Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 10

Ilay Fahavalon’ny Finoana

Ilay Fahavalon’ny Finoana

NAMORONA anjely tany an-danitra i Jehovah Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny tany. Naniry hotompoina ny anjely iray, tatỳ aoriana, nefa Andriamanitra ihany no tokony hotompoina. Notanterahiny io faniriany io, ka izy ihany no nahatonga ny tenany ho Satana, izay midika hoe “Mpanohitra”, izany hoe manohitra an’Andriamanitra. Ahoana no nataony?

Nampiasa menarana i Satana mba hamitahana an’i Eva

Nofitahin’i Satana i Eva mba tsy hankatò an’Andriamanitra. Fetsy i Satana ka nilaza fa misy zavatra tsara tsy nomen’Andriamanitra an’i Eva, matoa izy nandrara azy tsy hihinana tamin’ny hazo iray. Sahy nilaza an’Andriamanitra ho mpandainga i Satana, ka nampirisika an-kolaka an’i Eva mba tsy hanaraka an’izay nolazain’Andriamanitra. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:5) Nino befahatany ny laingan’i Satana i Eva. Nandika ny lalàn’Andriamanitra izy, ary notaominy koa i Adama. Lasa fahavalon’izay rehetra manana ny tena finoana àry i Satana. Mbola mamitaka ny olona izy hatramin’izao. Inona no ataony?

Niely ny finoana sandoka

Nitarika ny olona hanompo sampy sy hanaraka lovantsofina i Satana mba hamitahana azy ireo

Nitarika ny zanak’Israely hanompo sampy sy hanaraka lovantsofina i Satana mba hanimbana ny finoan’izy ireo. Nilaza tamin’ireo mpitondra fivavahana teo amin’izy ireo i Jesosy hoe very maina ny ivavahan’izy ireny, satria “didin’olombelona” no nampianariny. (Matio 15:9) Nanda an’ilay Mesia ny firenen’Israely ka nolavin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Matio 21:43) Ny mpanara-dia an’i Jesosy àry no lasa vahoakan’Andriamanitra.

Niezaka hanimba ny finoan’ny mpanara-dia an’i Jesosy i Satana avy eo. Nahomby ve izy? Nilaza mialoha izay hitranga i Jesosy ka nampiasa izao fanoharana izao: Namafy vary teny an-tanimbary ny lehilahy iray, nefa namafy tsimparifary teny amin’ny vary ny fahavalo avy eo. Navela hiara-maniry ireo mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Tamin’izay ny tsimparifary vao navahana tamin’ny vary, ary nodorana. Nangonina kosa ny vary ka natao tao an-trano fitehirizam-bokatra.

Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpianany ny hevitr’ilay fanoharana: Izy no Mpamafy, ary “ny voa tsara dia ny zanak’ilay fanjakana, fa ny tsimparifary kosa dia ny zanak’ilay ratsy, ary ny fahavalo namafy izany dia ny Devoly. Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity, ary ny mpijinja dia anjely.” (Matio 13:38, 39) Oharin’i Jesosy amin’ny vary ny tena mpianany. I Satana kosa namafy tsimparifary, izany hoe mpianatra sandoka, teo amin’ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy. Nanjary nisy mpianatra sandoka àry taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, araka ny efa nolazainy. Nampiely fampianaran’ny mpivadi-pinoana izy ireny, anisan’izany ny Andriamanitra telo izay iray. Nanomboka nanompo sampy sy niditra tamin’ny politika koa ireo mpianatra sandoka. Vitsy ihany no nitana ny fampianaran’i Jesosy.

Tsy foana tanteraka ny tena finoana

Hisy fiovana ihany anefa, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Hanavaka an’ireo tsy manana ny tena finoana ny anjelin’Andriamanitra, ka handringana an’ireny. Ho mora fantatra àry ireo manana ny tena finoana. Horinganina koa amin’ny farany, i Satana Devoly, ilay fahavalon’ny finoana. Handresy ny tena finoana!

Ahoana no hamantaranao an’ireo manana ny tena finoana ankehitriny? Hodinihintsika ny valin’izany.

Mitady olona te hanana ny tena finoana ny anjely ankehitriny