Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 6

Olona Valo Sisa no Velona!

Olona Valo Sisa no Velona!

Efa ao anatin’ilay sambofiara izao i Noa sy ny fianakaviany ary ny biby. Dia nohidian’i Jehovah ny varavarana. Avy be mihitsy ny orana avy eo, ka nanomboka nitsingevana ilay sambofiara. Feno rano ny tany tamin’ny farany. Maty daholo ny mpanao ratsy tany ivelan’ilay sambofiara, fa avotra kosa i Noa sy ny fianakaviany. Faly be mihitsy ry zareo fa nankatò an’i Jehovah!

Avy be foana ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Rehefa nitsahatra ilay izy, dia nihena tsikelikely ny rano. Tafajanona teny ambony tendrombohitra ilay sambofiara. Mbola nisy rano be anefa teto an-tany ka tsy afaka nivoaka ry Noa.

Ritra ihany ny rano tamin’ny farany. Herintaona mahery ry Noa no nijanona tao anatin’ilay sambofiara. Nasain’i Jehovah nivoaka ry zareo avy eo, ary tsy nahita mpanao ratsy intsony. Te hisaotra an’i Jehovah ry zareo fa novonjeny, ka nanao fanatitra.

Tian’i Jehovah ilay fanatitra. Nilaza izy fa tsy hasiany safodrano hoatran’iny intsony eto an-tany. Dia ahoana no ahafantarantsika an’izany? Nasiany avana teny amin’ny lanitra. Efa nahita avana ve ianao?

Niteny tamin-dry Noa sy ny zanany koa i Jehovah mba hiteraka, amin’izay ho feno olona ny tany.

‘Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa. Ary tsy niraharaha ny olona mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.’—Matio 24:38, 39