Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampidirana ny Fizarana 7

Fampidirana ny Fizarana 7

Ny tantaran’i Saoly Mpanjaka sy Davida Mpanjaka no ato amin’ity fizarana ity. Naharitra 80 taona teo ho eo izany. Nanetry tena sy natahotra an’Andriamanitra i Saoly, nefa lasa tsy nankatò azy avy eo. I Davida indray àry no nasain’i Jehovah nohosoran’i Samoela ho mpanjaka. Nialona an’i Davida i Saoly, ka imbetsaka izy no te hamono azy. Tsy namaly faty anefa i Davida. Fantatr’i Jonatana zanak’i Saoly fa i Davida no nofidin’i Jehovah. Tsy nivadika tamin’i Davida àry izy. Nanao fahotana lehibe i Davida, nefa nekeny foana ny famaizan’i Jehovah. Raha manan-janaka ianao, dia resaho aminy hoe ilaina ny mankatò foana an’i Jehovah sy izay olona nofidiny.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 39

Ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

Mpitsara foana no nitarika ny Israelita. Nitady mpanjaka anefa ry zareo. I Saoly àry no voafidy ho mpanjaka. Nahoana anefa no lasa tsy tian’i Jehovah intsony izy?

LESONA 40

Davida sy Goliata

I Davida indray no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely. Nasehon’i Davida hoe tena nety ilay safidy nataon’i Jehovah.

LESONA 41

Davida sy Saoly

Nahoana no nankahala an’i Davida i Saoly? Inona anefa no nataon’i Davida?

LESONA 42

Tsy Nivadika Mihitsy i Jonatana

Lasa mpinamana be i Davida sy ilay zanaky ny mpanjaka.

LESONA 43

Nanota i Davida Mpanjaka

Tsy nisaina tsara i Davida dia nitondra loza be dia be.