Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 47

Nampahery An’i Elia i Jehovah

Nampahery An’i Elia i Jehovah

Henon’i Jezebela hoe maty daholo ny mpaminanin’i Bala. Tezitra be àry izy ka nandefa olona hiteny tamin’i Elia hoe: ‘Tsy maintsy ho faty hoatr’ireny mpaminany ireny koa ianao rahampitso.’ Natahotra be i Elia, dia nandositra nankany amin’ny tany karakaina. Nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, tena tsy zakako intsony izao fa aleoko maty.’ Tafatory teo ambany hazo izy avy eo satria reraka be.

Nisy anjely namoha an’i Elia avy eo, dia niteny moramora taminy hoe: ‘Mifohaza dia hano ireto.’ Nahita mofo boribory anankiray teo ambony vato mahamay i Elia, dia rano tao anaty siny kely. Nihinana izy dia natory. Nofohazin’ilay anjely indray izy sady noteneniny hoe: ‘Mihinàna fa mbola handeha lavitra ianao.’ Dia nihinana indray i Elia. Nandeha 40 andro sy 40 alina izy avy eo, ka tonga tany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Niditra tao anaty lava-bato anankiray izy mba hatory. Hoy anefa i Jehovah taminy: ‘Elia, fa maninona atỳ ianao?’ Dia hoy izy: ‘Nivadika taminao ny Israelita, dia narodany ny alitaranao, ary novonoiny ny mpaminaninao. Dia tadiavin-dry zareo hovonoina koa aho.’

Hoy i Jehovah tamin’i Elia: ‘Mitsangàna eo amin’ilay tendrombohitra.’ Nisy rivotra nifofofofo be tamin’izay, dia nisy horohoron-tany sy afo. Naheno feo malefaka kely i Elia avy eo. Nosaronany tamin’ny akanjony ny tarehiny, dia nitsangana teo ivelan’ilay lava-bato izy. Nanontanian’i Jehovah izy hoe fa naninona izy no nandositra. Dia hoy izy: ‘Izaho irery ange sisa no manompo anao e!’ Hoy anefa i Jehovah: ‘Tsy ianao irery izany fa mbola misy Israelita 7 000 koa manompo an’ahy. Mandehana fidio ho mpaminany hisolo anao i Elisa.’ Tonga dia nandeha i Elia. Mino ve ianao fa hanampy anao koa i Jehovah, rehefa manao an’izay asainy hatao ianao? Matokia fa hanampy anao izy. Andao hojerentsika izay nitranga tamin’ny mbola tsy nisy orana mihitsy.

“Aza manahy na amin’ inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”—Filipianina 4:6