Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 14

Andevo Nankatò An’Andriamanitra

Andevo Nankatò An’Andriamanitra

Efa antitra be i Jakoba vao niteraka an’i Josefa. Izy no tian’ny dadany indrindra. Lasa nialona sy tsy tia azy àry ny zokiny. Nanonofy i Josefa indray andro, dia notantarainy tamin’ny zokiny rehetra ilay izy. Rehefa naheno an’ilay izy ry zareo, dia nieritreritra hoe handohalika eo alohan’i Josefa, hono, indray andro any. Vao mainka àry lasa tsy tian-dry zareo i Josefa.

Niandry ondry tany akaikin’ny tanànan’i Sekema ny zokin’i Josefa, indray andro. Dia nirahin’i Jakoba hijery an-dry zareo tany i Josefa. Mbola lavitra be i Josefa dia efa tazan’ireo zokiny ireo, ka hoy ry zareo: ‘Iny indray ilay mpanonofy! Andao rangahy hovonointsika iny a!’ Nosamborin-dry zareo izy dia natsipiny tao anaty lavaka lalina be. Hoy anefa i Joda, zokiny anankiray: ‘Aleo rangahy izy tsy vonoina fa hamidy ho andevo a!’ Nisy mpivarotra midianita ho any Ejipta sendra nandalo tamin’izay, dia namidiny vola madinika volafotsy 20 tamin’ireo i Josefa.

Nataon-dry zareo tao anaty ran’osy ny akanjon’i Josefa avy eo, dia nalefany tany amin’ny dadany. Hoy ry zareo: ‘Tsy akanjon’ny zanakao ve ity?’ Noheverin’i Jakoba fa lanin’ny bibidia i Josefa, ka nalahelo be izy. Tsy nisy nahavita nampitony ny alahelony mihitsy.

Namidy tamin’ny lehilahy manam-pahefana be izay i Josefa tany Ejipta ka lasa andevo. Potifara no anaran’ilay lehilahy. Nampian’i Jehovah foana anefa i Josefa. Hitan’i Potifara hoe vitan’i Josefa tsara daholo izay nampanaovina azy, ka lasa natoky azy izy. Nasainy niandraikitra ny fananany rehetra àry i Josefa.

Hitan’ny vadin’i Potifara hoe tsara tarehy sady matanjaka be i Josefa, ka noteneniny foana izy isan’andro hoe: ‘Andao mba hiaraka hatory.’ Tsy nety anefa i Josefa fa hoy izy: ‘Ratsy be izany. I Potifara ange matoky be an’ahy e! Dia ianao koa vadiny! Manota amin’Andriamanitra aho raha manao an’izany.’

Noteren’ny vadin’i Potifara hiaraka hatory aminy i Josefa, indray andro. Nosintoniny ny akanjon’i Josefa, nefa lasa nitsoaka i Josefa. Dia ahoana no nataon’ilay vehivavy rehefa tonga tao an-trano i Potifara? Nandainga izy hoe nitady hanisy ratsy azy, hono, i Josefa. Tezitra be mihitsy àry i Potifara, ka nogadrainy i Josefa. Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy anefa i Josefa.

“Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony.”—1 Petera 5:6