Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 2

Inona no Atao hoe Tena Finoana?

Inona no Atao hoe Tena Finoana?

Toy ny vola ny finoana, ka tsy misy vidiny raha tsy tena izy

MARO no mino fa misy Andriamanitra. Tsy izany fotsiny anefa no atao hoe tena finoana. Olona an-tapitrisany mantsy no mino an’Andriamanitra, nefa minia manao ratsy. Azo oharina amin’ny vola sandoka ny finoana toy izany, satria toy ny tena izy nefa tsy misy vidiny. Inona àry no atao hoe tena finoana?

Mifototra amin’ny fahalalana marina tsara ny tena finoana. Ny Soratra Masina no milaza ny marina momba an’Andriamanitra, ary manampy antsika hahalala azy. Hita ao ny lalàny sy ny fikasany, ary koa ny fampianarany, anisan’izany ireto:

  • Tokana Andriamanitra. Tsy misy mitovy aminy.

  • Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy, fa mpaminanin’Andriamanitra.

  • Melohin’Andriamanitra rehefa mety ho fanompoan-tsampy.

  • Hiatrika andro fitsarana isika olombelona.

  • Hisy olona maro be hatsangana amin’ny maty, ka hiaina ao amin’ny Paradisa.

Mandrisika hanao ny tsara ny tena finoana. Mahazo voninahitra Andriamanitra ary mandray soa ny tenantsika sy ny hafa, rehefa manao ny tsara isika, ohatra hoe

  • manompo an’Andriamanitra.

  • miezaka hanana toetra tsara, indrindra fa ny fitiavana.

  • miady mafy mba tsy haniry na hieritreritra zava-dratsy.

  • matoky an’Andriamanitra foana, na dia misy olana aza.

  • mampianatra ny hafa momba an’Andriamanitra.

Mandrisika hanao ny tsara ny tena finoana

Ahoana no hananana ny tena finoana?

Toy ny hozatra ny finoana, ka mihamatanjaka rehefa ampiasaina

Mangataha ny fanampian’Andriamanitra. Nivavaka toy izao tamin’Andriamanitra i Mosesy mpaminany: “Mba ampahafantaro ahy re ny lalanao, hahafantarako anao ka hahazoako sitraka aminao e!” a Nohenoin’Andriamanitra izy, ka nanjary nanana finoana niavaka. Hanampy anao hanana ny tena finoana koa Andriamanitra.

Manokàna fotoana hianarana ny Soratra Masina. Anisan’ny Soratra Masina ny Torah sy ny Salamo ary ny Filazantsara, izay samy hita ao amin’ny Baiboly Masina. Ny Baiboly no boky voadika amin’ny fiteny maro indrindra sy miely indrindra eran-tany. Misy anananao ve ireo soratra masina ireo?

Ampiharo eo amin’ny fiainanao ny torohevitry ny Soratra Masina. Toy ny hozatra ny finoana, ka mihamatanjaka rehefa ampiasaina. Hatanjaka koa ny finoanao raha asehonao amin’ny ataonao. Ianao mihitsy no hahita fa mahasoa ny torohevitr’Andriamanitra. Olona maro dia maro no nanaraka ny torohevitry ny Soratra Masina, ka nihatsara ny fiainany. Hahita ohatra momba izany ianao ato.