Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 11

Iza no Manana ny Tena Finoana Ankehitriny?

Iza no Manana ny Tena Finoana Ankehitriny?

MARO no milaza ho manam-pinoana. Nilaza anefa i Jesosy fa vitsy no manana ny tena finoana. “Lehibe sady malalaka”, hoy izy, “ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any. Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”—Matio 7:13, 14.

Ahoana no amantarana an’ireo manana ny tena finoana? “Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy”, hoy i Jesosy. “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.” (Matio 7:16, 17) Mamoa “voa tsara” àry ny tena finoana, izany hoe mahatonga ny olona hanana an’ireo toetra tian’Andriamanitra. Ahoana izany?

Tsy manampatra hery na fahefana

Ny olona manana ny tena finoana dia mampiasa ny heriny sy ny fahefany mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy hahasoa ny hafa. Hoy i Jesosy: “Na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.” (Marka 10:43) Tsy manjakazaka àry ny lehilahy manana ny tena finoana, na ao an-tranony izany na any ivelany. Tia vady izy, ary manome voninahitra sy mikarakara azy. Hoy ny Soratra Masina: “Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) “Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Mpiara-mandova aminy mantsy ianareo, eny, mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.”—1 Petera 3:7.

Tokony “hanaja fatratra ny vadiny” koa ny vehivavy manana ny tena finoana. (Efesianina 5:33) Tokony “ho tia vady aman-janaka” izy. (Titosy 2:4) Ary ahoana ny ray aman-dreny manana ny tena finoana? Mahita fotoana iarahana amin’ny zanany izy ireo ary mampianatra azy ny lalàna sy fitsipik’Andriamanitra. Manaja olona ireny ray aman-dreny ireny, na ao an-tranony izany na any am-piasana, na any an-toeran-kafa. Manaraka izao torohevitra izao izy ireo: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—Romanina 12:10.

Mankatò izao tenin’ny Soratra Masina izao ny mpanompon’Andriamanitra: “Aza mandray kolikoly.” (Eksodosy 23:8) Tsy manampatra fahefana mba hahazoan-tombony izy ireo, fa mitady fomba hanampiana ny hafa kosa, indrindra fa ny sahirana. Arahiny izao torohevitra izao: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16) Tsapany hoe marina àry ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Manao ny rariny araka izay takin’Andriamanitra

Mankatò an-tsitrapo ny lalàn’Andriamanitra ny olona manana ny tena finoana. Tsapany hoe “tsy mavesatra” ny didin’Andriamanitra. (1 Jaona 5:3) Fantany koa fa “tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah ... Mahitsy ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo. Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso.”—Salamo 19:7, 8.

Mahatonga azy tsy hanavakavaka koa ny tena finoana. Tsy mihevitra firazanana na firenena na sarangan’olona iray ho ambony noho ny hafa izy ireo, fa manahaka an’Andriamanitra kosa. “Tsy mizaha tavan’olona” mantsy Andriamanitra, “fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Mahatonga ny olona “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” ny tena finoana. (Hebreo 13:18) Tsy mifosa na manendrikendrika koa ny olona manana ny tena finoana. Nilaza i Davida mpanao salamo fa ankasitrahan’Andriamanitra ny olona ‘tsy manendrikendrika amin’ny lelany, na manisy ratsy olona.’—Salamo 15:3.

Manana ny fahendren’Andriamanitra

Tsy mivaona amin’ny Soratra Masina ny zavatra inoan’ireo manana ny tena finoana. Inoany fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Rehefa mifandray amin’olona izy, dia tarihin’ny “fahendrena avy any ambony”, izay ‘madio, tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa.’ (Jakoba 3:17) Tsy manaraka fombafomba tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, ary tsy milalao ody na manompo sampy.—1 Jaona 5:21.

Tena manam-pitiavana

Hoy i Mosesy mpaminany: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Deoteronomia 6:5) Izany mihitsy no ataon’ny olona manana ny tena finoana. Hajain’izy ireo ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. ‘Misaotra an’i Jehovah’ izy ireo, ary ‘miantso ny anarany’ amim-pinoana. (Salamo 105:1) Mankatò izao didy izao koa ny mpanompon’Andriamanitra: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Tsy tia herisetra izy ireo ary miezaka ‘hihavana amin’ny olona rehetra.’ (Romanina 12:18) Toy ny hoe ‘manefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.’ (Isaia 2:4) “Mifankatia” àry izy ireo, ary toy ny mpirahalahy izy rehetra eran-tany. (Jaona 13:35) Fantatrao ve hoe iza ireo manana ny tena finoana ankehitriny?