Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 18

Nirehitra Ilay Voaroy!

Nirehitra Ilay Voaroy!

Efa 40 taona izao i Mosesy no nipetraka tany Midianina. Nanambady izy tany ary nanan-janaka. Nahita zavatra mahagaga izy, indray andro, rehefa niandry ondry teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay. Nisy voaroy nirehitra nefa tsy nety levon’ny afo ilay izy. Nankeo akaikin’ilay voaroy àry i Mosesy. Nisy niteny avy eo tao amin’ilay izy hoe: ‘Mosesy, aza manatona intsony. Dia esory ny kapanao fa tany masina io hitsahinao io.’ I Jehovah no niresaka taminy fa nampiasa anjely izy.

Natahotra be i Mosesy ka nosaronany ny tarehiny. Hoy ihany ilay niteny taminy: ‘Hitako hoe mijaly be mihitsy ny Israelita, fa andeha havotako dia hoentiko any amin’ny tany tsara be. Ianao no tiako hitondra ny vahoakako hiala any Ejipta.’ Gaga be izao i Mosesy naheno an’izany!

Hoy i Mosesy: ‘Dia inona no holazaiko raha manontany ry zareo hoe iza no naniraka anao?’ Hoy Andriamanitra: ‘Teneno hoe i Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba no naniraka an’ahy.’ Dia hoy indray i Mosesy: ‘Dia ahoana raha tsy mino an’ahy ry zareo?’ Nasain’i Jehovah natsipin’i Mosesy tamin’ny tany ny tehiny dia lasa bibilava. Rehefa noraisin’i Mosesy tamin’ny rambony ilay izy, dia lasa tehina indray. Hoy i Jehovah: ‘Rehefa mahita an’izany ry zareo, dia hatoky hoe izaho no naniraka anao.’

Hoy i Mosesy: ‘Izaho ange tsy mahay miresaka e!’ Dia hoy i Jehovah: ‘Ao fa teneniko anao izay tokony holazaina. Asaiko hanampy anao koa i Arona zokinao.’ Izay vao nino i Mosesy hoe hanampy azy i Jehovah, ka lasa izy sy ny vadiny ary ny zanany nankany Ejipta.

“Aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanareo sy izay holazainareo, fa homena anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo.” —Matio 10:19