Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 44

Tempoly ho An’i Jehovah

Tempoly ho An’i Jehovah

Rehefa lasa mpanjaka i Solomona, dia hoy i Jehovah taminy: ‘Inona no tianao homeko anao?’ Dia hoy i Solomona: ‘Mba omeo fahendrena aho, fa mbola kely dia tsy mahay mitondra an’ireo vahoaka ireo.’ Hoy i Jehovah: ‘Raha izany no angatahinao, dia ianao no hataoko hendry indrindra amin’ny olona rehetra. Hataoko manankarena be koa ianao. Ary ho ela velona ianao raha mankatò an’ahy foana.’

Nanamboatra an’ilay tempoly amin’izay i Solomona. Volamena sy volafotsy sy hazo ary vato tsara indrindra no nampiasainy. Dia nampiasa lehilahy sy vehivavy be dia be sady nahay koa izy. Vita ilay izy rehefa afaka fito taona ka notokanana ho an’i Jehovah. Nasiana fanatitra teo ambonin’ny alitara, ary nandohalika nivavaka teo alohan’ilay alitara i Solomona. Hoy izy: ‘Jehovah ô, kely sady tsy dia tsara ity tempoly ity raha ho anao. Ato anefa izahay no hivavaka aminao, dia mba henoy ny vavakay.’ Dia inona no nataon’i Jehovah? Vao vita ny vavak’i Solomona, dia nisy afo avy any an-danitra nandevona an’ilay fanatitra. Tian’i Jehovah àry ilay tempoly. Faly be koa ny Israelita!

Fantatry ny olona rehetra tany Israely sy hatrany lavitra be hoe tena hendry i Solomona. Nankany aminy àry izay olona nanana olana. Tonga tany koa ny mpanjakavavin’i Sheba, dia nanontany zavatra sarotra be taminy. Hoy izy rehefa namaly i Solomona: ‘Tsy nampino an’ahy mihitsy ny zavatra notenenin’ny olona momba anao. Ianao aza kay mbola hendry lavitra noho ny notenenin-dry zareo. Tena manampy anao i Jehovah Andriamanitrao.’ Nahafinaritra erỳ ny fiainan’ny Israelita tamin’izany ary sambatra be ry zareo. Hiova anefa izany.

‘Misy lehibe noho i Solomona eto.’ —Matio 12:42