Tezitra be ilay fitsarana ka tiany hovonoina ny apostoly. Nisy Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela anefa niteny hoe: ‘Mitandrema ianareo fa mety manampy an-dry zareo ireo ange Andriamanitra e! Ho vitanareo ve ny hiady amin’Andriamanitra?’ Nokapohin-dry zareo fotsiny àry ny apostoly, dia noteneniny mba tsy hitory intsony dia avy eo nalefany nandeha. Sahy nitory ny vaovao tsara foana anefa ny apostoly, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.

“Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29