Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany 2017

Tatitra Maneran-tany 2017
  • Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: 90

  • Tany Nanao Tatitra: 240

  • Tontalin’ny Fiangonana: 120 053

  • Mpanatrika ny Fahatsiarovana Eran-tany: 20 175 477

  • Nihinana Mofo sy Nisotro Divay Tamin’ny Fahatsiarovana: 18 564

  • Tampon’isan’ny Mpitory Ilay Fanjakana *: 8 457 107

  • Salanisan’ny Mpitory Isam-bolana: 8 248 982

  • Fitomboana Isan-jato Oharina Amin’ny Tamin’ny 2016: 1,4

  • Tontalin’ny Natao Batisa *: 284 212

  • Salanisan’ny Mpisava Lalana * Maharitra sy Manokana: 1 249 946

  • Salanisan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Isam-bolana: 439 571

  • Tontalin’ny Ora Lany Teny Amin’ny Saha: 2 046 000 202

  • Salanisan’ny Fampianarana Baiboly * Isam-bolana: 10 071 524

Nandritra ny taom-panompoana 2017, * dia 202 tapitrisa dolara mahery no lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nikarakarana an’ireo mpisava lalana manokana sy misionera ary mpiandraikitra ny faritra, teo amin’ny fanompoana nanendrena azy ireo avy. Misy 19 730 no manompo any amin’ireo biraon’ny sampana. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy rehetra.

^ feh. 7 Ireo mitory tsy tapaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no antsoina hoe mpitory. (Matio 24:14) Manazava ny fomba anisana azy ireo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Firy ny Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany?

^ feh. 10 Manazava ny dingana tokony hataon’izay te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Inona no Tokony Hataoko Raha Te ho Lasa Vavolombelon’i Jehovah Aho?

^ feh. 11 Vavolombelona fakan-tahaka ny mpisava lalana, ary efa voafaritra ny ora itoriany ny vaovao tsara isam-bolana.

^ feh. 14 Manazava bebe kokoa momba azy io ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Inona no Atao hoe Fianarana Baiboly?

^ feh. 15 Nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2016 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2017 ny taom-panompoana 2017.