Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 7

Inona no Fampanantenana Nambara Tamin’ny Mpaminany?

Inona no Fampanantenana Nambara Tamin’ny Mpaminany?

NINO an’Andriamanitra ireo mpaminany, ka natoky ny fampanantenany sy nampifantoka ny fiainany tamin’izany. Inona avy izany fampanantenana izany?

Vao nikomy i Adama sy Eva tao Edena, dia efa nampanantena Andriamanitra fa hanendry olona hanorotoro ny lohan’ilay “menarana”, izany hoe “ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana”, ka handringana azy mandrakizay. (Genesisy 3:14, 15; Apokalypsy 12:9, 12) Iza àry Ilay ho avy?

Roa arivo taona teo ho eo taorian’io faminaniana voalohany io, dia nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa ho anisan’ny taranany Ilay ho avy. Hoy mantsy izy tamin’i Abrahama: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao, satria nihaino ny teniko ianao.”—Genesisy 22:18.

Nanazava misimisy kokoa momba io ‘taranaka’ io tamin’i Mosesy mpaminany Andriamanitra, tamin’ny 1473 Talohan’i Kristy (T.K.). Hoy i Mosesy tamin’ny zanak’Israely: “Mpaminany avy eo aminao, avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpaminany toa ahy, no hotendren’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Izy no tokony hohenoinao.” (Deoteronomia 18:15) Ho avy amin’ny taranak’i Abrahama àry ilay mpaminany toa an’i Mosesy.

Ho avy amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka koa io mpaminany io, ary ho lasa mpanjaka malaza. Nampanantena an’i Davida Andriamanitra hoe: ‘Hotendreko ny taranaka handimby anao. Hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany.’ (2 Samoela 7:12, 13) Nilaza koa izy fa hantsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana” io taranak’i Davida io. Hoy koa izy: “Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana, eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io, ary ny rariny sy ny hitsiny no hampitoetra azy, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.” (Isaia 9:6, 7) Manao ny rariny io Mpitarika io, ary hampanjaka ny fiadanana sy ny rariny eran-tany. Rahoviana anefa izy no ho tonga?

Ilay ‘taranaka’ nampanantenaina dia...ho avy amin’ny taranak’i Abrahama, ho mpaminany toa an’i Mosesy, ho avy amin’ny taranak’i Davida, ho tonga amin’ny taona 29 hanorotoro an’ilay menarana, izany hoe i Satana

Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’i Daniela mpaminany ny anjely Gabriela hoe: “Aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.” (Daniela 9:25) Maharitra 483 taona ireo 69 herinandron-taona ireo, satria misy 7 taona avy. Nanomboka tamin’ny taona 455 T.K. izy ireo, ary nifarana tamin’ny 29 Aorian’i Kristy (A.K.). a

Tonga tamin’ny taona 29 A.K. tokoa ve ilay Mesia, izany hoe ilay mpaminany toa an’i Mosesy sy ‘taranaka’ nandrasana hatry ny ela? Andao hofantarintsika.